Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 jolay–1 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: “Voatendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana”


“26 jolay–1 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: -Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“26 jolay–1 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
I Joseph Smith mandray ny fisoronana Melkizedeka

Famerenana amin’ny laoniny, nataon’i Liz Lemon Swindle

26 jolay–1 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

“Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–36 ianao dia inona avy ireo fahamarinana tsapanao fa ilaina antitranterina amin’ny ankizy ampianarinao? Raketo an-tsoratra ireo hevi-baovao azonao avy amin’ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika ny fisoronana. Azonao atao ny mampiseho sarin’olona iray omena tsodrano amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana tahaka ny ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–10, ary anontanio ny ankizy ireo fitahiana entin’ny fisoronana eo amin’ny fianakavian’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22, 26–27

Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra ny tanjon’ny fisoronana? Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84, ny Tompo dia nanambara tanjona iray: ny hanampiana antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. (Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fisoronana,” topics.ChurchofJesusChrist.org.)

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20, ary angataho ny ankizy hitsangana rehefa mahare ny teny hoe “ôrdônansy.” Mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny atao hoe ôrdônansy dia mampisehoa sary maromaro ahitana ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–8, ary angataho ny ankizy hilazalaza momba ny zavatra mitranga eo amin’ny sary tsirairay (jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ôrdônansy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Hazavao fa nomen’ny Ray any An-danitra ôrdônansy isika mba hanampiana antsika hiverina hiaina miaraka Aminy.

  • Avelao handoko ilay pejin’ny asa atao ny ankizy. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia hazavao ireo ôrdônansin’ny fisoronana isan-karazany miseho eo amin’ilay pejy ary hazavao ny antony mahatonga anao ho feno fankasitrahana ny amin’ireo ôrdônansy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:77

Naman’i Jesoa aho rehefa manara-dia Azy.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny Mpamonjy dia tia antsika mihoatra lavitra ny itiavan’ny namana akaiky antsika?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 84:77. Asao ny ankizy hanondro ilay sarin’ny Mpamonjy isaky ny mahare ny teny hoe “namana” izy ireo. Hazavao fa rehefa miezaka ny mitandrina ireo didy isika dia mampiseho amin’i Jesoa fa tiantsika Izy. Midika inona aminao izany hoe manana an’i Jesoa ho namana izany.

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra ny sasany amin’ireo zavatra azon’izy ireo atao hampisehoana ny naman’izy ireo fa tian’izy ireo izy ireo. Inona no nataon’i Jesoa mba hampisehoana antsika fa namantsika Izy? Inona no azontsika atao mba hampisehoana ny Mpamonjy fa namany isika? Iaraho mihira ny hira iray mikasika an’i Jesoa Kristy, toy ny “I Jesoa dia namantsika” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88

Manampy ireo misiônerany ny Ray any An-danitra.

Ny fieritreretana ny hoe ho lasa misiônera indray andro any dia mety hampahafaly kanefa mety hampatahotra ny ankizy sasany ihany koa. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88 dia afaka mampianatra azy ireo ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra ireo izay irahiny hitory ny filazantsarany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo misiônera fantatr’izy ireo. Lazao azy ireo fa ny Ray any An-danitra dia nanao fampanantenana manokana ho an’ireo misiônera. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88, ary ampio ny ankizy hieritreritra ireo asa izay mifanaraka amin’ireo fampanantenana ao amin’io andininy io. Lazao azy ireo ny momba ny fotoana iray izay nanompoanao ny Tompo sy nahatsapanao fa niaraka taminao Izy, araka ny voafaritra ao amin’ny andininy 88.

  • Tantarao ny tantaran’ilay ankizilahy efa-taona tao amin’ny hafatry ny Loholona Takashi Wada mitondra ny lohateny hoe “Mivoky amin’ny tenin’i Kristy,” ( Liahona, mey 2019, 38–40). Ampio ny ankizy tsirairay hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo lazaina mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny olona, toy ny hoe mizara ny iray amin’ireo fanekem-pinoana. Asao ny ankizy tsirairay hody hanao hoe mizara ny filazantsara amin’ny namana iray. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia manampy antsika hahafantatra izay holazaina rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny filazantsara isika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:4–5, 18–28, 30

