Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: “Hitari-dalana anareo aho.”


“12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: -Hitari-dalana anareo aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
ondry manara-dia an’i Jesoa

Mandeha mody, nataon’i Yongsung Kim

12–18 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

“Hitari-dalana anareo aho”

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77-80 ianao, dia mitadiava andian-teny na andinin-tsoratra masina izay mety hanampy ny ankizy hahatakatra kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara. Aza misalasala mizara ireo andinin-tsoratra masina hitanao na dia tsy hita ao anatin’ireo asa atao etsy ambany aza izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara zavatra izay maha-velom-pankasitrahana azy ireo. Inona no ataon’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo mba hampisehoana amin’ny Ray any An-danitra fa feno fankasitrahana izy ireo noho ireo fitahiana avy Aminy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2

Andriamanitra no nahary ny zava-boary rehetra eto an-tany.

Ny fianarana mikasika ireo zavatra noharian’ Andriamanitra dia afaka manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavany azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina biby, izay ahitana bibikely sy vorona, amin’ireo ankizy. Rehefa mamaky ny teny hoe “biby,” “zava-mandady,” sy “voro-manidin’ny habakabaka” avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2 ianao dia asao ny ankizy mba hanondro izay sary mifandray amin’izany. Mijoroa ho vavolombelona fa nahary ireo zavatra rehetra ireo Andriamanitra satria tiany isika ary tiany ho faly isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–20).

  • Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny hira iray momba ireo zavatra noharian’ Andriamanitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Anontanio ny ankizy hoe nahoana no manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo ny zavatra hirain’izy ireo?

    Sary
    lolo eo amin’ny voninkazo iray

    Nahary ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:6

Afaka mizara izay ananako amin’ny hafa aho.

Tian’ny Ray any An-danitra isika mba hifampizara maimaim-poana ireo fitahiana azontsika mba hahafahantsika “[hitovy] amin’ny zavatra ety an-tany” sy amin’ny “zavatra any an-danitra” (andininy 6).

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hampianarana ny dikan’ny hoe “mitovy amin’ny zavatra ety an-tany” (andininy 6), dia omeo sarin’olona sahirana ny ankizy (toy ny olona noana, na maratra na mangatsiaka). Omeo zavatra izay hitondra fanampiana amin’izany ny ankizy avy eo (toy ny sakafo, na fitaovam-pitsaboana fery na bodofotsy). Asao ireo ankizy ireo hizara ny zavatra ananan’izy ireo mba hanampiana ireo olona ao amin’ireo sary. Avelao ny ankizy hafa mba hifandimby hizara. Ampio ny ankizy mba hahatakatra fa tian’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra mba hanana izay ilain’izy ireo ary mba hanatanterahana izany dia matetika Izy mangataka antsika mba hizara izay ananantsika amin’ny hafa.

  • Vakio amin’ny ankizy ireo fehezan-teny eo ambanin’ireo sary roa voalohany ao amin’ny “Chapitre 28: Le Prophète retourne au Missouri” (Histoires Des Doctrine et Alliances, 108). Angataho ny ankizy mody hanao hoe manampy olona iray manorina trano, na mizara sakafo, na manompo amin’ny fomba hafa. Inona no tsapantsika rehefa manampy sy mizara isika? Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay zarain’i Jesoa Kristy amintsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18

Hitari-dalana ahy i Jesoa Kristy.

Raha toa isika ka vonona hamela ny Tompo mba “hitari-dalana [antsika]” dia afaka “matoky” isika na dia misy zavatra “[tsy tantitsika aza] … ankehitriny” (andininy 18).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hizara fotoana izay efa-naha-mpitarika azy ireo, toy ny hoe teny amin’ny lohan’ny filaharana iray na nitarika hira. Inona no ataon’ny mpitarika iray? Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy iray rehefa mamaky ity fehezan-teny manaraka avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18 ity ianao: “Matokia fa hitari-dalana anareo Aho.” Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika manaraka ny Mpamonjy.

  • Asao ny ankizy mba hanaraka an’i Jesoa ary tariho handeha manodidina ny efitrano izy ireo eo am-pihazonanao ny sarin’i Jesoa anankiray. Eo am-panaovanao izany dia iaraho hiraina ny hira iray momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” na “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41, 82–83). Avelao ny ankizy hifandimby hihazona an’ilay sary sy hitarika ny ankizy ambiny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Afaka mahazo ny valin’ireo fanontaniako momba ny soratra masina aho.

