Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia fahazavana”


“10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: -Izay avy amin’ Andriamanitra dia fahazavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
kamory amin’ny fiposahan’ny masoandro

10–16 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana”

Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50, dia tadiavo ireo hafatra na fitsipika izay tsapanao fa hanan-danja manokana amin’ireo ankizy ampianarinao. Misy hafatra na fitsipika vitsivitsy aroso ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ampio ny ankizy hiresaka ny amin’ny maha-toy ny mpiandry tsara an’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:12–14

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Ampio ireo ankizy hahatakatra fa afaka manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo amin’ny alalan’ny finoana Azy, fibebahana, fanaovana batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina dian-tongotra vita taratasy sy sary efatra maneho ny finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, fanaovana batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49: 12–14, ary asaivo tondroin’ireo ankizy ny sary marina rehefa voatonona ao amin’ireo andininy ireo ny tsirairay avy amin’ireo teny mifandray amin’ireo sary. Avelao ny ankizy hanampy anao hametraka ireo dian-tongotra eo amin’ny tany miaraka amin’ireo sary mifanila amin’izy ireo, ary asao ny ankizy hifandimby handeha eo ambonin’ireo dian-tongotra. Mijoroa ho vavolombelona fa manaraka an’i Jesoa Kristy isika rehefa manao ireo zavatra eo amin’ireo sary ireo.

  • Ampiasao ny pejin’ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanamboarana saribakoly ahetsiketsika amin’ny ratsan-tanana iray izay afaka manampy ny ankizy hianatra ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, fanaovana batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25

Afaka ny hitombo hatrany hatrany ny hazavan’ny fahazavana ara-panahy ananako.

Mety ho sarotra amin’ny ankizy kely ny hahatakatra ireo foto-kevitra ilaina takarina lalina an-tsaina toy ny fahamarinana sy fanahy saingy ny fampitahana azy ireo amin’ny fahazavana, toy ny nataon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25, dia mety hanampy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova atrikasa iray izay maneho ny fomba ahafahan’ny fahazavana ara-panahy ananantsika hitombo hatrany hatrany. Azonao atao ny mampiseho sarin-javatra izay manome hazavana (toy ny labozia, takamoa [ampoule], sy ny masoandro) ka avelao ny ankizy handahatra azy ireo arakaraka ny halehiben’ny hazavana entin’izy ireo. Na asao ny ankizy hody hanao hoe mihamazava izy ireo amin’ny alalan’ny famoretana ny vatana, dia mitsangana tsimoramora sy maninjitra ambony ny tanan’izy ireo. Ampio izy ireo hieritreritra ireo zavatra tsara azon’izy ireo atao mba hahatonga ny fahazavana ara-panahy ananan’izy ireo ho mazava kokoa.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray mikasika ny fahazavana ara-panahy, toy ny “Mamiratra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 96). Mijoroa ho vavolombelona momba ny fomba nanampian’ny Ray any An-danitra anao hampitombo hatrany hatrany ny hazavanao. Lazao amin’ireo ankizy ny hazavana hitanao ao amin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41–44

Tian’i Jesoa Kristy aho.

I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara. Ondriny isika ary tiany isika tsirairay. Inona no hanampy ny ankizy ampianarinao mba hahatsapa ny fitiavany azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy iray miaraka amin’ny ankizy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 47, na 84, na 116), dia anontanio ny ankizy ny fomba ahafantaran’izy ireo fa tia ny ankizy i Jesoa. Zarao ny fomba ahafantaranao fa tia anao sy ny ankizy tsirairay ao amin’ny kilasy ampianarinao i Jesoa.

