Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70: “Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”


“21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70: -Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Sary
revelation manuscript book in display case

21–27 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70

“Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”

Mialoha ny hamakianao ireo sosokevitra ao anatin’ity rindran-damina ity, dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70, ary raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy voarainao. Ireo zavatra tsapa ireo dia hanampy anao hamolavola drafitra nentanim-panahy hoenti-mampianatra. Avy eo dia ampio hevitra avy ao amin’ity rindran-damina ity na avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na avy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana izany drafitra izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny zavatra izay nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina nataon’izy ireo tany an-trano na tao amin’ny Kilonga. Raha toa sahirana izy ireo mieritreritra izay zavatra hatao sary dia azonao ampahatsiahivina azy ireo ny sasany amin’ireo lohahevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70, toy ny batisa, ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny soratra masina na ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany ny filazantsara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67

Mirakitra fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Tamin’ny nôvambra 1831 dia nanapa-kevitra ny hametraka ireo fanambaran’i Joseph Smith ao anatin’ny boky iray mba hovakin’ny olona rehetra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Amin’izao fotoana izao dia vita printy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo fanambarana ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny fomba nahatonga an’ireo fanambaran’i Joseph Smith ho vita printy tao amin’ny boky iray (jereo ny “Chapitre 23: Doctrine et Alliances,” Histoires Des Doctrine et Alliances, 90–92, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitra ireo fanambarana izay afaka manampy antsika amin’izao fotoana izao. Zarao ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina tianao indrindra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Asehoy tsirairay ny ankizy ireo soratra masina nankatoavina, ary isaky ny mampiseho ny tsirairay amin’izany ianao dia mizarà zavatra kely mikasika ny fomba nahazoantsika izany (jereo ny fanamarihana momba ny boky tsirairay ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Rehefa mampiseho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao dia zarao amin’ny ankizy ny mampiavaka izany bokin-tsoratra masina izany (ohatra, ahitana fanambarana nomena amin’izao androntsika izao izany).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28

Azo atao batisa aho rehefa feno valo taona.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25-28, dia nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa tokony hianatra hanana finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka ny ankizy ary hatao batisa rehefa feno valo taona. Nilaza koa Izy fa tokony hianatra hivavaka izy ireo ary hitandrina ny didin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hanisa hatramin’ny valo amin’ny alalan’ny rantsan-tanan’izy ireo. Inona no mampiavaka manokana an’ilay fahafenoana valo taona? Ampio ny ankizy hahafantatra fa rehefa valo taona izy ireo dia azo atao batisa. Zarao amin’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny sy andian-teny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28, ny sasany amin’ireo zavatra izay tian’ny Tompo hianaran’izy ireo mialoha ny hahafeno valo taona azy ireo (jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:4). Ampio izy ireo hahatakatra hevitra izay mety tsy dia fantatr’izy ireo.

  • Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny hira iray momba ny batisa toy ny “Batisa” na “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 54–55, 53). Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika ny firotsahana hatao batisa sy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4, 9

Marina ireo fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

Ny ankamaroan’ny torolalana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70 dia misy ifandraisany amin’ireo ezaka nataon’ny Olomasina mba hamoahana ireo fanambaran’i Joseph Smith. Afaka ny ho fotoana tsara hanampiana ny ankizy izany mba hahafantatra fa ao anatin’ireo fanambarana ireo, izay navoaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’izao fotoana izao, dia afaka maheno ny feon’ny Tompo isika.

Eo am-piomananao hampianatra dia azonao vakina ny “Chapitre 23: Doctrine et Alliances” (Histoires Des Doctrine et Alliances, 90–92).

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ampio ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra mampiavaka ny bokin-tsoratra masina tsirairay sy ny zavatra mampitovy azy ireo. Raha mila fanampiana izy ireo dia zarao amin’izy ireo ny famaritana ireo boky ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahantsika mahafantatra fa marina ny soratra masina. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4, 9 mikasika ireo fanambarana izay nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith?