Manampy ahy hiomana hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Rehefa mihalehibe ny ankizy ampianarinao dia ho afaka ny handray anjara bebe kokoa amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana, anisan’izany ny batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ireo maty, izay atao any amin’ny tempoly. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao azy ireo hahatakatra ireo tanjona sy ny herin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Fisoronana Aharôna sy Fisoronana Melkizedeka. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:18, 26–28, 30, ary ampio ny ankizy hanao lisitra ireo fahamarinana ianaran’izy ireo momba ny Fisoronana Aharôna ao amin’ireo andininy ireo. Avy eo dia iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:18–25, ary ataovy lisitra ireo fahamarinana momba ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Asao ny ankizy hanao lisitra ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay efa nandraisan’izy ireo anjara na naha-vavolombelona azy ireo, toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny tsodranon’ny fisoronana, na ny fanasan’ny Tompo. Asao izy ireo hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ireo ôrdônansy ireo. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20 (ampio izy ireo hahatakatra ireo teny tsy mahazatra). Nahoana ny Tompo no manasa antsika handray anjara amin’ireo ôrdônansy? Ahoana no hanampian’ny fisoronana antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra?

    Sary
    ankizy mandray ny fanasan’ny Tompo

    Ireo ôrdônansy dia manampy antsika hahatsiaro ireo fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

  • Manamboara piozila avy amin’ny sarina tempoly iray. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:5, angataho izy ireo mba hihaino ny zavatra nasain’ny Tompo haorin’ireo Olomasina. Omeo silany iray amin’ilay piozila ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hizara ny zavatra izay azon’izy ireo atao mba hiomanana hiditra ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64–72, 81–88

Miaro sy manome hery ireo misiônerany ny Tompo.

Ireo andininy ireo dia ahitana ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ireo izay nantsoiny hitory ny filazantsara. Ireo fampanantenana ireo dia afaka ny hanentana ny fanahin’ny ankizy rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy ary omeo andininy hovakina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64–72, 81–88 ny vondron’olon-droa tsirairay. Asao izy ireo hikaroka ireo fampanantenana nomen’ny Tompo an’ireo izay mizara ny filazantsara. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy. Ampio ny ankizy hieritreritra olona fantatr’izy ireo na olona ao amin’ny soratra masina izay nandray ny fanampian’ny Tompo rehefa nitory ny filazantsara (toa an’i Samoela ilay Lamanita [jereo ny Helamàna 13:2–4; 16:6–7] na i Amôna [jereo ny Almà 17:32–38]). Mizarà zavatra niainana iray izay nahatsapanao ny fanohanan’ny Tompo raha teo am-panompoana Azy ianao.

  • Mitondrà kaopy maromaro na fitoeran-javatra mitovitovy amin’izany ao am-pianarana. Soraty eo amin’ny sombin-taratasy ireo fomba ahafahan’ny ankizy ho misiônera amin’izao fotoana izao, ary ataovy anaty kaopy iray ny sombin-taratasy tsirairay. Avondrony mifanakaiky ireo kaopy eo amin’ny tany. Asao ny ankizy hifandimby hanipy zavatra kely iray ao anatin’ny iray amin’ireo kaopy ary avy eo manao ny fihetsika mifanaraka amin’izay voasoratra eo amin’ilay taratasy tao anatin’izany kaopy izany. Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika na dia mety ho sarotra aza izany na mety hahatsapa tena ho matahotahotra isika?

  • Ampio ny ankizy hahita fa noho ny asa fitoriana ny filazantsara no naha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika. Na ireo misiônera no nampianatra ny filazantsara antsika, na ireo ray aman-drenintsika, na ireo razambentsika. Lazao amin’ny ankizy ny fomba nanampian’ireo misiônera anao na ireo razambenao handray ny filazantsara. Omeo fahafahana ny ankizy hizara zavatra niainana mitovitovy amin’izany. Amporisiho izy ireo hanontany ny ray aman-drenin’izy ireo ny fomba nahafantaran’ireo mpikamban’ny Fiangonana voalohany ao amin’ny fianakavian’izy ireo ny filazantsara.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanao zavatra amin’ity herinandro ity mba hizarana ny filazantsara amin’ny olona ao an-tranon’izy ireo na amina namana iray. Amporisiho izy ireo hangataka ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy hijery ny zavatra ataony hanampiany azy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy izay hampiasana ireo retsipamantarana. “Tena mianatra tsara ny ankamaroan’ny ankizy (sy ny olon-dehibe) rehefa ampandraisina anjara ireo retsipamantarana maro. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsipahitany sy ny retsipandrenesany ary ny retsipahatsapany rehefa mianatra izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy