Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: “Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”


“29 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: -Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny ondry

Au Berger elles sont chères, nataon’i Simon Dewey

28 jona–4 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

“Tsy misy fiadiana izay voaforonahamelezana anareo ka hiroborobo”

Afaka mianatra zavatra maro avy ao am-pianarana ny ankizy ampianarinao, saingy mbola hianatra zavatra maro kokoa aza izy ireo raha toa ka mamboly fahazarana mandalina ny soratra masina any an-trano. Diniho ny fomba ahafahanao mamporisika sy manohana ny fianarana ny filazantsara any an-trano.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra mba hipetraka amin’ny tany hanao endrika faribolana ary akodiadiavo mankeny amin’ny iray amin’izy ireo ny baolina iray. Angataho izany ankizy izany mba hizara zavatra izay nianarany vao haingana tany an-trano na tany am-pianarana mikasika ny filazantsara. Avy eo dia asao ilay ankizy mba hanakodiadia ilay baolina eny amin’ny olona iray hafa. Avereno izany mandra-pananan’ny ankizy rehetra fahafahana nizara zavatra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:2, 10

Niantso eveka ny Tompo mba hanampy ahy.

Ny ankizy kely dia mety tsy dia mahafantatra firy momba ny zavatra ataon’ny evekany mba hanompoana azy ireo sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy. Afaka manampy azy ireo hankasitraka ny asa fanompoana ataon’ny evekan’izy ireo ianao.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà ao am-pianarana zavatra izay maneho ireo andraikitry ny eveka iray, toy ny taratasy fandoavana fahafolonkarena, soratra masina, na sarina eveka iray manome torohevitra (jereo ilay sary any amin’ny faran’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:2, ary hazavao fa ny Tompo dia niantso ny eveka mba hanampy antsika. Ampiasao ireo zavatra nentinao mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny sasany amin’ireo zavatra ataon’ny eveka mba hanompoana ny paroasy.

  • Ento mandeha mankany amin’ny biraon’ny eveka ny ankizy (tsara raha mifandrindra amin’ny mpampianatra hafa ianao). Lazalazao azy ireo ny toe-javatra sasantsasany izay mety hihaonan’izy ireo amin’ny eveka ao amin’ny biraony (toy ny tafa sy dinika atao amin’ny batisa na ny tafa sy dinika momba ny fahafolonkarena). Lazao ny ankizy ny fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’ny eveka.

  • Ampio ny ankizy hanamboatra taratasy kely homena ny eveka izay hanehoana fisaorana azy noho ny zavatra ataony mba hitondrana fanampiana amin’ny asan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3

Afaka manao ny ezaka tsara indrindra vitako ho an’ny Tompo aho.

Na dia mbola kely aza ny ankizy dia afaka mahita fifaliana amin’ny fanomezana ny tsara indrindra avy aminy amin’ny fitandremana ireo didin’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy tsirairay hifandimby hilalao an-tsehatra ny fomba hanatanterahan’izy ireo asa fanompoana iray, toy ny fanadiovana efitrano ao amin’ny fiangonana na fanasana lovia any an-trano. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3, ary asao ny ankizy hampiseho ny fomba hanaovan’izy ireo izany amim-pahalainana rehefa miteny ianao hoe “tsy hitaredretra sy hidonana-poana” ianao ary hampiseho ny fomba hanaovan’izy ireo izany amim-pahavitrihana rehefa miteny ianao hoe “fa hiasa amin’ny herinareo.” Nahoana no zava-dehibe ny manao izay tsara indrindra vitantsika rehefa manompo ny Tompo?

  • Zarao amin’ny ankizy ireo tantaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf momba ny asa avy amin’ny “Ireo fitsipika roan’ny fihariana” ( Liahona, nôv. 2009, 55–58). Inona no tsapantsika rehefa fantatsika fa nanome ny nanao ny tsara indrindra vitantsika isika?

  • Mihirà hira iray momba ny fiarahana miasa toy ny “Rehefa manampy izahay” (Bokin-kiran’ny ankizy,108). Ampio ny ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ny tonony.

