Scripture Stories
Olona tsara ho fantatra


Olona Tsara ho Fantatra

Abrahama

Mpaminany iray niaina taloha ela be i Abrahama. Ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy no misy ny tantaran’i Abrahama.

Bennett, John C.

Ben’ny tanàna tao Nauvoo i John C. Bennett. Nivadika tamin’i Joseph Smith izy.

Kapiteny Allen

Ny kapiteny Allen dia kapiteny iray tao amin’ny tafik’i Etazonia. Nangataka ireo lehilahy tao amin’ny Fiangonana izy mba ho ao amin’ny Andian-tafika Môrmôna.

Copley, Leman

Mpikamban’ny Fiangonana tany Kirtland, Ohio Leman Copley, izay tsy nety nizara ny taniny tamin’ireo mpikambana hafa.

Cowdery, Oliver

Nanampy an’i Joseph Smith nandika ireo takela-bolamena i Oliver Cowdery. Nanao asa maro izy hanampiana ny Fiangonana.

Elià

Namerina tamin’ny laoniny ny herin’ny fisoronana manokana tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Elià.

Elia

Mpaminany iray niaina taloha ela be i Elia. Namerina tamin’ny laoniny ny herin’ny fisoronana miavaka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy.

Enoka

Mpaminany iray niaina taloha ela be i Enoka. Nanorina ny tanànan’i Ziona. Hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ny tantaran’i Enoka.

Governora Boggs

Ny Governora Boggs no governoran’i Missouri. Tsy nety nanampy ny Olomasina izy ary namoaka didy handroahana azy ireo hialany faritany na hamonoana azy ireo.

Harris, Martin

Nanampy an’i Joseph Smith nandika ireo takela-bolamena i Martin Harris. Nariany ny pejy sasany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Hyde, Orson

Apôstôly iray i Orson Hyde. Izy no nanokana ny Tany Masina ho an’ny zanak’i Abrahama mba ho toerana honenan’izy ireo.

Indiana

Nipetraka tamin’ireo faritra rehetra tany Etazonia ireo indiana. Antsoina hoe Lamanita ireo Indiana indraindray.

Jakoba

Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolon’i Jesoa i Jakoba. Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Jaona

Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolon’i Jesoa i Jaona. Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Jaona Mpanao Batisa

Niaina tamin’ny fotoana niainan’i Jesoa teto an-tany i Jaona Mpanao Batisa. Nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa.

Kimball, Heber C.

Apôstôly iray i Heber C. Kimball. Nanao asa fitoriana tany Angletera izy.

Kimball, Sarah

Mpikambana tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany i Sarah Kimball.

Kimball, Spencer W.

I Spencer W. Kimball no Filohan’ny Fiangonana faha-12.

Knight, Newel

Nanjary narary i Newel Knight rehefa niezaka nampijanona azy tamin’ny fivavahana i Satana. Nositranin’i Joseph Smith i Newel Knight.

Lamanita

Taranak’i Lamana sy i Lemoela zanakalahin’i Lehia ny Lamanita.

Melkizedeka

Mpaminany iray niaina taloha ela be i Melkizedeka.

Môrmôna

Matetika ireo mpikamban’ny Fiangonana ho antsoina hoe Môrmôna satria mino ny Bokin’i Môrmôna izy ireo.

Môrônia

Mpaminany Nefita iray izay niaina taloha ela be tany Amerika i Môrônia. Nandevina ireo takela-bolamena tao amin’ny Havoana Komôra izy.

Mosesy

Mpaminany iray niaina taloha ela be i Mosesy. Nitarika ny Isiraelita niala avy tany Egypta izy. Namerina tamin’ny laoniny ny herin’ny fisoronana miavaka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy.

Atoa Chandler

Nivarotra horonan-taratasy vitsivitsy tamin’ireo Olomasina tao Kirtland Atoa Chandler. Teo amin’ireo horonan-taratasy ny rakitsoratr’i Abrahama.

Atoa Hale

Atoa Hale dia rain’i Emma Smith.

Noà

Mpaminany iray niaina taloha ela be i Noà.

Page, Hiram

Nilaza i Hiram Page fa nanana vato iray izay nanome fanambarana ho an’ny Fiangonana izy.

Partridge, Edward

I Edward Partridge no eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana.

Petera

Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolon’i Jesoa i Petera. Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Phelps, William W.

Nanampy nanorina sekoly tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri i William W. Phelps.

Mpamaky lay

Ny mpamaky lay dia ireo Olomasina izay namakivaky ireo lemaka nankany amin’ny Tendrombohitra Haram-bato.

Pratt, Parley P.

Nandeha nanao asa fitoriana nampianatra ny Lamanita i Parley P. Pratt.

Richards, Willard

Naman’i Joseph Smith i Willard Richards. Niaraka tamin’i Joseph tao amin’ny fonjan’i Carthage izy.

Rigdon, Sidney

Iray tamin’ireo mpanolotsaina an’i Joseph i Sidney Rigdon.

Smith, Alvin

Iray tamin’ireo zokilahin’i Joseph Smith i Alvin Smith. Maty izy. Nahita fahitana iray nisy an’i Alvin tany amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra i Joseph.

Smith, Emma

I Emma Smith no vadin’i Joseph Smith. Izy no mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana voalohany. Nanao ny fihirana ho an’ny Fiangonana izy.

Smith, Hyrum

Iray tamin’ireo zokilahin’i Joseph Smith i Hyrum Smith. Maty nisy namono tao amin’ny Fonjan’i Carthage niaraka tamin’i Joseph izy.

Smith, Joseph

I Joseph Smith no mpaminany sy Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany voalohany. Nomen’i Jesoa ireo fanambarana izay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana i Joseph Smith. Maty nisy namono tao amin’ny Fonjan’i Carthage i Joseph.

Smith, Joseph rainy

I Joseph Smith rainy no rain’i Joseph Smith.

Smith, Lucy

I Lucy Smith no renin’i Joseph Smith.

Smith, Samuel

Zandrin’i Joseph Smith i Samuel Smith. Izy no misiôneran’ny Fiangonana voalohany.

Snow, Eliza R.

Mpikambana tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany i Eliza R. Snow.

Taylor, John

Naman’i Joseph Smith i John Taylor. Niaraka tamin’i Joseph tao amin’ny fonjan’i Carthage izy. Taty aoriana dia lasa Filohan’ny Fiangonana izy.

Whitmer, David

Vavolombelona iray nahita ireo takela-bolamena i David Whitmer. Nanampy nanomboka ny Fiangonana tamin’ny 6 aprily 1830 izy.

Whitmer, Peter

Nanampy nanomboka ny Fiangonana i Peter Whitmer tamin’ny 6 aprily 1830.

Whitney, Newel K.

I Newel K. Whitney no eveka faharoa tao amin’ny Fiangonana.

Williams, Frederick G.

Iray tamin’ireo mpanolotsaina an’i Joseph Smith i Frederick G. Williams.

Young, Brigham

Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo i Brigham Young. Izy no nitarika ireo mpamaky lay. Izy no Filohan’ny Fiangonana taorian’i Joseph Smith.

Young, Phineas

Rahalahin’i Brigham Young i Phineas Young.

Hamoaka printy