Scripture Stories
Toko 54: Andriamanitra sy ireo anjely: febroary–aprily 1843


Toko 54

Andriamanitra sy ireo anjely

Febroary–aprily 1843

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Lehilahy miresaka amin’i Joseph

Indray andro dia nisy lehilahy iray izay nilaza fa nahita anjely iray tonga mba hitady an’i Joseph Smith. Nolazain’ilay lehilahy tamin’i Joseph ny fomba fiakanjon’ilay anjely. Nolazain’i Joseph tamin’ilay lehilahy fa tsy tena nahita anjely izy satria tsy manao akanjo araka ny nofariparitan’ilay lehilahy ny anjely.

Sary
Lehilahy maneho fihetsika tezitra amin’i Joseph

Tezitra be ilay lehilahy. Nandidy ny afo mba hilatsaka avy any an-danitra handoro ny Mpaminany sy ny tranony izy. Kanefa tsy nanana ny herin’ Andriamanitra ilay lehilahy, ary tsy nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra.

Sary
I Joseph mahita fahitana momba ny anjely

Nomen’i Jesoa fanambarana iray momba ny anjely i Joseph Smith. Nolazain’i Jesoa fa ny anjely dia olona izay niaina teto an-tany, maty, ary nitsangana tamin’ny maty. Manana vatana nofo sy taolana izy ireo.

Sary
Lehilahy mijery any an-danitra

Miezaka mamitaka ny olona i Satana hoy i Jesoa. Indraindray dia ataony izay hiheveran’ny olona fa anjely izy. Miezaka mampanao zavatra ratsy ny olona izy. Kanefa ireo olo-marina dia afaka mahafantatra rehefa miezaka mamitaka azy ireo i Satana.

Sary
Anjely miaina miaraka amin’ Andriamanitra

Taty aoriana dia nilaza fahamarinana hafa momba ny lanitra tamin’ireo Olomasina i Joseph Smith. Nilaza izy fa tsy miaina amin’ny planeta iray tahaka ny tany ny anjely. Miara-miaina amin’ Andriamanitra kosa izy ireo. Nilaza ihany koa i Joseph fa ho fantatr’ireo olona any an-danitra ny zavatra rehetra nianarany teto ambonin’ny tany.

Sary
Anjely mihazona ireo lalàna any an-danitra

Nilaza i Joseph Smith fa natao tany an-danitra talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany ireo lalàn’ Andriamanitra rehetra. Misy fitahiana ho an’ny lalàna tsirairay. Tsy maintsy mankatò ilay lalàna isika mba handraisana ilay fitahiana.

Sary
I Jesoa manana vatana nofo sy taolana

Nolazain’i Joseph Smith tamin’ny Olomasina ny momba an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra. Mitovy amin’ny lehilahy iray i Jesoa ary manana vatana nofo sy taolana.

Sary
Ny Ray any An-danitra manana vatana nofo sy taolana

Manana vatana nofo sy taolana ihany koa ny Ray any An-danitra. Mitoetra any amin’ny toerana iray tsara tarehy sy manjelatra izy.

Sary
I Joseph Smith mijery ny lanitra

Nilaza ihany koa i Joseph Smith fa ny Fanahy Masina dia fanahy. Tsy manana vatana nofo sy taolana ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy