Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: “Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny”


“5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: -Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021

Sary
vahindanitra eny amin’ny habakabaka

Toeram-pialofana, nataon’i Shaelynn Abel

5–11 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

“Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny”

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ianao, dia saintsaino ny zavatra irin’ny Ray any An-danitra mba ho fantatry ny ankizy ampianarinao momba Azy, ny Mpamonjy, sy ny tenan’izy ireo, ary ny anjara mandrakizain’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ny ankizy ireo sary na ireo pejin’ny asa atao ato amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity na avy ao amin’ireo rindran-damina teo aloha. Avelao izy ireo hilaza aminao ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ireo sary ireo sy ny zavatra tadidin’izy ireo fa nianarany avy tamin’ireny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24

Zanak’ Andriamanitra daholo isika.

Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks fa raha toa isika ka mampianatra “ny tanora iray ilay hevitra mafonja hoe, izy dia zanak’ Andriamanitra” dia afaka manolotra azy “fahaizana manaja ny tena sy zotom-po handroso manoloana ireo olan’ny fiainana” isika (“Powerful Ideas, Ensign, nôv. 1995, 25).

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’ Andriamanitra dia mitadiava fomba hampisehoana azy ireo fa ny zanaka biby dia mivoatra lasa tahaka ny ray aman-drenin’izy ireo. Mety ho azon’ny ankizy atao ny mampifandray sarina biby amin’ny sarin’ireo zanaka biby mifandray amin’izany. Sokafy ny soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24, ary lazao ny ankizy fa “zanakalahy sy zanakavavy ho an’ Andriamanitra” avokoa isika rehetra. Mijoroa ho vavolombeloa fa Andriamanitra dia Raintsika ary afaka mivoatra ho tonga tahaka ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra isika.

  • Iaraho mihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3), ary asao ny ankizy hanondro ny tenany rehefa mihira ny hoe “aho” izy ireo. Asaivo hirain’izy ireo indray ilay hira ka soloina amin’ny hoe “ianao” ny hoe “aho” sady manondro olon-kafa ao amin’ny kilasy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42

I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe vaovao mahafaly. Ny vaovao tsara izay entin’ny filazantsara dia ny hoe i Jesoa Kristy dia “tonga teo amin’izao tontolo izao mba … hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (andininy 41).

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ny ankizy ny sasany amin’ireo vaovao tsara renao vao haingana. Asao izy ireo hizara ny vaovao tsara izay ren’izy ireo. Avy eo dia zarao amin’izy ireo ny vaovao tsaran’ny filazantsara amin’ny alalan’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:41–42. Anontanio ny ankizy hoe inona no tsapan’izy ireo noho io vaovao tsara io. Zarao amin’izy ireo ny hafaliana entin’io vaovao tsara io ho anao.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy. Anontanio ny ankizy raha fantatr’ izy ireo ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Mampisehoa zavatra maloto sy zavatra madio (toy ny mosara na ravin-taratasy) amin’ny ankizy, ary hazavao fa ny fahotana dia tahaka ny loto eo amin’ny fanahintsika, saingy i Jesoa Kristy kosa dia tonga mba hanampy antsika ho lasa madio indray.

    Sary
    I Jesoa miaraka amin’ny ankizy

    Avelao ny zaza, nataon’i J Kirk Richards

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:62

Tian’ny Ray any An-danitra hiverina hiara-hiaina Aminy mandrakizay aho.

Ny fahitana hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny amin’ny fanjakana selestialy dia nanambara ireo fitahiana lehibe nomanin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany sy ireo zavatra tsy maintsy ataontsika ihany koa mba handraisana ireny fitahiana ireny.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ny ankizy ny amin’ireo fanjakam-boninahitra telo izay hitan’i Joseph sy i Sidney tao anatin’ny fahitana hitan’izy ireo. (Azonao vakina amin’ny ankizy ny ampahany amin’ny “Chapitre 26: Des témoins voient les plaques d’or” [Histoires des Doctrine et Alliances, 97-103], na izy iray manontolo, na azonao aseho ilay horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Anontanio ny ankizy ny zavatra tiany momba ilay fahitana. Ifantohy manokana ny famariparitana ny fanjakana selestialy ary mijoroa ho vavolombelona fa io no toerana tian’ny Ray any An-danitra hisy ny tsirairay avy amintsika.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:62, dia asao ny ankizy hanao sary ny tenan’izy ireo miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5, 41–42, 69

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa ireo fitahiana lehibe ampanantenain’ Andriamanitra amin’ny fiainana hoavy an’ireo izay mahatoky dia tsy ho azo tanterahina raha tsy noho i Jesoa Kristy ihany.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho ahy? Asao ny ankizy tsirairay hamaky mangina ny andininy 5, andininy 41–42, na ny andininy 69 ao amin’ny fizarana 76, ka hitady ireo valiny afaka mamaly ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Avelao izy ireo hanome ireo valiny avy amin’izy ireo (jereo ihany koa ny “Nalefany ny Zanany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 20). Ahoana no anehoantsika ny fankasitrahantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanekem-pinoana fahatelo ary asio banga eo amin’ny toeran’ireo teny manan-danja. Soraty eo amin’ny taratasy kely ireo teny banga ireo ary omeo ny ankizy, dia asao izy ireo hametraka ireo teny ireo eny amin’ny toerana tokony hisy azy eny amin’ny solaitrabe. Inona no ampianarin’io fanekem-pinoana io antsika momba ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy?.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:12, 15–19, 114–16

Ny fandalinana soratra masina dia afaka manampy ahy hahatakatra “ny zavatra momba an’ Andriamanitra.”

Nandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon raha nisaintsaina soratra masina izy ireo. Ampio ny ankizy hahita ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny soratra masina manasa fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy raha toa izy ireo ka mahafantatra ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’izy ireo nahita ilay fahitana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Asao izy ireo hamaky ny andininy 15–19 mba hahafantarana izany. Tantarao ny fotoana iray izay nahazoanao fitaomam-panahy nandritra ny famakianao ny soratra masina ary asao ny ankizy hiresaka momba ireo fahatsapana ara-panahy ananan’izy ireo rehefa mamaky ny soratra masina.

  • Asao ny ankizy hanakimpy ny masony ka hiezaka hanao asa iray toy ny mandoko sary na manokatra soratra masina ao amin’ny andininy iray voafaritra tsara. Inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay sarotra ny manao azy rehefa mikimpy ara-panahy ny masontsika? Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:12, 15–19, 114–16 mba hahafantarana ny zavatra ilaintsika atao mba hahafahan’ny masontsika hisokatra ara-panahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70

Nanomana ny fanjakan’ny voninahitra selestialy ho ahy ny Ray any An-danitra.

Ny fahafantarana momba ny voninahitra selestialy izay nomanin’ Andriamanitra dia afaka manainga ny ankizy “[h]andresy amin’ny finoana” (andininy 53) ireo fitsapana sy fakam-panahy atrehan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Raha toa ka misy olona manontany anao hoe “Nahoana aho no tokony hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ireo didiny?” dia inona no holazainao? Asao ny ankizy hitady valinteny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70, izay mamariparitra ny hoe iza no handray ny fiainana mandrakizay ao amin’ny voninahitra selestialy. Avelao ny ankizy samy handray anjara amin’ny famaliana ilay fanontaniana. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana lehibe nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika raha manaraka an’i Jesoa Kristy isika.

  • Manaova sarina masoandro lehibe eo amin’ny taratasy iray ary hetezo ho lasa silaka piozila maro izany. Omeo silany iray ny ankizy tsiraray ary omeo ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hovakina: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51; 76:52; 76:53; 131:1–2. Asao ny ankizy hitady ao amin’ny andinin-tsoratra masin’izy ireo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy (mety ahitana valiny mihoatra ny iray ny andininy sasantsasany), ary soraty eo amin’ny sombin’ny masoandro any amin’izy ireo izany. Eo am-piarahan’izy ireo miasa mba hanambatra ilay piozila dia asehoy ny fahatokisanao azy ireo fa amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy dia afaka ny ho mendrika ny voninahitra selestialy izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny fianakavian’izy ireo momba ny fahitana hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny soratra masina. Na dia mbola tsy afaka mamaky teny aza ny ankizy ampianarinao dia mampiasà soratra masina matetika rehefa mampianatra azy ireo ianao. Avelao izy ireo hahita fa ireo fahamarinana zarainao dia avy ao amin’ny soratra masina.

Hamoaka printy