Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: “Amin’izay omena be no takiana be”


“19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: -Amin’izay omena be no takiana be,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
i Kristy sy ilay zatovo mpanankarena

I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena, nataon’i Heinrich Hoffman

19–25 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

“Amin’izay omena be no takiana be”

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83 manampy ny ankizy ampianarinao hanao ny tsara eo anivon’ny fianakavian’izy ireo sy ny naman’izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hitantara ny zavatra izay nataon’izy ireo mba hanampiana olona tamin’ity herinandro ity. Nahoana no afaka manampy antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy antsika ny fanompoana ny hafa?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3

Tokony hivavaka mandrakariva aho.

Rehefa niantso an’i Frederick G. Williams mba ho mpanolotsaina ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo dia nanoro hevitra an’i Frederick Izy mba ho “mahatoky … amin’ny fivavahana mandrakariva.”

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny torohevitry ny Tompo mba ho “mahatoky … amin’ny fivavahana mandrakariva na amim-peo avo na anakampo na an-kalamanjana na mitokana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3). Hazavao ny dikan’ny hoe mivavaka anakampo, dia mizarà ohatra avy amin’ny tenanao manokana. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana izay ahafahan’izy ireo mivavaka “an-kalamanjana na mitokana.”

  • Ampianaro ny ankizy ny fomba fivavaka. Antitrantero fa azon’izy ireo atao ny misaotra ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azon’izy ireo ary mangataka Aminy ny zavatra izay ilain’izy ireo. Mihirà hira iray momba ny vavaka, toy ny “Misaotra anao aho ô ry Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 9), azonao ampiana ny ankizy mba hahafantatra ny zavatra holazaina ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo. Omeo fahafahana hanao vavaka fohy ny ankizy tsirairay avy.

  • Asao ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay azon’izy ireo isaorana ny Ray any An-danitra na angatahina Aminy. Omeo fahafahana izy ireo hanao sary ireny zavatra ireny ary hampiseho izany amin’ny iray kilasy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; 82:19

Afaka manompo ireo manodidina ahy aho.

Fantatry ny Ray any An-danitra ny zavatra ilain’ireo zanany tsirairay, ary matetika Izy no mampiasa olon-kafa, tahaka ny ankizy ampianarinao mba hanampy amin’ny fanolorana ireny zavatra ilaina ireny. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy hamantatra ny zavatra ilain’ny hafa ka hanompo azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5 ary ampio izy ireo hahatakatra ny teny toy ny hoe “vonjeo ny osa” sy ny hoe “akaro ny tanana izay miraviravy.” Omeo fahafahana izy ireo haneho amin’ny alalan’ny fihetsika ireo fomba azontsika hanatanterahana ny zavatra angatahin’ny Tompo ao amin’io andininy io. Mampiasà sary na horonan-tsary mba hitantarana ireo tantara tsotra izay ahitana an’i Jesoa Kristy manompo ny hafa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 41, 42, 46, 4755; biblevideos.ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ny hafa?

  • Hirao ny andininy fahefatra amin’ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42) na hira iray hafa momba ny fanompoana. Tantarao ny momba ny fotoana iray izay nanampian’ny olona iray anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy anao tamin’ny alalan’ny fanompoany anao.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:19 ka antitrantero ilay andian-teny hoe “hikatsaka ny tombontsoan’ny namany.” Hazavao fa izany dia midika hoe manao ireo zavatra izay manampy ny manodidina antsika, anisan’izany ny fianakaviantsika. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba hahafahany manompo ny hafa amin’ity herinandro ity.

    Sary
    ankizilahy mangady tany

    Andriamanitra dia miangavy antsika hanompo ny hafa mba hampisehoana ny fitiavantsika Azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10

Mampanantena fitahiana Andriamanitra rehefa mankatò Azy aho.

Rehefa mihalehibe ny ankizy dia mety hanontany tena izy ireo hoe nahoana Andriamanitra no manome didy maro be antsika. Afaka manampy ny ankizy ianao hahatakatra fa manome didy antsika Izy mba hitahiana antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra didy nomen’ Andriamanitra antsika (jereo ohatra ny, Eksodosy 20:4–17; Matio 22:37–39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–17). Manaova sary eo amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny ankizy hahatakatra sy hahatsiaro ireo didy ireo. Manomeza ohatra amin’ny fomba hitahian’ireo didin’ Andriamanitra antsika sy hiarovan’izy ireny antsika.

  • Vakio amin’ny ankizy ilay hoe “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10). Angataho ny ankizy mba hamerimberina miaraka aminao io andian-teny io, ary mieritrereta fomba hahafahanao manampy azy ireo hitadidy izany; toy ny manasa azy ireo hitehaka ny paikam-peon’ilay andian-teny. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika dia mitazona ny fampanantenana nomeny antsika Izy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3

Afaka mivavaka “amim-peo avo [sy] anakampo” aho.

