Scripture Stories
Toko 59: Notanterahina tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo ny fanafiana masina: nôvambra 1845–febroary 1846


Toko 59

Notanterahina tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo ny fanafiana masina

Nôvambra 1845–febroary 1846

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Olomasina manangana ny Tempolin’i Nauvoo

Taorian’ny fahafatesan’i Joseph Smith dia nanohy nanangana ny Tempolin’i Nauvoo ny Olomasina. Nasain’ny Tompo nanangana ny tempoly izy ireo ka naniry ny hankatò Azy. Nanao ny ankamaroan’izany asa izany ny Olomasina na dia nohenjehina sy nahafantatra azy izy ireo fa tsy maintsy handao tsy ho ela an’i Nauvoo.

Sary
Olomasina mamita ny tempoly

Rehefa vita ny ampahany tsirairay tamin’ny tempoly dia notokanan’ny Olomasina izany ka nanomboka nampiasa izany ampahany izany izy ireo. Efa hatramin’ny 1841 no notanterahina tao amin’ny tempoly ny batisa, fony vita ny rihana ambany. Tamin’ny nôvambra 1845 dia vita ireo efitrano maromaro tao amin’ny rihana ambony ka notokanan’ny Olomasina izany mba handraisana ny ôrdônansy masin’ny fanafiana masina (jereo ihany koa ny Toko 50).

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Dodona ery ny Olomasina handray ireo ôrdônansin’ny tempoly hany ka nampiasa ny tempoly andro aman’alina izy ireo. Nandritra ireo herinandro vitsivitsy faramparany mialoha ny nandaozan’ny Olomasina an’i Nauvoo dia nanolotra ny fotoan’izy ireo rehetra i Brigham Young sy ireo hafa mba hanampiana azy ireo handray ireo ôrdônansy ireo. Tamin’ny fotoana izay nandaozan’ireo Olomasina dia saika ho 6000 tamin’izy ireo no nandray ny fanafiana masina tao amin’ny Tempolin’i Nauvo. Fitahiana lehibe ho azy ireo ireo ôrdônansy ireo rehefa niaritra ireo fitsapana sarotra nandritra ireo taona manaraka izy ireo.

Hamoaka printy