Scripture Stories
Toko 13: I Joseph sy i Emma: jolay 1830


Toko 13

I Joseph sy i Emma

Jolay 1830

Sary
batisa
Sary
I Emma sy i Joseph

Nipetraka teo amin’ny tany fiompiana sy fambolena kely iray tao Pennsylvanie i Joseph sy i Emma Smith. Nifankatia izy ireo ary niasa mafy mba hifanampiana.

Sary
I Joseph sy i Emma

Niaina zava-tsarotra maro i Joseph sy i Emma. Nanana zanakalahy izy ireo, saingy nodimandry izy. Tena nalahelo izy ireo.

Sary
I Joseph mamboly masomboly

Niahiahy momba ny ankohonany i Joseph. Nahantra izy ireo, ary naniry ny hikarakara azy ireo izy. Nila namboly masomboly izy mba hananan’ny ankohonany sakafo.

Sary
I Joseph mampianatra

Nitaintaina momba ny Fiangonana ihany koa i Joseph. Nanohy nanakorontana ny Olomasina ny olona sasany, ka nila niafina ny mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph manao veloma an’i Emma

Nila nandao ny tokantranony i Joseph indraindray mba hanampiana ny Olomasina. Nalahelo i Joseph ny handao, ary nitaintaina i Emma rehefa nandeha izy.

Sary
I Joseph mandray fampiononana avy amin’ Andriamanitra

Nivavaka i Joseph hahafantarany izay tokony hatao. Nilaza taminy i Jesoa mba tsy hatahotra ireo olona izay niezaka ny handratra azy. Nilaza i Jesoa fa tokony haharitra ao amin’ny fahoriany i Joseph. Nilaza Izy fa hanampy an’i Joseph mandrakariva Izy.

Sary
Olomasina manome sakafo an’i Joseph

Nilaza i Jesoa fa tokony hamboly ny masomboliny i Joseph ary handeha hanampy ny Olomasina any amin’ny faritra hafa. Nilaza taminy ihany koa i Jesoa mba tsy hiahiahy momba ny sakafo, ny akanjo, na ny vola. Homen’ny Olomasina azy izay ho nilainy.

Sary
I Emma mampianatra vehivavy hafa

Nomen’i Jesoa fanambarana iray ho an’i Emma i Joseph. Vehivavy nofinidy i Emma Smith hoy i Jesoa. Nisafidy azy mba hanao asa manan-danja Izy.

Sary
I Emma mampahery an’i Joseph

Nilaza i Jesoa fa tokony hampahery an’i Joseph i Emma rehefa manana olana izy. Tokony hanampy azy ho faly sy tsy hitaintaina izy.

Sary
I Emma mampianatra avy ao amin’ny soratra masina

Nilaza i Jesoa fa i Emma dia tokony hampianatra ny Olomasina sy hanampy azy ireo hianatra ny soratra masina. Nolazainy fa hanampy azy hahafantatra izay zavatra hampianarina ny Fanahy Masina.

Sary
I Emma mandalina ao an-tokantrano

Nilaza ihany koa i Jesoa fa tokony hampiasa ny fotoany mba hianarana i Emma. Tokony hianatra sy hanoratra zavatra maro izy.

Sary
I Emma mikaroka ao anaty boky

Nangataka an’i Emma i Jesoa mba hisafidy hira hohirain’ny Olomasina. Hatonta ao anaty boky fihirana ireo hira ireo.

Sary
Olomasina mihira

Tian’ny Ray any An-danitra ny mandre ny olo-marina mihira. Vavaka atao Aminy ny hiran’izy ireo, ary hovaliana amin’ny fitahiana izany.

Sary
I Joseph sy i Emma

Nangataka an’i Emma mba hanetry tena sy ho tia ny vadiny i Jesoa. Nasainy nifaly izy noho ireo fitahiana izay ho tonga amin’i Joseph.

Sary
i Emma Smith

Nasain’i Jesoa niravo sy nifaly i Emma. Nasainy nitandrina ireo fanekempihavanany ihany koa izy. Raha manao izany izy dia handray fitahiana lehibe sy ho afaka ny hiverina hiara-hiaina Aminy any an-danitra.

Sary
Olomasina avy amin’ny firenena maro

Nilaza i Jesoa fa natao ho an’ny olona rehetra ny zavatra nolazainy tamin’i Emma Smith.

Hamoaka printy