Ahoana no fomba ahafahanao mandrisika ny ankizy hitodika any amin’ny Tompo “amin’ny fivavahana mandrakariva” rehefa misy zava-manahirana azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà olona iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3, ary anontanio ny ankizy ny dikan’izany mivavaka “anakampo” izany. Mizarà zavatra niainana iray tamin’ny ianao nivavaka tamin’ny feo avo na tao am-ponao ka nanampy anao ny Tompo. Angataho koa ny ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana. Ahoana ny fomba hampanakaikezan’ny vavaka antsika kokoa amin’ny Ray any An-danitra?

  • Iaraho mamaky na mihira amin’ny ankizy ny hira iray momba ny vavaka toy ny “Moa nivavaka?” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 96) na ny “Ah, douce est l’heure de prier” (Cantiques, no. 77). Asao ny ankizy hizara andian-teny iray avy amin’ilay hira izay manampy azy ireo hahatakatra zavatra momba ny vavaka. Omeo fotoana izy ireo hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampivoarana ny vavaka ataon’izy ireo ary avy eo hanoratra ny hevitr’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5

Tian’ Andriamanitra aho hanompo sy hampatanjaka ireo izay sahirana.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa misy fomba maro ahafahan’izy ireo manompo isan’andro ny fianakaviana, ny namana ary ny manodidina azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina tanana sy lohalika eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5 mba hahafantarana ny zavatra lazain’ny Tompo momba ireo faritra amin’ny vatantsika ireo. Tantarao ny fomba nahitanao sy ny ankizy olona nifanompo. Ahoana no ahafahantsika mahita kokoa ireo olona mila fanampiana manodidina antsika? Asao ny ankizy hanompo olona iray farahakeliny amin’ity herinandro ity. Mba hahitana hevitra misimisy ny amin’ny foma hanompoana ny hafa dia mihirà hira momba ny fanompoana.

  • Asao ny ankizy hifandimby hampijoro daomy milahatra (na zavatra mitovitovy amin’izany) mandritra ny fanononan’izy ireo fomba ahafahan’izy ireo manompo ny hafa. Angataho ny ankizy iray handona daomy iray ary hijery ny fiantraikan’izany amin’ireo daomy hafa. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny asa fanompoana ataontsika hanana fiantraikany mitovy amin’izany amin’ny olona manodidina antsika? Tantarao ny momba ny nanompoan’ny olona iray anao tamim-pitiavana ka namporisihan’izany anao hanampy olon-kafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:9–10

Mampanantena fitahiana Andriamanitra rehefa mankatò Azy aho.

Rehefa manana fahatokiaa an’ireo fampanantenan’ Andriamanitra ny ankizy dia hitombo ny fahavononan’izy ireo hankatò ireo didin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe manana namana izy ireo, izay mieritreritra fa betsaka loatra ny didy nomen’ Andriamanitra. Asao izy ireo hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10 zavatra izay hanampy ny naman’izy ireo hahatakatra ny antony anomezan’ Andriamanitra didy antsika. Zarao ny fomba nitahian’ireo didin’ Andriamanitra anao ary asao ny ankizy hizara ny hevitr’izy ireo ihany koa.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo fampanantenan’ny Ray any An-danitra ho antsika dia zarao ho vondrona telo ny ankizy ary omeo ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hovakiny miaraka: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; 82:10; 130:20–21. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany momba ireo fampanantenan’ny Ray any An-danitra. Ny fankatoavantsika dia hisy fiantraikany eo amin’ireo fitahiana azontsika raisina, amin’ny fomba ahoana? Ampio ny ankizy hieritreritra ohatra avy amin’ny fiainan’izy ireo na avy ao amin’ny soratra masina izay nahitana fa nitondra fitahiana avy amin’ Andriamanitra ny fankatoavana.

  • Mizarà zavatra niainana manokana izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipika nampianarina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10. Ahoana no nahatonga anao ho lasa matoky ny Tompo sy ireo fampanantenany?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra ny fomba tian’izy ireo hanompoana olona iray ao amin’ny fianakavian’izy ireo amin’ity herinandro ity. Mandritra ny lesona amin’ny herinandro manaraka dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra nataon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba ho tonga mpianatra tsaratsara kokoa. Midika mihoatra noho ny fitantarana fahamarinana fotsiny ny hoe mampianatra. Izany dia midika hoe manampy ny hafa hanana fizakan-tena ara-panahy. Amporisiho, ohatra, ny ankizy hieritreritra ny hevitr’izy ireo manokana toy izay hiteny fotsiny amin’ny ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo manompo .

Hamoaka printy