Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
16–22 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89-92: “Fitsipika omban’ny fanantenana.”


“16–22 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: -Fitsipika omban’ny fanantenana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“16–22 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Sary
lehilahy sy vehivavy mikarakara sakafo

16–22 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

“Fitsipika omban’ny fampanantenana”

Rehefa mandalina ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92 ianao, dia mieritrereta fomba vaovao sy miavaka ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hanao sary sy hiresaka momba ireo zavatra tsara izay nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity mba hikolokoloana ny vatan’izy ireo sy ny fanahin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89

Hotahiana aho rehefa manaja ny Tenin’ny Fahendrena.

Ampianaro ny ankizy fa fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny vatantsika ary tiany isika hikarakara tsara izany.

Sary
ankizilahy mihazakaza eny amoron-dranomasina

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo didin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17, dia manaova sary na mampisehoa sary maneho ireo zavatra tsara azontsika hanina na ireo zavatra tsara azontsika atao mba hihazonana ny vatantsika ho salama (jereo koa ny pejin’ny asa atao aho an’ity herinandro ity). Ampio koa ny ankizy hahatakatra fa ny toaka, ny sigara, ny dite sy ny kafe ary ireo zava-mahadomelina manimba hafa dia manimba ny vatantsika ary nampitandrina antsika ny Tompo mba tsy handray azy ireny. Asao ny ankizy mba hisafidy zavatra azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity mba hitandrovana ny vatan’izy ireo ho salama.

  • Asao ny ankizy mba hifandimby hanao sary iray eny amin’ny solaitrabe izay maneho zavatra iray nampianarina ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Avelao ny ankizy ambiny mba hamantatra ny sary ataon’ny ankizy tsirairay. Resaho ilay didin’ny Tompo ao amin’ny fizarana 89 izay mifandray amin’ilay sary.

  • Ampiasao ity ohatra manaraka ity na ohatra hafa izay eritreretinao, mba hampisehoana fa tena voatahy isika amin’ny alalan’ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21). Miaraha manao fanatanjahan-tena tsotsotra, toy ny fandehanana an-tongotra na fihazakazahana eo an-toerana eo ihany, ary avy eo modia manao hoe “sasatra” na “reraka” (andininy 20). Mijoroa ho vavolombelona mikasika an’ireo fampanantenan’ny Tompo.

  • Mampisehoa sarin’ny tempoly iray ary angataho ny ankizy mba hamaritra ny zavatra hitan’izy ireo. Mampiasà hira iray momba ny fahasalaman’ny vatana toy ny “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly” (Bokin-kiran’ny ankizy, 73), mba hampianarana ny ankizy fa ny vatantsika dia toy ny tempoly ho an’ny fanahintsika ary tian’ Andriamanitra hitandrina ny vatantsika ho salama isika. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika mikarakara ny vatantsika ary avelao izy ireo hilalao an-tsehatra izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5

Omen’ Andriamanitra mpaminany isika mba hitarika sy hiaro antsika.

Ampio ny ankizy hahatakatra ny fomba ahafahan’ireo mpaminanin’ny Tompo manampy antsika mba hahazo fiarovana manoloana ireo zava-tsarotry ny fiainana.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina mpaminany fahiny amin’ny ankizy ary lazao azy ireo ny fomba nampitandreman’ireo mpaminany ireo ny olona tamin’ny andron’izy ireo. (Mba hahitana hevitra dia jereo ny “Araho hatrany ny Mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59.)

  • Nahoana isika no tokony hihaino ireo mpaminanin’ Andriamanitra? Mampisehoa sarin’ny mpaminany amin’izao fotoana izao, ary zarao ny zavatra sasantsasany nampianariny na nampitandremany antsika vao haingana. Asao ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika manaraka ny mpaminany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana izay nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89

Manampy ahy mba ho salama ara-batana sy ara-panahy ny Tenin’ny Fahendrena.