    Sary
    barika sy kitapo misy sakafo

    Indraindray ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nanome sakafo ho an’ny Fiangonana mba hanampiana ny hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71

Afaka miaro ny fahamarinana aho amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Ny Tompo dia tsy miandrandra ny ankizy mba hamaly ireo fanakianana momba ny Fiangonana tahaka ny nangatahany an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hataon’izy ireo. Saingy afaka manampy ny ankizy ianao hahatakatra fa ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tsotra momba ny fahamarinana dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:8

Miantso eveka ny Tompo mba hanampy Azy hanao ny asany.

Afaka ny hanana fiantraikany tsara sy mavesa-danja eo amin’ny fiainan’ny ankizy iray ny eveka. Inona no azonao atao mba hanampiana ny ankizy hahita ny eveka amin’ny maha-solontenan’ny Tompo Jesoa Kristy azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa tamin’ny 1831 ny Tompo dia niantso ny evekan’ny Fiangonana, i Edward Partridge, mba hiala tao Kirtland, Ohio, mba ho eveka any Independence, Missouri (jereo ny “Chaptre 17: Les premiers évêques de l’Eglise,” Histoire des Doctrines et Alliances, 64–66). Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:8 ary asao izy ireo mba hihaino hoe iza no nantsoin’ny Tompo mba ho eveka vaovao tao Kirtland. Nahoana ny Tompo no miantso eveka? Zarao amin’ny ankizy ny zavatra niainana iray izay nahazoanao fitahiana tamin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny eveka.

  • Asao ny ankizy hanao lisitra iray mitanisa ireo zavatra hitan’izy ireo nataon’ny eveka mba hanampiana ireo olona ao amin’ny paroasy. Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny eveka eo am-panaovana ny zavatra izay voalazan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny evekanareo dia nantsoin’ny Tompo mba ho mpanompony. Nahoana isika no feno fankasitrahana fa niantso eveka iray ao amin’ny paroasintsika ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:3

Nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny fahamarinana sarobidy izay very tao amin’ny Baiboly.

Tafiditra tao amin’ny antsony amin’ny maha-mpaminany an’i Joseph Smith ny nandidian’ny Tompo azy hanao fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly. Ireo fanitsiana ireo, izay nantsoin’ny Tompo hoe “fandikana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:13), dia namerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana manan-danja izay very na nesorina avy tao amin’ny Baiboly an-jato taonany maro.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa rehefa niverina avy nanatontosa iraka nandritra ny fotoana fohy tany Kirtland, Ohio i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia nirin’ny Tompo ny handraisan’izy ireo an-tanana indray ny tetikasa manan-danja iray. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:3 mba hahitany hoe inona izany tetikasa izany. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo hadikan’i Joseph sy i Sidney dia vakio miaraka amin’izy ireo ny ampahany amin’ny teny fanolorana ny “Dikantenin’i Joseph Smith (DJS)” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina.

  • Ampitapitao ny tahadikan’ny Baiboly iray ary avelao ny ankizy hanokatra izany ka hahita hoe firy ny isan’ny pejy ao anatin’izany. Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe nangatahina mba handika ny Baiboly amin’ny fiteny iray hafa izy ireo. Mety ho firy ny diso hataon’izy ireo? Hazavao fa rehefa nandika na nanao tahadika ny Baiboly ny olona talohan’ny fotoan’andron’i Joseph Smith dia nanao diso sasantsasany izy ireo ary indraindray dia nanala fahamarinana manan-danja mihitsy. Nandidy ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo mba hanao fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy. Nahoana ny asa nataon’i Joseph Smith no manan-danja lehibe amintsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hisafidy zavatra izay hataon’izy ireo noho ny zavatra nianaran’izy ireo androany, toy ny misaotra ny eveka noho ny asa fanompoany na miomana ny hiaro ny zavatra inoan’izy ireo amin’ny alalan’ny fianarana ireo Fanekem-pinoana.

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy izay hampiasana ireo retsipamantarana. “Tena mianatra tsara ny ankamaroan’ny ankizy (sy ny olon-dehibe) rehefa ampandraisina anjara ireo retsipamantarana maro. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsipahitany sy ny retsipandrenesany ary ny retsipahatsapany rehefa mianatra izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy