Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59: “Hazoto hirotsaka amin’ny asa tsara”


“24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59: -Hazoto hirotsaka amin’ny asa tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Sary
araben’i Independence, Missouri

Independence, Missouri, nataon’i Al Rounds

24–30 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59

“Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59 ianao, dia raketo ireo fahatsapana voarainao. Ireny fahatsapana ireny dia afaka hanampy anao hiomana hampianatra ny ankizy ny fotopampianatra nianaranao. Mety hahita hevitra ihany koa ianao ao anatin’ny rindran-damin’ity lesona ity, na ao anatin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, na koa ao anatin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny zavatra nataony nandritra ny herinandro mba hianarana avy ao amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28

Nanome ahy hery ahafahana misafidy ny Ray any An-danitra.

Ampio ny ankizy hahafantatra fa ny Ray any An-danitra dia maniry ny hanaovantsika safidy tsara izay mitondra fahasambarana ho an’ny fiainantsika sy ny an’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Mamakia andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28 izay hanampy ny ankizy hahatakatra fa afaka misafidy ny hanao ny tsara izy ireo. Asio sarina tarehy faly eny amin’ny faritra iray ao amin’ny efitrano ary sarina tarehy malahelo iray eny amin’ny faritra iray hafa ao amin’ny efitrano. Inona no tsapantsika rehefa misafidy ny hanao ny tsara isika? Milazalazà toe-javatra maromaro ahitana safidy tsara na safidy ratsy mifanaraka amin’ny tsirairay avy amin’ireo sarina tarehy faly sy malahelo ireo. Aorian’ny famariparitana toe-javatra tsirairay sy ny safidy mifanaraka amin’izany dia asao ny ankizy hijoro eo akaikin’ilay tarehy faly raha tsara ilay safidy ary hijoro eo anilan’ilay tarehy malahelo raha ratsy ilay safidy.

  • Ampisehoy ny ankizy ny boaty iray misy pensilihazo miloko isan-karazany. Ampisehoy azy ireo ny boaty faharoa izay tsy misy afa-tsy pensilihazo iray fotsiny. Anontanio ny ankizy hoe iza amin’ireo boaty ireo no tian’izy ireo hampiasaina. Satria nahoana? Hazavao fa ny fahafahana misafidy dia fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia maniry ny hanaovantsika safidy tsara.

  • Tantarao ny ankizy ny momba ny fotoana iray nanaovanao safidy tsara ary lazalazao amin’izy ireo ny zavatra tsapanao taorian’izany. Asao ny ankizy mba hanao sary iray maneho ny tantaranao na ny tantaran’izy ireo manokana. Avy eo dia avelao izy ireo hampiseho amin’iray kilasy ny sary nataon’izy ireo sy hilaza ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ilay tantara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:7

Tian’ny Ray any An-danitra aho mba hahay hankasitraka.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fankasitrahana ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azon’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao ny ankizy ny zavatra izay maha-velom-pankasitrahana anao ary asao izy ireo hizara ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana azy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:7, dia ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo misaotra ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azon’izy ireo. Inona no azon’izy ireo amboarina mba hoentina mody ka hampahatsiahy azy ireo ny hisaotra ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azon’izy ireo?

  • Iaraho mihira ny hira iray mikasika ny fankasitrahana, toy ny “Midera Anao ‘zahay” (Bokin-kiran’ny ankizy,18). Asao ny ankizy hanolo ireo teny ao amin’ilay hira amin’ireo zavatra hafa izay maha-velom-pankasitrahana azy ireo.

  • Omeo fahafahana ny ankizy hanao sary ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–12

Andron’ny Tompo ny andro Sabata.

Rehefa mizara ny fifaliana hitanao tamin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ianao dia azonao atao ny manampy ny ankizy hahita ny Sabata amin’ny maha-andro izay hanompoantsika ny Tompo izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà sary na zavatra azo tsapain-tanana izay maneho ireo zavatra tsara azontsika atao mandritra ny andro alahady mba hitsaohana ny Tompo sy hahitana fifaliana. Ahitana hevitra vitsivitsy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–12 sy ny “Respect du jour de sabbat” (Jeunes, soyez forts, 30–31). Ohatra, mba hanehoana ny fanasan’ny Tompo dia azonao atao ny mampiseho ny sary, 108 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny kaopy kelin’ny fanasan’ny Tompo sy sombi-mofo kely. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny tsirairay avy amin’ireo zavatra ireo antsika hanatona bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ny Sabata?

  • Iaraho mameno miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hahitan’izy ireo hevitra amin’ny fanaovana ny Sabata ho andro masina.

    Sary
    mofo sy kaopin’ny fanasan’ny Tompo

    Manampy antsika hanaja ny andro Sabata ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28

Ny fahafahana misafidy dia ny hery ahafahana misafidy.

Nomen’ Andriamanitra hery ahafahana misafidy isika ka amin’ny alalan’izany hery izany dia afaka ny “hahatonga fahamarinana fatratra” isika (andininy 27). Inona no azonao hatao hanampiana ny ankizy ampianarinao hahita fa na dia feno faharatsiana aza eo amin’izao tontolo izao dia “ao amin’[izy ireo] ny hery” mba “[hanaovana] ny tsara”? (andininy 28).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa taratasy iray ahitana ny soratra hoe safidy eo amin’ny ilany iray ary ny teny hoe vokatra eo amin’ny ilany hafa. Hazavao fa misy vokany manaraka ho azy ireo safidy atao. Asao ny ankizy handray ilay taratasy mba hampisehoana azy ireo fa rehefa mandray ilay taratasy ianao dia sady manao safidy no mandray ny vokatr’izany safidy izany. Asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28. Inona no safidy izay azontsika atao mba “hahatonga fahamarinana maro” na vokatra tsara? (andininy 27). Oviana isika no nanao safidy tsara ka nitondra vokatra tsara izay nitahy ny hafa?

  • Manorata amin’ny taratasy misaratsaraka andian-teny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28 ary omeo iray avy ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo hamaky mangina ireo andininy ireo ary hisaintsaina ny andian-teny azon’izy ireo. Asao ny ankizy hipetraka arakaraka ny fipoitran’ny andian-tenin’izy ireo ao amin’ny andininy 27–28 ka hifampizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Inona no hafatry ny Tompo ho antsika ao amin’ireo andininy ireo?

  • Mihirà hira momba ny safidy, toy ny “Bien Choisir” (Cantiques, no. 154). Mametraha fanontaniana mba hanampiana ny ankizy hisaintsaina ny tonon’ilay hira. Ohatra, Iza no manampy anao mba hanao safidy tsara? Iza no miezaka ny manao izay hanaovanao safidy ratsy? Inona no zavatra tsapanao rehefa manao safidy tsara ianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–16

Andron’ny Tompo ny andro Sabata.

Niteny ny Tompo fa ny fanajana ny andro Sabata dia manampy antsika “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9). Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanaja ny Sabata sy hanao izany ho mariky ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–16, ary angataho ny vondron’olon-droa tsirairay hanoratra ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny andro Sabata avy tao amin’ny andininy tsirairay. Rehefa afaka minitra maromaro dia asao ny vondron’olon-droa tsirairay avy hizara amin’iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo. Noho ny zavatra nianarantsika dia inona amin’ny zavatra fanaontsika mandritra ny Sabata no hovaintsika?

  • Manomàna kilalao fampifandraisana tsotra iray izay hampifandraisan’ny ankizy ireo andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–16 amin’ireo andininy marina. Misafidiana andian-teny izay mampianatra ny zavatra tian’ny Tompo hataontsika mandritra ny Sabata. Ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny andron’ny Tompo sy ny fomba ahafahantsika manakaiky Azy kokoa.

  • Ny Sabata dia “andron’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:12), andro hanehoana fa isika dia mahatsiaro ireo asa maro nataon’ny Tompo rehefa mitsaoka Azy isika (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Sabata”). Ampio ny ankizy hisaintsaina ireo asa ireo amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary ampisehoy azy ireo ny sary mifandray amin’izany: Genesisy 2:1–3 (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 3); Jaona 20:1–19 (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 59). Inona avy ireo asa lehibe hafa nataon’ny Tompo azontsika tsaroana mandritra ny andro Sabata? Inona ihany koa no ianarantsika momba ny Sabata avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–16?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra azon’izy ireo atao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoreno ny fahatokisan-tenan’ny ankizy. Ny ankizy sasany dia mety tsy hahatsapa ho afaka hianatra samirery ny filazantsara. Omeo fampanantenana ny ankizy fa hanampy azy ireo hianatra ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy