Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66: “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”


“14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66: -Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021

Sary
saha iray amin’ny fiposahan’ny masoandro

Faribohitr’i Daviess County, Missouri

14–20 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66

“Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”

Eo am-piomananao hampianatra dia diniho ny fomba hahafahanao mampifanaraka ny fomba fampianaranao amin’ny zavatra ilain’ny ankizy. Tsarovy fa azonao ampiasaina avokoa ireo atrikasa ato anatin’ity rindran-damina ity na ho an’ny ankizy kely na ho an’ny ankizy lehibe kokoa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo fahafahana hihazona ny sarin’ny Mpamonjy ny ankizy tsirairay ary hizara ny zavatra izay ianaran’izy ireo momba Azy sy ny filazantsarany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–10

Mangataka ahy mba hamela ny hafa i Jesoa Kristy.

Inona no zavatra azo tsapain-tanana entina mampianatra na asa atao azonao eritreretina fa hanampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’izany hoe mamela izany? Rehefa mifanakalo hevitra momba ny famelan-keloka ianareo dia ampatsiahivo ny ankizy fa ny hoe mamela dia tsy hoe mamela ny hafa hanao izay hampalahelo antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ilay andian-teny manao hoe “tokony hifamela ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9), ary anontanio ny ankizy ny dikan’izany hoe mamela olona izany. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra izany dia mizarà ohatra tsotra vitsivitsy. Ampio izy ireo mba hilalao an-tsehatra ireo ohatra ireo mba hampiharana izany hoe mamela izany.

  • Vakio miadana amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10, ary asaivo mifandray tanana izy ireo rehefa mahare ny teny hoe “mamela.” Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fiadanana sy ny fifaliana izay azo rehefa mamela ny hafa isika.

  • Mihirà hira momba ny famelan-keloka toy ny “Ray ô! Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Inona no ampianarin’io hira io antsika momba ny famelana ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34

Afaka mankatò an’i Jesoa Kristy amin’ny foko sy ny saiko aho.

Nampianatra ny Olomasina ny Tompo fa mba hanorenana an’i Ziona dia mila manome Azy ny fony sy ny sainy amim-paharisihana izy ireo. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanomboka hieritreritra ny dikan’izany ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 ny hoe: “Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika.” Averimbereno io andian-teny io no sady tondroy ny fo sy ny loha eo am-pamakianao ireo teny ireo ary asaivo manao torak’izany koa ny ankizy. Ahoana no ahafahantsika manome ny fontsika sy ny saintsika ho an’ny Mpamonjy? (Mety hanampy ny fanazavana fa ny fontsika dia entina ilazana ireo fahatsapana sy ny fitiavana ananantsika ary ny saintsika dia entina ilazana ireo eritreritsika.)

  • Mihirà hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42). Ahoana no fomba hanehoantsika amin’ny Mpamonjy fa tia Azy isika? Zarao ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Mahafantatra ahy ny Tompo ary tiany aho.

Nanana fanontaniana voafaritra tsara miisa dimy ho an’ny Tompo i Willima E. McLellin. Nandray ny valin’ireo fanontaniana ireo tao anatina fanambarana i Joseph Smith na dia tsy fantany akory aza ireo fanontaniana nananan’i William ireo. Io zavatra niainana io dia afaka manampy anao hampianatra ny ankizy fa Andriamanitra dia mahafantatra azy ireo ary afaka mamaly ny fanontanian’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao azy ireo ny fomba namalian’ny Tompo ny fanontanian’i William E. McLelling tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66, sasin-teny). Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra antsika sy te hanampy antsika ny Ray any An-danitra. Angataho ny ankizy hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa tia azy ireo Andriamanitra.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:4. Lazao amin’ny ankizy ny momba ny fotoana iray izay nanehoan’ny Tompo taminao ny zavatra tiany hataonao. Vakio indray ilay andinin-tsoraratra masina, fa amin’ity indray mitoraka ity dia ampidiro ao ny anaran’ny iray amin’ireo ankizy. Avereno amin’ny ankizy tsirairay izany.

    Sary
    I Jesoa sy ny ankizy

    Tia antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7–10

Tian’ny Tompo hamela ny olon-drehetra aho.

