Scripture Stories
Toko 6: Nomena ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver Cowdery: mey 1829


Toko 6

Nomena ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver

Mey 1829

Sary
Takela-bolamena
Sary
I Joseph manome torolalana an’i Oliver

Teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Namaky momba ny batisa izy ireo ka naniry ny hahafantatra bebe kokoa momba izany.

Sary
I Joseph sy i Oliver mivavaka

Nanapa-kevitra ny hanontany an’ Andriamanitra i Joseph sy i Oliver. Nanana finoana izy ireo fa hanampy azy ireo hianatra ny fahamarinana Izy. Tamin’ny 15 mey 1829 dia nandeha tany anaty ala izy ireo ka nivavaka.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa niseho tamin’i Joseph sy i Oliver

Tonga tamin’i Joseph sy i Oliver ny iraka iray avy any an-danitra. I Jaona Mpanao Batisa, izay nanao batisa an’i Jesoa taona maro lasa, izany. Nisy hazavana namirapiratra nanodidina azy.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa nanome ny Fisoronana Aharôna

Tonga nanome ny Fisoronana Aharôna tamin’i Joseph sy i Oliver i Jaona Mpanao Batisa. Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra. Tafiditra ao amin’ny Fisoronana Aharôna ny fahefana hanao batisa ny olona.

Sary
I Joseph manao batisa an’i Oliver

Nasain’i Jaona Mpanao Batisa hifanao batisa i Joseph sy i Oliver. Nanao batisa an’i Oliver i Joseph, dia nanao batisa an’i Joseph i Oliver. Nisitrika tanteraka tao anaty rano izy ireo rehefa natao batisa.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

Taloha ela be dia nanao batisa an’i Jesoa tamin’ny fomba mitovy amin’izany i Jaona Mpanao Batisa. Nasitrika tao anaty rano i Jesoa rehefa natao batisa.

Sary
I Joseph sy i Oliver

Heniky ny Fanahy Masina i Joseph sy i Oliver rehefa avy natao batisa izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo ny Fanahy Masina fa ho eto an-tany tsy ho ela indray ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy.

Sary
I Joseph sy i Oliver miaraka amin’ny hafa

Nolazain’i Joseph sy i Oliver tamin’ireo naman’izy ireo akaiky fa natao batisa izy ireo. Nolazainy tamin’izy ireo ihany koa ny momba ny fisoronana. Saingy tsy nilaza tamin’ny olona hafa avy hatrany i Joseph sy i Oliver. Fantatr’izy ireo fa tsy hino azy ireo ny olona sasany ary hanakorontana azy ireo.

Sary
I Petera sy i Jakoba ary i Jaona manome ny Fisoronana Melkizedeka

Taty aoriana dia nisy iraka telo avy any an-danitra tonga. I Petera sy i Jakoba ary i Jaona izany, izay telo tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa voalohany. Nanome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Petera, sy i Jakoba ary i Jaona. Antsoina ihany koa hoe ny fisoronana “ambony” izany.

Sary
Tsodranon’ny fisoronana

Vantany vao tafaverina tamin’ny laoniny ny fisoronana dia afaka nomena fahefana mba hanampy hanao ny asan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany ireo lehilahy marina. Afaka ny ho mpitarika ato amin’ny Fiangonana ireo lehilahy izay manana ny Fisoronana Melkizedeka. Afaka manome tsodrano ho an’ny olona izy ireo. Afaka manome ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo. Fitahiana lehibe ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana.

Hamoaka printy