  • Manaova ondry vita amin’ny taratasy dia soraty eo amin’izany ny anaran’ireo ankizy ao an-dakilasy ka afeno manerana ny efitrano fianarana ireo ondry vita amin’ny taratasy. Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy ary vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 50:41–42. Ampio ny ankizy hahatakatra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny zavatra tsapan’i Jesoa Kristy momba azy ireo. Avelao izy ireo hikaroka ireo ondry manerana ny efitrano ary hametraka azy ireo eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarin’i Jesoa mba “tsy hisy ho very ireo” (andininy 42).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:12–14

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Mila antsika rehetra ny Tompo hampianatra ny hafa mba hahafahan’izy ireny manatona Azy amin’ny alalan’ny fananana finoana, fibebahana, fanaovana batisa, ary fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Asa atao azo tanterahina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Mety ho sendra ny fampahalalana mampisafotofoto saina momba ny fanambadiana ny ankizy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 dia afaka manampy azy ireo mba hahatakatra ny fahatsapana ananan’ny Tompo momba ny fanambadiana.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa ny Shakers dia vondrona iray nino fa tsy tokony hanambady ny olona (jereo ny sasin-teny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49). Asao ny ankizy hitady ireo zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fanambadiana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17.

  • Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ilay andian-teny hoe “ny fanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra.” Asao izy ireo hiara-hiasa tsiroaroa hampitaha ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 amin’ireo andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny “Ny Fianankaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Nahoana no manan-danja lehibe amin’ny Ray any An-danitra ny fanambadiana?

  • Iaraho mihira ny andininy faharoa ao amin’ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98) na hira iray hafa momba fianakaviana. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo miomana ny hanambady any amin’ny tempoly indray andro any sy hanana fianakaviana mandrakizay.

    Sary
    mpivady eo ivelan’ny tempoly

    Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46

I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46 dia ahitana sarinteny izay afaka manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny fahatsapana ananan’ny Mpamonjy momba azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova kilalao fampifandraisana hampiasana ireo andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46. Ohatra, azonao soratana eo amin’ny karatra izay mifandray amin’ny karatra iray hafa misy ny hoe “fa Ahy ianareo,” (andininy 41) ny teny hoe “Aza matahotra rankizy.” Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46. Avy eo dia ampifangaroy eo amin’ny tany na eo ambony latabatra, na eo amin’ny solaitrabe ireo karatra, dia asaivo ampifandraisan’ny ankizy ireo andian-teny. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba an’i Jesoa Kristy?

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny maha-toy ny mpiandry tsara ny Mpamonjy dia angataho izy ireo hiara-hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46 . Alefaso ilay horonan-tsary hoe “Jésus enseigne la parabole des brebis égarés” (ChurchofJesusChrist.org), ary angataho izy ireo hitady zavatra ao amin’ilay horonan-tsary izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra novakin’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanavotan’i Jesoa antsika? Ahoana no ahafahantsika ho mpiandry tsara ho an’ny hafa?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Manomàna taratasy kely ho an’ny ankizy tsirairay avy izay ahitana ireto teny ireto: Anontanio ahy ny momba ny. Avelao ny ankizy hameno ny banga amin’ny zavatra izay nianaran’izy ireo nandritra ny fotoam-pianarana (ampio izy ireo raha ilaina) ary paingory eo amin’ny akanjon’izy ireo ilay taratasy kely mba hitarihana fifanakalozan-kevitra any an-tokantrano.

Manatsara ny fampianarantsika

Ovao ny asa atao araka ny taonan’ireo ankizy ampianarinao. Rehefa mihalehibe ny ankizy dia manana zavatra misimisy kokoa hoentina mandray anjara ao amin’ny kilasy. Niaina zavatra misimisy kokoa izy ireo ary angamba mety ho mahay maneho kokoa ny hevitr’izy ireo. Rehefa mampianatra ankizy kely kosa ianao dia mety ho ilainao ny manazava bebe kokoa noho ny amin’ny ankizy lehibe. Omeo fahafahana mandrakariva ny ankizy handray anjara avy amin’ny ezaka ataony manokana ary avy eo dia ampio izy ireo raha ilaina.

Hamoaka printy