Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
31 mey–06 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: “Eo an-tanako ny nofo rehetra”


“31 Mey–06 Jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: -Eo an-tanako ny nofo rehetra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“31 Mey–06 Jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Reniranon’i Missouri

Afon-dasy teo Missouri, nataon’i Bryan Mark Taylor

31 mey–06 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

“Eo an-tanako ny nofo rehetra”

Tsarovy fa ny fiomananao tsara indrindra mba hampianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 dia ho tonga avy amin’ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana an’ireo fizarana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo fahafahana ny ankizy tsirairay mba hizara ny zavatra nianarany avy amin’ny soratra masina nandritra ny herinandro lasa na nandritra ny kilasin’ny Kilonga tamin’ny alahady lasa teo. Isaky ny avy mizara ny ankizy iray dia angataho ny ankizy iray hafa ao amin’ny kilasy mba hamintina izay nozarain’ilay ankizy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:4; 61:1–2, 36; 62:1

Mampianatra ahy momba an’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 dia ahitana fanambarana maro izay afaka manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra hoe iza i Jesoa Kristy sy hampitombo ny fitiavan’izy ireo Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy anankiray ary angataho ny ankizy mba hizara ny antony itiavan’izy ireo an’i Jesoa. Makà andian-teny vitsivitsy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 izay mampianatra anao mikasika ny Mpamonjy ary zarao amin’ny ankizy izany (jereo mba hahitana ohatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:4; 61:1–2, 36; 62:1). Ampio ny ankizy hamerina miaraka aminao ireo andian-teny. Zarao ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Mampisehoa sary vitsivitsin’i Jesoa nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.34–61). Avelao ny ankizy hanampy anao hanazava ny zavatra nataon’i Jesoa eo amin’ny sary. Ahoana no fomba ampisehoany ny fitiavany an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra? Lazao amin’ny ankizy ny iray amin’ireo soratra masina tianao indrindra izay mampianatra momba an’i Jesoa.

  • Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41). Eo am-pihiranareo mikasika ireo fomba ahafahana ho toa an’i Jesoa, dia mijanòna indraindray ary angataho ny ankizy mba hameno ilay fehezan-teny hoe “Afaka ny ho toa an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny …”

    Sary
    ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty

    Noho izany antony izany no efa nahatongavako, nataon’i Yongsung Kim

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:3

Tian’i Jesoa Kristy hizara ny filazantsarany aho.

Tian’ny ankizy ny mizara amin’ny hafa ny zavatra fantatr’izy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa mizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny filazantsara izy ireo, dia faly amin’izy ireo ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa nangatahan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba hanao dia miala avy ao Kirtland, Ohio, mankany Jackson County, Missouri. Nangatahiny izy ireo mba hitory ny filazantsara eny an-dalana eny sy rehefa mody. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:3, ary angataho ny ankizy mba hihaino ny zavatra nataon’ireo misiônera izay nahafaly ny Tompo. Mijoroa ho vavolombelona fa faly amintsika ny Tompo rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika.

  • Ampio ny ankizy hanamboatra marika apetraka eo amin’ny tratra izay mampiseho fa te ho misiôneran’ny Fiangonana izy ireo. Avelao izy ireo hanao ny marika apetraka eo amin’ny tratra izay azy ireo ary hanao fanazaran-tena hifampizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

  • Miaraha mihira hira iray mikasika ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy,90). Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo lazaina raha toa misy olona iray manontany azy ireo ny zavatra tian’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra izay tian’izy ireo momba ny filazantsaran’i Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7, 13; 62:3, 9

Afaka manokatra ny vavako aho mba hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Afaka ny hahery vaika toy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olon-dehibe ny an’ny ankizy, satria ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy tonga avy amin’ny taonan’ny olona iray na avy amin’ny zavatra niainana, fa avy amin’ny Fanahy Masina. Ampio ny ankizy hanana fahatokian-tena fa afaka manokatra ny vavany izy ireo ary mizara amin’ny hafa ny zavatra fantany fa marina.

Asa atao azo tanterahina

  • Inona avy ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 62:3, 9 ho an’ireo izay mizara ny filazantsarany? Mitahy ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fizarana ny filazantsara? Hevero ny hizara zavatra iray niainanao teo amin’ny fiainanao rehefa nizara ny filazantsara ianao. Inona avy ireo fitahiana tonga avy amin’ireo ezaka nataonao? Asao ny ankizy mba hizara izay zavatra niainany. Azonao atao koa ny mihira hira iray momba ny asa fitoriana, toy ny “Allons avec foi” (Cantiques, no. 173), ary miresaka momba ireo fitahiana voalaza ao anatin’izany hira izany.

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ireo toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara amin’ireo namany. Ohatra, inona no holazain’izy ireo raha toa misy olona iray manontany azy ireo hoe nahoana izy ireo no mandeha miangona? Na ahoana raha misy namana iray mahita azy ireo mamaky ny Bokin’i Môrmôna ka mametraka fanontaniana? Inona no holazain’izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 61:1–2, 36; 62:1

Vonona ny hamela ahy ny Tompo raha mibebaka aho.

Tsy lavorary i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Indraindray izy ireo nifanditra sy tsy nanam-paharetana.- Saingy feno famindrampo tamin’izy ireo ny Tompo ary nanolotra famelan-keloka foana rehefa nibebaka izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakina amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 61:2, ary angataho izy ireo mba hitady teny izay samy hita ao amin’ireo andininy ireo. Ampahatsiahivo ny ankizy fa ireo fanambarana ireo dia nomena an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Inona no tian’ny Tompo ho fantatr’izy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy mikasika antsika rehefa manao fahadisoana isika?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Iza moa i Jesoa Kristy? Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1–2, 36; 62:1, ary ataovy lisitra ny valin-teny hitan’ny ankizy ao anatin’ireo andininy ireo ho an’io fanontaniana io. Nahoana ireo toetra eo amin’ny solaitrabe ireo no manampy antsika hahatakatra ny antony maha-vonona ny Mpamonjy hamela antsika? Inona avy ireo fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22; 62:5–8

Tian’ny Tompo mba hampiasa ny fahafahako misafidy sy ny Fanahiny aho mba hanaovana safidy tsara.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hampianarana ny ankizy ny fomba hanampian’ny Tompo azy ireo mba hanao safidy tsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay tsy maintsy nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra. Ahoana no fomba nanapahan’izy ireo hevitra mikasika ny zavatra hatao? Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:5, 7–8 mba hahafantarana ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ireo loholona izay nikasa ny hanao dia miainga avy ao Missouri mankany Kirtland, Ohio. Inona ireo safidy nilain’izy ireo natao mba hanatanterahana ny dian’izy ireo? Inona no nomen’ Andriamanitra antsika mba hanampiana antsika hanao safidy? Lazao amin’ny ankizy ny fomba nampiasanao ny fitarihan’ny Fanahy sy ny fahaiza-mandanjalanja manokana tsara indrindra avy aminao mba handraisana fanapahan-kevitra.

  • Zarao ho vondrona telo ny mpianatra, ary angataho ny vondrona tsirairay mba hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, izay ahitana ny fanomezan’ny Tompo torolalana an’ireo misiônera sasany mikasika ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny asa fitorian’izy ireo: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22; 62:5. Inona no zavatra tsikaritsika mikasika ireo torolalana ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana indraindray no tsara ny mampiasa ny fahaizantsika mandanjalanja manokana toy izay hiandry torolalana manokana avy any amin’ Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanao fanazaran-tena amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Ohatra, afaka mizara zavatra izay nianaran’izy ireo tany amin’ny Kilonga izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao amin’ny mpianatrao ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Hanampy ny ankizy ampianarinao mba hahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenan’izy ireo manokana ny fizaranao matetika ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mety ho tsotra toy ny hoe “Fantatro fa tia anareo tsirairay ny Ray any An-danitra” na “Mahatsapa zava-mahafinaritra ao anaty aho rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy.”

Hamoaka printy