Scripture Stories
Toko 2: Ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith: 1820


Toko 2

Ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith

1820

Sary
Zatovolahikely Joseph Smith mandohalika
Sary
I Joseph Smith rainy

Nino an’ Andriamanitra i Joseph Smith sy ny fianakaviany. Niara-namaky ny Baiboly izy ireo. Nampianarin’ny ray aman-drenin’i Joseph mba ho olona tsara ireo zanany.

Sary
I Joseph miangona

Nisy fiangonana maro tao amin’ny toerana nipetrahan’i Joseph. Samy tsy nitovy hevitra tamin’izay fiangonana marina ny olona rehetra. Tsy fantatr’i Joseph izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Naniry ny hahafantatra ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy izy.

Sary
I Joseph mamaky ny Baiboly

Indray andro fony 14 taona i Joseph dia namaky tao amin’ny Baiboly izy fa tokony hanontany an’ Andriamanitra rehefa te hahafantatra zavatra iray. Nanapa-kevitra ny hivavaka sy hanontany an’ Andriamanitra ny amin’izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana i Joseph.

Sary
I Joseph mandohalika

Indray marainan’ny lohataona dia nandeha tany an’ala teo akaikin’ny tranony i Joseph. Nandohalika izy ka nivavaka tamin’ny feo mafy. Nanana finoana izy fa hamaly ny vavaka izay hataony ny Ray any An-danitra.

Sary
I Joseph mihazona ny lohany

Tsy tian’i Satana hivavaka i Joseph. Niezaka nampijanona an’i Joseph izy ka nataony maizina ny manodidina azy rehetra. Natahotra i Joseph ka tsy afaka niteny.

Sary
I Joseph mandohalika mivavaka

Saingy tsy nitsahatra nivavaka i Joseph. Tsy afaka nampijanona azy i Satana.

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Dia nahita fahitana iray i Joseph avy eo. Nahita hazavana tsara sy namirapiratra nanodidina azy izy. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nijoro nitsingevaheva teo amboniny izy. Nanondro an’i Jesoa ny Ray any An-danitra sady niteny hoe: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”

Sary
I Jesoa

Nanontany an’i Jesoa i Joseph hoe iza no fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa tsy misy amin’izy ireo tokony hidirany ho mpikambana satria diso avokoa izy rehetra. Tsy misy Fiangonany na ny iray amin’izy ireo aza. Nilaza zavatra hafa maro tamin’i Joseph Izy. Dia tapitra ilay fahitana.

Sary
I Joseph sy ny reniny

Rehefa nody i Joseph dia nanontany azy ny reniny raha toa ka nanana olana izy. Nilaza i Joseph fa tsy nanana olana izy. Dia nolazainy tamin-dreniny avy eo fa nahita fahitana iray izy. Nolazainy azy izay nianarany tao amin’ny fahitany.

Sary
Mpitondra fivavahana mandroaka an’i Joseph

Nolazain’i Joseph tamin’ny olona sasany tao an-tanàna ihany koa ny momba ny fahitana hitany. Tsy nino azy ny olona. Nolazain’izy ireo fa nandainga izy, ka lasa tezitra sy ratsy fanahy taminy izy ireo.

Sary
I Joseph esoesoina

Nilaza ny marina hatrany momba ny fahitana hitany i Joseph. Fantany fa nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy. Fantany fa tsy nisy marina ireo fiangonana teto ambonin’ny tany.

Hamoaka printy