Ny fampianarana ny ankizy momba ny fomba nikatsahan’i Joseph Smith ny valin’ireo fanontaniany dia afaka manampy ny ankizy hahafantatra fa hamaly azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka ny fitarihany izy ireo. Hevero ny hizara zavatra niainana izay nahazoanao valiny avy Aminy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ireo teny eo ambanin’ireo sary telo voalohany ao amin’ny “Chapitre 27: Le travail du prophète Joseph Smith” (Histoires Des Doctrine et Alliances, 104). Anontanio ny ankizy raha toa izy ireo efa nahatsapa toa an’i Joseph hoe, tsy nahatakatra zavatra tao amin’ny soratra masina. Avelao izy ireo hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Inona no nataon’i Joseph mba hahitana ireo valiny? Lazao amin’ny ankizy ny momba ny fotoana iray izay nanampian’ny Ray any An-danitra anao hahatakatra zavatra ao amin’ny soratra masina.

  • Mety ho tian’ny ankizy ampianarinao ny mamaky andininy vitsivitsy ao amin’ny Apôkalypsy izay nananan’i Joseph Smith fanontaniana. Azon’izy ireo jerena ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 avy eo ny zavatra tian’ny Tompo ho takany. Misafidiana andininy vitsivitsy izay tsapanao fa hanan-danja.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:3–7

Afaka manampy amin’ny “[fampandrosoana] ny foto-kevitr[’i]” Jesoa Kristy aho.

Ao amin’ny fizarana 78, dia nanome torolalana manokana ny Tompo ho an’ireo mpitarika maro ao amin’ny Fiangonana mba hanampiana azy ireo “hampandroso ny foto-kevi[try]” ny Tompo (andininy 4). Ampio ny ankizy hieritreritra izay mety ho anjara asan’izy ireo ao anatin’ny fampandrosoana ny foto-kevitry ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:4. Inona ilay “foto-kevitra” izay “nirotsahan[tsika]” (nekena na nosafidiana mba hotohanana) rehefa natao batisa isika? Amporisiho izy ireo mba hitady ao amin’ny andinin-tsoratra masina toy ireto mba hahitana valiny: Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37; Mosesy 1:39.

  • Hazavao amin’ny ankizy fa nanana tranombarotra i Newel K. Whitney ary nangatahin’ny Tompo izy sy ny lehilahy hafa mba hampiasa ny sasany amin’ny volan’izy ireo mba hanampiana amin’ny fandoavana vola amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:42–43). Asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:3–7 ary hitady ireo antony nangatahana an’ireo lehilahy ireo mba hanao izany. Inona no ho tsapantsika raha toa nangatahina isika mba hanome ampahany amin’ny volantsika toy ny nataon’i Newel? Ampio izy ireo hieritreritra fomba entin’ny olona mitondra ny anjara birikiny ho an’ny asan’ny Tompo amin’izao androntsika izao, toy ny fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina, fanompoana ao amin’ireo antso sy ny sisa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19

Tokony handray “ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana” aho.

Matetika ny Tompo dia mitahy antsika bebe kokoa rehefa feno fankasitrahana an’izay efa nomeny antsika isika. Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy ampianarinao mba haneho fankasitrahana an’ireo fitahiana azon’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19 ary hitady ny zavatra izay ampanantenain’ny Tompo ho an’izay mahay mankasitraka. Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “avo zato heny,” mety hoe amin’ny alalan’ny fampisehoana zavatra kely iray ary avy eo zato amin’io zavatra kely iray io ihany.

  • Mihirà hira iray mikasika ny fankasitrahana. Omeo fotoana ny ankizy mba hitanisana ireo zavatra izay maha-velom-pankasitrahana azy ireo. Amporisiho izy ireo hitanisa zavatra faran’izay betsaka ao anatin’ny fotoana omenao azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Hevero ny hifandray amin’ny ray aman-drenin’ny ankizy ampianarinao sy ny hanolotra fanontaniana iray izay azon’izy ireo apetraka amin’ny zanak’izy ireo mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo tany an-dakilasy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ankizy ao amin’ny Kilonga mba hiaina fitsipika iray ianao dia ambarao ny fampanantenana nolazain’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminany fa ho an’ireo izay miaina izany fitsipika izany. Ny ohatra iray amin’ny fampanantenana iray azonao zaraina dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19. (Jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35.)

Hamoaka printy