Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: “Ho tanteraka ny fampanantenana”


“26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: -Ho tanteraka ny fampanantenana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

26 aprily–2 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45

“Ho tanteraka ny fampanantenana”

Amin’ny maha-mpampianatra anao, ny fiomanana faran’izay manan-danja ataonao dia eo amin’ny lafin’ny ara-panahy. Atombohy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 sy ny fanaovana vavaka mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina izany. Manolotra hevitra izay mety hilainao ity rindran-damina ity. Mety hahita hevitra koa ianao ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ao amin’ny Liahona na ny Namana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy raha toa ka te hizara ny zavatra nianarany avy tao amin’ny soratra masina tamin’ity herinandro ity izy ireo. Mifidiana olona iray mba hizara ny zavatra nianarany ary angataho ny ankizy ambiny mba hanangana ny tanan’izy ireo raha toa ka nitovy tamin’izany ny zavatra nianaran’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32

Afaka “[mitsangana] eo amin’ny toerana masina” aho.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32, dia nampianatra ny Tompo fa ireo mpianany dia hahazo fiarovana amin’ny andro farany amin’ny alalan’ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina, izay toerana tena manan-danja ho an’ny Tompo. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra ireo toerana masina eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Apetraho any amin’ny faritra samihafa ao anatin’ny efitrano ny sarina trano iray sy trano fiangonana iray ary tempoly iray. Manomeza fanazavan-dalana izay mamaritra ireo toerana ireo ary asao ny ankizy mba hijoro eo akaikin’ilay sary izay faritanao. Vakio ny andalana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32. Mijoroa ho vavolombelona fa voatahy isika rehefa manokana fotoana ho ao amin’ireo toerana masina toy ny tokantranontsika, ny trano fiangonantsika ary ny tempoly. Angataho ny ankizy mba hiresaka mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa any amin’ny toerana masina tahaka an’ireo izy ireo.

  • Asao ny ankizy mba hamita ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Ampio izy ireo hanoratra ny hoe “Afaka manampy ny tokantrano misy ahy aho mba ho lasa toerana masina” sy ny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32” eo amin’ny sarin’izy ireo. Inona no azon’izy ireo atao mba hanampiana ny tokantrano misy azy ireo ho lasa toerana masina?

  • Mba hanampiana ny ankizy hieritreritra ny dikan’ny hoe “tsy hoesorina,” dia angataho izy ireo mba hitsangana ka tsy hihetsiketsika mandritra ny iray minitra. Vakio ny andalana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny “[mitsangana] eo amin’ny toerana masina … ary tsy hoesorina” dia midika hoe, misafidy ny tsara amin’ny fotoana rehetra na inona na inona mitranga. Asao izy ireo mba hanao izay “[tsy hanesorana]” ireo eritreritra sy fihetsika tsara eo amin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44–45

Ho avy indray i Jesoa Kristy.

Rehefa naheno ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ireo Olomasina tany Kirtland, Ohio, izay miresaka momba ny andro farany sy ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, dia noraisin’izy ireo tamim-pifaliana izany. Diniho ny fomba hahafahanao manampy ny ankizy mba hiomana amim-pifaliana amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa fantatr’izy ireo fa hisy olona iray manokana hitsidika azy ireo, toy ny raibe na renibe iray na namana iray. Ahoana no fomba hiomanan’izy ireo amin’izany fitsidihana izany? Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy iray, ary vakio ny ampahan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44–45 na izy rehetra. Lazao ny ankizy ny zavatra tsapanao mikasika ny fiavian’ny Mpamonjy indray ary avelao izy ireo hizara ny zavatra tsapan’izy ireo.

  • Mampisehoa sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), dia angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa mahita ilay sary. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ho avy indray i Jesoa Kristy.

  • Mihirà hira iray mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47). Ampiasao ilay hira mba hifanakalozana hevitra mikasika ireo fomba ahafahantsika miomana amin’ny fiavian’i Jesoa indray, toy ny hoe fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny famelana ny hazavantsika mba hamiratra ho an’ny hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5

I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray.

Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy mba hanamafy orina ny finoan’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Mpisolovava azy ireo? Ahoana no fomba nahafantaranao manokana an’izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Manorata teny na andian-teny maro hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5 eo amin’ny taratasy kely misaratsaraka. Omeo fotoana ny ankizy handalinana ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo, ary asao izy ireo avy eo mba hanakatona ny soratra masin’izy ireo ka handamina ireo teny eo amin’ireo taratasy kely araka ny filaharany ao anatin’ilay andininy. Araka ireo andininy ireo, dia inona no nolazain’ny Mpamonjy mba hiarovana ny tombontsoantsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra?

  • Ampio ny ankizy hahafantatra ny famaritana ny teny hoe mpisolovava, mety hoe amin’ny alalan’ny fijerena izany ao amin’ny rakibolana. Inona no nataon’ny Mpamonjy mba nahafahany ho lasa Mpisolovava antsika? Zarao ny zavatra tsapanao momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika, ary omeo fahafahana ny ankizy hizara ny zavatra tsapan’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fahazavana ho an’izao tontolo izao.

Ampio ny ankizy ampianarinao mba hieritreritra ireo fomba hanomanan’ny filazantsara an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina jiro sy saina iray, na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe izany. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9 ary hieritreritra ireo fomba mahatonga ny filazantsara ho toy ny fahazavana, sy faneva ary mpitondra hafatra. Afaka manazava ianao fa fahiny ny faneva dia saina nentina tany an’ady. Nanampy ireo miaramila hahafantatra ny toerana hivondronana sy ny zavatra hatao izany.

    Sary
    Ny Kapiteny Môrônia mihazona ny Fanevan’ny Fahafahana

    Fanevan’ny Fanafahana, nataon’i Larry Conrad Winborg

  • Ampio ny ankizy hitadidy ny ampahan’ny andininy 9 na izy iray manontolo amin’ny alalan’ny fanoratana izany eny amin’ny solaitrabe sy famafana teny vitsivitsy isaky ny mandeha.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:37–38

Ho avy indray i Jesoa Kristy.

Mety hampahatahotra ny ankizy ny mamaky zavatra mikasika ny ady sy ny faharatsiana ary ny faharavana izay nolazaina tao anatin’ny faminaniana fa hiseho mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hiandrandra amim-pifaliana izany andro nampanantenaina izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny fomba ahafantarany fa manakaiky ny tonontaona iray. Inona avy ireo famantarana tadiavin’izy ireo? Hazavao fa toy ny isian’ireo famantarana ny tonontaona vaovao iray no isian’ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:37–38. Inona no nolazain’i Jesoa mikasika ny ho endrik’ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany? Mba hanampiana ny ankizy hahita ireo famantarana tokony hotadiavintsika ireo dia asaivo vakin’ny ankizy tsirairay (na vondron’ankizy iray) ireo andininy vitsivitsy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 izay mamaritra ireo famantarana ireo. Azo ampiasaina ny andininy 26–27, 31–33, 40–42 mba hahitana ohatra. Omeo fahafahana ireo ankizy hizara ny zavatra hitany. Inona amin’ireo famantarana ireo no eo andalam-pahatanterahana ankehitriny?

  • Soraty eo amin’ny taratasy misaratsaraka ny sasany amin’ireo fampanantenana mahakasika ireo zavatra hitranga any aoriana any izay hitanao ao anatin’ny fandalinanao ny fizarana 45. Ny sasany amin’ireo fampanantenana ireo dia hita ao amin’ny andininy 44–45, 51–52, 55, 58–59, 66–71. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo andininy izay ahitana ireo fampanantenana. Omeo taratasy ny ankizy ary angataho izy ireo mba hampiasa ny soratra masin’izy ireo mba hampifandraisana ireo andininy eny amin’ny solaitrabe amin’ireo fampanantenana. Ifanakalozy hevitra ny dikan’ireo fampanantenana ireo ary asao ny ankizy mba hizara ireo fampanantenana izay manampy azy ireo hahatsapa fientanentanana mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo mpianatra hieritreritra zavatra iray nianaran’izy ireo nandritra ny fotoam-pianarana izay azon’izy ireo zaraina amin’ny fianakavian’izy ireo. Angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra tian’izy ireo hozaraina any an-trano.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hamantatra ny Fanahy. Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia lazao azy ireo ny fotoana ahatsapanao ny Fanahy Masina. Resaho ny mikasika ny fomba hamantaranao ny fanatrehany. Ohatra, mety mahatsapa fahatoniana na fifaliana ianao rehefa mihira hira momba ny Mpamonjy. Ny famantarana ireo fahatsapana ireo dia hanampy ny ankizy hahatsikaritra ny fotoana hahatsapan’izy ireo ny Fanahy.

Hamoaka printy