Ny Loholona Gary E. Stevenson dia nanoro hevitra ny tanora mba hanao drafitra mialoha momba izay hataon’izy ireo raha misy maka fanahy amin’ny toaka na zava-mahadomelina izy ireo. Nampianatra izy avy eo hoe: “Ho hitanareo fa tsy manana hery hifehezana anareo ny fakam-panahy. Ho efa nandray ny fanapahan-kevitrareo mikasika izay ho fihetsika hasetrinareo sy ny zavatra hataonareo ianareo. Tsy hila handray fanapahan-kevitra ianareo isak’izay mifanehitra amin’ny fakam-panahy” (“Ny boky mirakitra ny tetikadinareo ao amin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2019, 47). Amporisiho ny ankizy ampianarinao mba hanapa-kevitra amin’izao fotoana izao fa hiaina ny Tenin’ny Fahendrena mandritra ny androm-piainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho vondrona roa ny ankizy ary angataho ny vondrona iray mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–4 ary ilay vondrona iray hafa mba hamaky ny andininy 18–21. Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina fanontaniana toy izao manaraka izao: Nahoana no nanome antsika ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo? Afaka mitahy ahy ara-batana sy ara-panahy amin’ny fomba ahoana ny Tenin’ny Fahendrena?

  • Manamboara fehezan-teny misy banga izay ilaina fenoina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fehezan-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89, toy ny hoe “ dia efa voatendry ho fampiasan’ny olona sy ny biby” na “Ary fa tsy ho reraka” (andininy 14, 20). Asao ny ankizy hiara-hiasa amin’ny namana iray mba hitady ireo valiny ao amin’ny fizarana 89. Asao ny ankizy hanasokajy ireo fehezan-teny ao anatin’ireto sokajy manaraka ireto: zavatra tsara ho an’ny vatana, zavatra ratsy ho an’ny vatana, ary fitahiana.

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4 ary ny iray hafa hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Stevenson etsy ambony. Nahoana isika no tokony hanapa-kevitra amin’izao fotoana izao mba hanaja ny Tenin’ny Fahendrena fa tsy hiandry mandra-pisehon’ny fotoan’ny fakam-panahy? Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba mety hamalian’izy ireo raha misy olona iray, na namana mihitsy aza, mandroso zavatra ho azy ireo izay mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Nahoana no miaro antsika ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:2, 5, 14–16

Ny Fiadidiana Voalohany no mihazona “ny fanalahidin’ny fanjakana.”

Ireo torolalan’ny Tompo ho an’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 1833 (Joseph Smith, Sidney Rigdon, sy Frederick G. Williams) dia afaka manampy ny ankizy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Fiadidiana Voalohany ankehitriny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:14–16 ary hanoratra ny sasany amin’ireo zavatra izay nasain’ny Tompo nataon’ny Fiadidiana Voalohany. Ampisehoy ny ankizy ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany amin’izao fotoana izao ary mitantarà zavatra mikasika azy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny antso masin’izy ireo ary ireo fitahiana voarainao tamin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo.

  • Iaraho vakina amin’ny ankizy ny zavatra iray izay nampianarin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Iaraho vakina avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5. Inona no dikan’ny hoe “mandray ny fanambarana … ho zava-maivana”? Ahoana no ahafahantsika maneho fa manan-danja amintsika ireo mpaminany sy ireo zavatra ampianarin’izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91

Afaka manampy ahy hahafantatra izay marina ny Fanahy.

Rehefa mamaky ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith momba ny Apôkrifa ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’izany torohevitra izany manampy ny ankizy hanavaka ny zavatra marina sy ny zavatra tsy marina izay ho hitan’izy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakina ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny atao hoe Apôkrifa (jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôkrifa,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ampio ny ankizy hieritreritra ireo sehatra hafa, toy ny haino aman-jery izay mety ahitantsika “zavatra maro … izay marina” ary “zavatra maro … tsy marina” (andininy 1–2). Asao avy eo ny ankizy hamaky ny fizarana 91 mba hahafantarana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa azontsika atao mba hanavahana ny zavatra marina sy ny zavatra tsy marina.

  • Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:4–6, ary anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Fanahy Masina. Asao ny ankizy hizara zavatra niainana manokana izay “[nanehoan’ny] Fanahy ny fahamarinana” tamin’izy ireo. Zarao koa ny zavatra niainanao manokana. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny Fanahy manampy antsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo androany mikasika ny fikarakarana ny vatan’izy ireo sy ny fanahin’izy ireo na ny tanjon’izy ireo hanaja ny Tenin’ny Fahendrena.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao rehefa mampianatra ireto rindran-damina ireto. Fa natao kosa itony mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Hamoaka printy