  • Mizarà andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay manamafy orina ny “[fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika] ny fahamarinan’ireto didy ireto” (andininy 4). Omeo fahafahana ny ankizy hizara ny andinin-tsoratra masina iray tena tian’izy ireo manokana. Hazavao amin’ny ankizy fa ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany dia nanapa-kevitra ny hamoaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ireo fanambarana voarain’i Joseph Smith. Rehefa nanao izany izy ireo dia nosoratan’i Levi Hancock, izay iray tamin’ireo mpitarika, teo akaikin’ny anarany ny hoe, “Tsy azo fafana velively” (jereo ny “Testimony, circa 2 November 1831,” Revelation Book 1, 121, josephsmithpapers.org). Inona no antony mety tsy namelan’i Levi Hancock “hamafana velively” ny anarany tao amin’ilay fijoroana ho vavolombelona navoaka? Omeo fahafahana ny ankizy hanoratra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hatreto.

    Sary
    ankizy eo am-pamakiana

    Nangataka antsika mba handalina ny soratra masina Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–4

Rehefa miresaka amin’ny alalan’ny fanentanam-panahy ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana, dia milaza “ny tenin’ny Tompo” izy ireo.

Rehefa miteny amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpanompon’ny Tompo, dia sitrapon’ny Tompo, sain’ny Tompo sy tenin’ny Tompo, ary feon’ny Tompo ny tenin’izy ireo (jereo ny andininy 4). Ny fahafantarana izany dia afaka manampy ny ankizy haniry hihaino sy hanaraka ny fampianaran’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3-4 ao anatin’ny vondrona kely vitsivitsy ary hifampizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo. Asao ny ankizy hanoratra ny zavatra nianaran’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Nahoana izany no fahamarinana manan-danja ilaina fantarina?

  • Aorian’ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–4 dia omeo tahadika an’ireo hafatra maro avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra ny ankizy. Asao izy ireo mba hitady ao anatin’ireo hafatra, ireo fahamarinana izay nampianaran’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ireo mpanompony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:1–2

Afaka ny ho “marina sy mahatoky” aho.

Rehefa nila nandeha tany Missouri i Oliver Cowdery, dia niantso an’i John Whitmer, izay olona iray “marina sy mahatoky” (andininy 1) ny Tompo, mba hiaraka aminy. Ahoana no ahafahan’ireo ankizy ho lasa marina sy mahatoky tahaka an’i John Whitmer?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao ny ankizy fa rehefa nirahin’ny Tompo ho any Missouri i Oliver Cowdery, dia nilaza Izy fa tokony hisy olona iray “marina sy mahatoky” (andininy 1) hiaraka aminy, ka dia nalefany koa i John Whitmer. Inona no dikan’izany hoe marina sy mahatoky izany? Ahoana no fomba hakantsika antoka fa marina sy mahatoky isika ka azon’ny Tompo ampiasaina mba hitahiana ny hafa?

  • Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hiresaka momba ny olona iray fantatr’izy ireo izay eritreretin’izy ireo fa “marina sy mahatoky.” Ahoana no fomba ahafantaran’izy ireo fa marina sy mahatoky io olona io? Ampio izy ireo hahita fa natoky an’i John Whitmer ny Tompo satria marina sy mahatoky izy tamin’izany fotoana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:1–2). Iaraho hiraina ny hira iray izay mamporisika ny ankizy ho marina sy mahatoky tahaka ny Mpamonjy, toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41).

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanazava amin’ny olona iray any an-trano ny momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny nipoiran’izany ary ny antony maha-manan-danja izany ho azy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ovao ireo asa atao araka ny taonan’ireo ankizy ampianarinao. Ireo ankizy madinika dia mety hila toromarika bebe kokoa rehefa asaina mizara izy ireo. Manana traikefa kokoa ny ankizy lehibe ary mety mahay mizara kokoa ny eritreritr’izy ireo. Ataovy ao an-tsaina hatrany izany fahasamihafana izany eo am-pandrafetanao ireo asa atao.

Hamoaka printy