“17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51-57: -Mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga
17–23 mey
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57
“Mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry”
Ankoatra ireo hevitra natolotra ato, dia mety hibitsika aminao ny Fanahy mba hifantoka amina zavatra hafa avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57 izay mety manan-danja ho an’ny ankizy ampianarinao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Avelao ny ankizy izay te hizara ny zavatra ianarany mba hisintona tarehimarika iray avy ao anaty boaty iray mba hamantarana ny filaharana misy azy ireo rehefa hizara izy ireo.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9
Afaka ny ho marin-toetra aho.
Maro ireo ankizy kely izay mbola mianatra ny dikan’ny hoe miteny ny marina. Diniho ny fomba ahafahanao manamafy ny maha-zava-dehibe ny firesahana sy ny fanaovana zavatra amim-pahamarinan-toetra.
Asa atao azo tanterahina
-
Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9: “Aoka ny olona tsirairay hifampitondra amim-pahamarinana” (jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:13). Anontanio ireo ankizy raha hain’izy ireo ny atao hoe marin-toetra. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra tsara kokoa izany dia omeo ohatra ana fihetsika maneho fahamarinan-toetra izy ireo.
-
Mizarà tantara tsotra vitsivitsy momba ireo ankizy izay tsy maintsy niatrika ny fandraisana fanapahan-kevitra ny ho marin-toetra, toy ny fanapahan-kevitra hiaiky rehefa nanao zavatra tsy mety izy ireo. Mampiasà sary na ba kiraro atao miendrika saribakoly ahetsiketsika, na saribakoly vita amin’ny taratasy mba hampahaliana kokoa an’ireo tantara. Anontanio ireo ankizy raha marin-toetra na tsia ireo olona ireo.
-
Mihirà hira iray momba ny fahamarinan-toetra, toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao” (Bokin-kiran’ny ankizy,81). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan-toetra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1
Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia raisina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.
Voalaza im-betsaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57 ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Mety fotoana tsara hampianarana ny ankizy mikasika io ôrdônansy io izany.
Asa atao azo tanterahina
-
Mampisehoa sarina ankizy iray raisina ho mpikambana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.105). Angataho ny ankizy mba hamaritra ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary. Angataho izy ireo mba hitehaka rehefa maheno ny hoe “hametra-tanana” na “fametrahan-tanana” rehefa mamaky ny iray na ny maro amin’ireto andininy manaraka ireto ianao: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1.
-
Resaho amin’ny ankizy ny fotoana nandraisanao ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana taorian’ny batisanao. Ampio ny ankizy mba hiandrandra ny handray manokana izany fanomezana izany. Iaraho ifanakalozana hevitra amin’izy ireo ny momba ireo fomba ahafahantsika manasa ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika.
-
Hirao ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56) na hira iray mitovitovy amin’izany. Asongadino ireo teny na andian-teny izay mampianatra mikasika ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:4–6
Tokony hanaja foana ireo fampanantenana nataoko aho.
Nanao fanekena mba hamela ireo Olomasina avy any Colesville, New York, hipetraka eo amin’ny taniny any Ohio i Leman Copley. Saingy rehefa tonga izy ireo dia tsy notanany ny fanekena nataony ary nasainy niala izy ireo.
Asa atao azo tanterahina
-
Zarao amin’ny ankizy ny zavatra nitranga tamin’ireo Olomasina izay tonga mba hipetraka teo amin’ny tanin’i Leman Copley (jereo ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54; jereo koa ny “Chapitre 21: Le Prophète se rend au Missouri,” Histoires Des Doctrine et Alliances, 81–83). Ampio izy ireo hieritreritra ny mety ho zavatra tsapan’ireo Olomasina rehefa tsy nitana ny fampanantenana nataony i Leman.
-
Zarao roa ny taratasy iray miendrika sarina fo, ary omeo ankizy roa samy hafa ny silak’izany tsirairay. Angataho izy ireo mba hanambatra ireo silany nomena azy ireo mba hahatonga izany ho fo iray. Avelao ny ankizy hifandimby hihazona ny silak’ilay fo. Ampio ny ankizy hampitaha izany amin’ireo fampanantenana na fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra. Hanaja foana ny anjara fanekempihavanana nataony Andriamanitra rehefa manaja ny anjarantsika isika.
-
Ampahatsiahivo ny ankizy fa rehefa hatao batisa izy ireo dia hanao fanekempihavanana na fampanantenana mba hankatò ireo didin’ Andriamanitra. Vakio amin’izy ireo avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:6 ny fitahiana omen’ny Tompo an’ireo olona izay mitandrina ny fanekempihavanany.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:19; 55
Afaka mampiasa ireo fitahiana nomen’ Andriamanitra ahy aho mba hitahiana ny hafa.
Nomen’ny Tompo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana isika tsirairay izay azontsika ampiasaina mba hanorenana ny fanjakany.
Asa atao azo tanterahina
-
Afeno any amin’ny faritra samihafa ao anatin’nyy efitrano ireo teny hoe “mahatoky,” “marina,” ary “hendry”. Angataho ny ankizy mba hitady ireo teny ao amin’ilay efitrano ary avy eo hitady azy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:19. Iaraho vakina ilay andininy ary resaho ny mikasika ny dikan’ny hoe mpitantan-draharaha. Raha ilaina dia iaraho vakina ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny “Mpitantan-draharaha, Fitantanan-draharaha” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
-
Lazao amin’ny ankizy ny momba an’i William W. Phelps, izay mpanonta printy gazety nialoha ny nandrenesany ny filazantsara sy nifindrany tany Kirtland. Angataho ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:1–4 ary hitanisa ny zavatra tian’ Andriamanitra hataon’i William. Inona amin’ireo zavatra ireo no mety miantefa amintsika rehetra ary inona no miantefa manokana amin’i William noho ireo talentany? Angataho ny ankizy hitady ireo talenta hitan’izy ireo eo amin’ny izy samy izy ary hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ireo talenta ireo mba hanompoana an’ Andriamanitra sy ny zanany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19
Manana lamina mba hanampiana ahy tsy ho voafitaka Andriamanitra.
Ao anatin’ireo andininy ireo dia nanolotra lamina ny Tompo mba “tsy ho azo fitahin’[ireo mpampianatra sandoka sy hafatra sandoka isika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14).
Asa atao azo tanterahina
-
Mampisehoa karazana lamina arahina iray amin’ny ankizy (toy ny lamina iray arahina amin’ny fanjairana akanjo na fanamboarana zavatra iray), ary resaho ny antony ilana lamina arahina. Mba hanampiana ny ankizy hianatra lamina iray avy amin’ny Tompo dia soraty eo amin’ny solaitrabe ny andian-teny toy izao: Koa izay , dia izy no , Izay dia izy no , ary izay dia tsy . Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:15–18 ary hameno ny banga. Nahoana no manampy antsika izany lamina izany? (jereo ny andininy 14, 19).
-
Manaova sary tsotra ary asao ny ankizy hanaraka ny lamina narahinao mba hanaovan’izy ireo sary mitovy amin’izany. Iaraho dinihina amin’izy ireo ny lamin’ny Tompo voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54
Tokony hitandrina foana ireo fanekempihavanako aho.
Na dia antsika manokana aza ireo fanekempihavanantsika, dia afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fahatokiana asehontsika amin’ny fitandremana azy ireo. Maneho izany fahamarinana izany ny tantaran’i Leman Copley sy ireo Olomasina avy any Colesville, New York.
Asa atao azo tanterahina
-
Zarao amin’ny ankizy ny zavatra nitranga rehefa nanorim-ponenana teo amin’ny tanin’i Leman Copley ireo Olomasina avy any Colesville, New York (jereo ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54; jereo koa ny “Chapitre 21: Le Prophète se rend au Missouri,” Histoires Des Doctrine et Alliances, 81-82). Inona no ho tsapanao raha iray tamin’ireo Olomasina ireo ianao ary nahita fa tsy nitana ny fanekena nataony mba hanome ny taniny i Leman? Inona no ampianarin’io tantara io antsika mikasika ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika? Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:6 mba hahafantarana ny fitahiana iray izay omen’ny Tompo an’ireo izay mitandrina ireo fanekempihavanany.
-
Ampahatsiahivo ny ankizy ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’izy ireo natao batisa (jereo ny Môzià 18:8-10). Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba hitandreman’izy ireo ireo fanekempihavanana ireo ary ampio izy ireo hahita ny fomba hanomanan’izany azy ireo mba hanao fanekempihavanana fanampiny amin’ny ho avy.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Raha toa nankafizin’ny ankizy ny iray tamin’ireo asa natao androany dia toroy hevitra izy ireo mba hamerina izany any an-trano miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.