Scripture Stories
Toko 51: Ireo fanafiana masina voalohany: mey 1842


Toko 51

Ireo fanafiana masina voalohany

Mey 1842

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Tempolin’i Nauvoo

Nampanantena an’i joseph Smith i Jesoa fa homeny tsodrano miavaka ny Olomasina. Antsoina hoe fanafiana masina io tsodrano io. Omena ao amin’ny tempoly ny fanafiana masina. Ireo lehilahy sy vehivavy izay mankatò ny didin’ Andriamanitra ihany no afaka mahazo ny fanafiana masina.

Sary
I Joseph mampianatra momba ny tempoly

Taty aoriana dia nivory niaraka tamin’ny lehilahy vitsivitsy sy ny vadin’izy ireo avy i Joseph Smith. Nolazainy tamin’izy ireo ireo zavatra hataon’izy ireo ao amin’ny tempoly. Dia nomena azy rehetra avy eo ny fanafiana masina.

Sary
Tempolin’ny andro maoderina

Afaka mandeha any amin’ny tempoly sy mandray ny fitahiana manokan’ny fanafiana masina ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mankatò ireo didin’ Andriamanitra. Ao anatin’ny fanafiana masina dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy ireo, ary manao fanekempihavanana amin’izy ireo koa Izy.

Hamoaka printy