Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
07–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: “Izay avy any ambony dia masina”


“07–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: -Izay avy any ambony dia masina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“07–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
sahan’i Missouri

Springhill, Faribohitr’i Daviess, Missouri, nataon’i Garth Robinson Oborn

07–13 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63

“Izay avy any ambony dia masina”

Ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 dia afaka manampy an’ireo ankizy ampianarinao mba hanorina ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Satria voafetra ny fotoana iarahanao amin’izy ireo, dia diniho izay fahamarinana tena manan-danja amin’izy ireo arakaraka ny zavatra ilain’izy ireo izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mieritrereta fomba tsotra sy miavaka mba hanomezana fahafahana ny ankizy hizara ny zavatra ianaran’izy ireo. Ohatra, manomàna taratasy lavalava izay tsy mitovy habe ary avelao ny ankizy tsirairay hisafidy iray an-kisendrasendra amin’izany. Ilay ankizy izay manana taratasy faran’izay lava no asao mba hizara voalohany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:23

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra ny filazantsara aho.

Mianatra zavatra tsy tapaka ny ankizy. Ampio izy ireo hahita fa hampian’ny Ray any An-danitra izy ireo mba hianatra zavatra momba Azy raha toa ka mankatò ny didiny izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:23, ary angataho izy ireo mba hihaino ny zavatra homen’ Andriamanitra antsika raha toa ka mankatò ny didy isika. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny atao hoe “mistery” dia zavatra azon’ Andriamanitra ampianarina antsika bebe kokoa, toy ny hoe ahoana no fomba hitoviantsika kokoa amin’i Jesoa Kristy.

  • Mitondrà sary any an-dakilasy izay maneho ireo lohahevitry ny filazantsara azon’ny ankizy ianarana bebe kokoa, toy ny batisa, ny Mpamonjy, ireo tempoly sy ny sisa. Ahohofy amin’ny tany ireo sary, ary avelao ny ankizy hifandimby hamadika iray avy. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo sy izay fanontaniana ananan’izy ireo mikasika ny lohahevitra tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49

Hitsangana amin’ny maty aho.

Na amin’izao fotoana izao izany na amin’ny ho avy, ny ankizy ampianarinao dia hahazo fankaherezana rehefa mahafantatra fa noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia hitsangana amin’ny maty indray andro any ireo rehetra efa nodimandry.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny sarin’ny iray amin’ireo olon-tianao izay efa nodimandry, ary mizarà tantara iray momba izany olona izany. Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49 ary mijoroa ho vavolombelona fa “hitsangana amin’ny maty” ary tsy ho faty intsony izany olona izany. Anontanio ny ankizy raha mahafantatra olona efa maty. Mijoroa ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra.

  • Mampisehoa sarin’ny fandevenana ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 58, 59). Asao izy ireo mba hiresaka mikasika ny zavatra mitranga eo amin’ireo sary. Asao ny ankizy mba hitsotra hatory rehefa miresaka momba ny fandevenana an’i Jesoa ianao ary mba hitsangana rehefa miresaka momba ny Fitsanganany tamin’ny maty ianao. Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49, ary mijoroa ho vavolombelona fa hitsangana amin’ny maty toa an’i Jesoa daholo isika rehetra indray andro any.

    Sary
    I Jesoa niseho tamin’i Maria

    Ilay Fasana an-jaridaina, nataon’i Jon McNaughton

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64

Tokony hanaja ireo zavatra masina aho.

Miaina ao anatin’ny fotoana izay matetika tsy hiraharahiana na handrabirabiana mihitsy ireo zavatra masina isika. Afaka manampy ny ankizy mba hanana toe-tsaina tia maneho fanajana ireo zavatra masina ianao.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64 ny hoe: “Izay avy any ambony dia masina.” Angataho izy ireo hieritreritra zavatra iray izay manan-danja amin’izy ireo, toy ny kilalao na boky tena tiana iray. Ahoana no fomba hikolokoloan’izy ireo sy hiarovan’izy ireo izany? Ampio izy ireo hieritreritra zavatra izay manan-danja, na masina amin’ny Ray any An-danitra. Amin’ny fomba ahoana no tokony hiresahantsika an’ireo zavatra ireo? Ahoana no fomba tokony hitondrantsika azy ireo?

  • Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny hira iray momba ny fanajana, toy ny “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy,11). Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo maneho fanajana an’ireo zavatra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:9–10

Tonga amin’ny alalan’ny finoana, sy amin’ny alalan’ny sitrapon’ Andriamanitra ny famantarana.

Lasa mpikamban’ny Fiangonana i Ezra Booth taorian’ny nahitany an’i Joseph Smith nanasitrana ny sandrin’i Elsa Johnson. Saingy very ilay finoan’i Ezra taty aoriana ary lasa nitsikera ny Mpaminany izy . Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 dia ahitana fampitandremana amin’ny fanandramana manorina ny finoantsika eo amina famantarana, toy ny fanasitranana mahagaga, fa tsy eo amin’ny fanamafisana ara-panahy ny fahamarinana.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary lazao ny ankizy fa nampiasa ny fisoronana i Joseph Smith mba hanasitranana ny sandrin’i Elsa Johnson, izay tsy azony nampiasaina tanteraka nandritra ny roa taona. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:9–10, ary angataho izy ireo mba hizara zavatra izay nolazain’ny Tompo momba ny finoana sy ny famantarana (na ny fahagagana).

  • Asao ny ankizy mba hanao sarina trano iray izay mipetraka eo ambonin’ny mahitsizoro iray ary hanao sarina trano iray hafa izay mipetraka eny amin’ny tendron’ny telozoro iray. Lazao amin’ny ankizy fa maneho ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ireo trano ireo. Angataho izy ireo mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:9–10 sy ny Helamàna 5:12. Asaivo soratan’izy ireo ao anatin’ilay mahitsizoro avy eo hoe, eo amin’ny inona no tokony hanorenantsika ny finoantsika ary ao anatin’ilay telozoro ny hoe, eo amin’ny inona no tsy tokony hanorenantsika ny finoantsika. Hamafiso fa ilay mahitsizoro dia manolotra toerana mafy mba hanorenan-javatra fa ilay telozoro kosa dia tsy azo antoka. Nahoana no zava-dehibe ny manorina ny finoantsika eo amin’i Jesoa Kristy fa tsy eo amin’ny zavatra hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:23

Rehefa mitandrina ireo didy aho dia hampianarin’ Andriamanitra ahy ny fahamarinany.

Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra ihany no homena ny “misterin’ny fanjakan’ [Andriamanitra]”. Izany no maha-mistery izany ho an’ny olona maro. Hanampy ny ankizy io fitsipika io rehefa mikatsaka ny fahamarinana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina lava-drano iray amin’ny ankizy ary angataho izy ireo mba hanao sary iray an’izany. Aorian’ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: 23, dia ampio izy ireo hieritreritra fahamarinana izay fantatr’izy ireo momba ny filazantsara, ary asao izy ireo mba hanoratra ireo fahamarinana ireo manodidina ny lava-dranon’izy ireo. Inona no mampitovy an’ireo fahamarinana ireo amin’ny “rano velona”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64

Tsy tokony hanonononom-poana ny anaran’ Andriamanitra aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia mety maheno ny hafa mampiasa ny anaran’ Andriamanitra amin’ny fomba feno tsy fanajana sy feno faniratsirana. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra fa ny anaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia “tsy maintsy tenenina amim-piheverana”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64).

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58 ilay hoe: “Izao dia andron’ny fampitandremana.” Angataho izy ireo mba hiresaka mikasika ireo fampitandremana henon’izy ireo avy amin’ny ray aman-drenin’izy ireo sy ny mpampianatra azy ireo ary ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana. Ampio izy ireo avy eo mba hitady ireo fampitandremana avy amin’ny Tompo ao amin’ny andininy 58–64. Inona avy ireo fomba mendrika “[hampiasana] ny anaran’ny Tompo”? (andininy 62).

  • Iaraho mijery ny “Language” (fiteny) ao amin’ny Jeunes, soyez forts (pejy 20–21). Angataho ny ankizy mba hanamboatra sary kely izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fomba hampiasana ny anaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Iaraho hiraina ny hira iray mikasika ny fanajana, toy ny “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana” (Bokin-kiran’ny ankizy,12). Ahoana no fomba ahafahantsika maka antoka fa feno fanajana isika rehefa miresaka momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Raha tsy nanana fotoana nanaovana ity pejin’ny asa atao ity ianao tao an-dakilasy dia hevero ny hanomezana ny ankizy tsirairay ny tahadikan’izany mba hovitain’izy ireo any an-trano miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoreno ny fahatokian-tenan’ny ankizy. Ny ankizy sasany dia mety tsy hahatsapa tena ho afaka hianatra samirery ny filazantsara. Fomba iray hanorenana ny fahatokian-tenan’izy ireo ny fiderana azy ireo rehefa mandray anjara izy ireo ao amin’ny kilasy. Ampanantenao ny ankizy fa hanampy azy ireo ny Fanahy Masina rehefa mianatra izy ireo.

Hamoaka printy