Araka ny asehon’ireo andininy ireo dia na dia ireo mpianatr’i Jesoa Kristy aza dia manana olana amin’ny fifamelana indraindray. Diniho ny fomba hahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ilay didin’ny Tompo mba “hamela ny olon-drehetra.” (Hazavao tsara fa ny hoe mamela dia tsy midika hoe mamela ny olona hanao izay hampalahelo antsika. Tokony hitantara mandrakariva amina olon-dehibe atokisany izy ireo raha nisy olona nanao izay nampalahelo azy ireo.)

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe nasaina nampianatra ny zandriny momba ny famelana ny hafa izy ireo. Ahoana no hanaovan’izy ireo izany? Asao izy ireo hamaky tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7–10 ary hikaroka ireo andian-teny izay hampiasain’izy ireo amin’ny fampianaran’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manao fanazarana amin’ny alalan’ny fifampianaran’izy samy izy.

  • Iaraho mihira ny “Ray ô! Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Ahoana no anampian’ny Ray any An-danitra antsika hamela ny hafa?

  • Mieritrereta fanoharana iray izay mety hanampy ny ankizy hahatakatra ny mahatonga antsika hoe “[m]ijaly” rehefa tsy mamela (andininy 8). Ohatra, ampisehoy ny ankizy ny harona iray misy fotaka na vovoka. Asaivo alain’izy ireo sary an-tsaina hoe torahan’ny olona fotaka izy ireo. Nahoana ny hoe tsy famelana ny hafa no mitovy amin’ny hoe manangona ilay fotaka sy mitondra izany miaraka amintsika eny foana? Nahoana no ho tsaratsara kokoa ny manary ilay fotaka? Ampio ny ankizy hieritreritra fanoharana hafa izay mampianatra ny antony maha-zava-dehibe ny hoe mamela.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33–34

Mitaky “ny fo[ko] sy ny sai[ko] marisika” ny Tompo.

Ny hoe manorina an’i Ziona, na manampy amin’ny fampitomboana ny Fiangonana, dia “asa lehibe.” Mba hanatanterahana izany dia mitaky antsika mba hanome Azy ny fontsika sy ny saintsika marisika ny Tompo. Ireo izay mitoetra ao Ziona dia “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa amin’ny ankizy zavatra vitsivitsy izay ahitana singan-javatra kely be dia be toy ny piozila na karipetra iray. Ampio izy ireo hieritreritra ohatra hafa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33. Inona no tian’ Andriamanitra hataontsika mba hanampiana Azy hanatanteraka ny “asa[ny] lehibe”? Inona avy ireo “zava-madinika” azontsika atao mba hanampiana amin’ny fanatanterahana io asa io?

  • Asao ny ankizy hanatanteraka asa iray izay mitaky zavatra roa, kanefa ny iray ihany no omeo azy (ohatra, manoratra eo amin’ny solaitrabe kanefa tsy misy tsaoka na manapaka taratasy tsy misy hety). Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 mba hitady ireo zavatra roa izay angatahin’ny Tompo amintsika. Nahoana isika no mila manome ny Tompo ny fontsika mbamin’ny saintsika? Ahoana no fomba hanaovantsika izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65

Afaka manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao handray an’i Jesoa Kristy aho.

Ny asa anirahana ny Fiangonana, izay ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, dia ny manomana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ampahany manan-danja ao amin’izany asa anirahana izany ireo ankizy ampianarinao. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo handray anjara?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky na vakio tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65, dia isao hoe impiry no voasoratra ilay teny hoe “manomana.” Inona no angatahin’ny Tompo amintsika mba hiomanantsika? Inona no azontsika atao mba hanomanana ny tenantsika sy ny tany?

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 66), dia asaivo lazalazain’ny ankizy ny zavatra hitany na fantany momba io toe-javatra hiseho io. Omeo teny manan-danja sy andian-teny hotadiavina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 ny ankizy (toy ny hoe “mameno ny tany manontolo” sy ny hoe “asa mahatalanjona”). Inona no ampianarin’ireo teny sy andian-teny ireo mikasika ny Fiaviana Fanindroany sy ny anjara andraikitsika amin’ny fiomanana ho amin’izany?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hitady andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66 izay tiany sy tiany hozaraina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianara mamantatra fanambarana. Rehefa mivavaka sy misaintsaina mombana soratra masina ianao dia hahita hevitra sy hanana fahatsapana izay mety ho tonga amin’ny fotoana sy toerana rehetra, “eny am-pandehanana miasa, eo am-panaovana raharaha ao an-trano, eo am-pifandraisana amin’ny fianakaviana sy namana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).

Hamoaka printy