Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
2–8 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo”


“2–8 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87: -Mitsangàna eo amin’ny toerana ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“2–8 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
fianakaviana mandeha an-tongotra ho any amin’ny tempoly

2–8 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87

“Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo”

Koa satria voafetra ihany ny fotoanao miaraka amin’ny ankizy dia mikatsaha fitarihana ara-panahy mba hahafantarana ireo fitsipika avy ao amin’ny soratra masina izay tokony ho antitranterinao. Matokia an’ireo bitsika voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy sary vitsivitsy na ilay pejin’ny asa atao nampiasainao tamin’ireo lesona natao vao haingana ny ankizy, ary asao izy ireo hizara ny zavatra izay tsaroan’izy ireo fa nianarany momba ireo na tao am-pianarana na tany an-trano.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6

Miresaka amiko amin’ny “feo tony sy malefaka” ny Fanahy.

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Na dia hoe tsy mahavita na inona na inona mihoatra ny manampy ireo mpianatrao hamantatra sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy aza ianao amin’ny fifandraisanao amin’izy ireo dia hitahy ny fiainan’izy ireo be tokoa sy mandrakizay ianao” (“To Learn and to Teach More Effectively” [fampaherezam-panahy nandritra ny Herinandron’ny Fianarana an’ny Brigham Young University , 21 aog. 2007], 5, speeches.byu.edu).

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny fomba namariparitan’i Joseph Smith toy izao ny Fanahy: “Eny, toy izao no lazain’ilay feo tony sy malefaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6). Angataho ny ankizy hitanisa zavatra izay kely (mampisehoa sary raha mila fanampiana izy ireo). Asao izy ireo hitorovoka amin’ny tany ka hiforitra kely sy ho tony faran’izay vitan’izy ireo. Ampio izy ireo hieritreritra ny mahatonga ny feo ho malefaka ary omeo fahafahana izy ireo hanao fanazarana hihaino na hiteny amin’ny feo malefaka. Tantarao azy ireo ny fotoana niresahan’ny Fanahy taminao tamin’ny feo tony sy malefaka.

  • Ampianaro hira momba ny Fanahy ny ankizy, toy ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Asao izy ireo hiara-hihira izany aminao amin’ny feo mibitsibitsika. Inona no ampianarin’io hira io momba ny Fanahy Masina? Ampio ny ankizy hamantatra ny fotoana izay mety nahatsapan’izy ireo ny fitaomany (ohatra hoe rehefa mivavaka, mihira hira ao amin’ny fihirana, na manampy ny hafa).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11

Afaka ny ho fahazavana ho an’ny hafa aho.

Ny Fizarana 86 dia mamariparitra ireo asa manan-danja tian’ny Tompo hataon’ireo mpanompony amin’ny andro farany. Fomba iray azon’ny ankizy hanampiana amin’io asa io ny mitoetra ho fahazavana ho an’ireo manodidina azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ity fehezan-teny manaraka avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11 ity: “Sambatra ianareo raha mitozo ao amin’ny fahamoram-panahiko, ho fahazavana ho an’ny Jentlisa [na ireo olona tsy manana ny filazantsara].” Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ny fahazavana antsika? Ohatra ny ahoana rehefa tsy manana hazavana isika? Ahoana no ahafahantsika ho fahazavana ho an’ireo olona hafa izay tsy mahafantatra momba ny filazantsara? Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika mizara ny hatsaran’i Jesoa amin’ny hafa.

  • Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe misy namana iray miezaka ny mamindra ao anatin’ny haizina (vonoy ny jiro raha manampy izany). Nahoana no sarotra ny mamindra ao anatin’ny haizina? Inona no azontsika atao mba hanampiana ilay namantsika? Hazavao fa rehefa manaraka ny Mpamonjy isika dia mitovy amin’ny mandrehitra hazavana iray mba hampisehoana ny hafa ny lalan-kalehany.

  • Ny gazetiboky Liahona sy ny Namana matetika dia ahitana tantara momba ireo ankizy izay miezaka ny ho ohatra tsara. Mitadiava anankiray hozaraina amin’ny ankizy izay hitaona azy ireo ho ohatra tsara ihany koa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Afaka ny ho “toerana masina” ny tokantranontsika.

Tsy misy tokantrano tonga lafatra, saingy misy ireo zavatra azontsika atao mba hampahatonga ny tokantranontsika ho toerana masina hisian’ny fiadanana.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ny ankizy fa i Joseph Smith dia niahiahy ny amin’ireo zavatra izay nitranga teo amin’izao tontolo izao. Fintino ny sasin-tenin’ny fizarana 87, na vakio ny “Chapitre 30: Une révélation à propos de la guerre” (Histoires des Doctrine Et Alliances, 117–18; jereo koa ilay horonan-tsary ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Angataho ireo ankizy hihaino ireo zavatra izay mety ho nampiahiahy an’i Joseph. Mba hampianarana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony hataontsika manoloana ireo olana ireo dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8.

  • Mampisehoa sarina tempoly iray dia lazao ny antony mahatonga ny tempoly ho trano masina. Mampisehoa sarina tokantrano iray ary ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manao ny tokantranon’izy ireo ho masina tahaka ny tempoly (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Nahoana isika no te ho ao amina toerana masina?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6

Miresaka amiko amin’ny “feo tony sy malefaka” ny Fanahy.

Maro be ireo zavatra mahavarimbariana eo amin’izao tontolo izao izay mety hampananosarotra ny handrenesana ny Fanahy. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy hihaino ny feon’ny Fanahy?

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra holazain’izy ireo raha misy olona manontany azy ireo ny fomba ahafantaran’izy ireo ny fotoana iresahan’ny Fanahy Masina amin’izy ireo. Asao izy ireo hamaky momba ny fomba iray namariparitan’i Joseph Smithy ny feon’ny Fanahy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6.

  • Alefaso moramora ny hira iray ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy ary angataho ny ankizy iray hamantatra hoe inona ilay hira, ary ny ankizy hafa kosa manao feo manelingelina toy ny tehaka sy ny godogodona. Avy eo dia asao ny ankizy hafa hanatsahatra izany ka hifanakalo hevitra ny amin’ny mampitovy izany amin’ny fihainoana ny Fanahy Masina rehefa esorintsika eo amin’ny fiainantsika ireo zavatra mahavarimbariana. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra mahavarimbariana izay azon’izy ireo esorina eo amin’ny fiainan’izy ireo mba hahatsapana matetika ny Fanahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86

Afaka manampy amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra aho.

Ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary dia miresaka momba “ny andro farany, dia ankehitriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:4). Ampiasao io fanoharana io mba hanampiana ny ankizy hahatsapa ho voataona handray anjara amin’ny “[fanangonana] ny vary” (andininy 7).

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny ankizy ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary, na asao ny ankizy iray hitantara izany (jereo ny Matio 13:24–30). Asao ny ankizy hanao sarina zavatra avy amin’ilay fanoharana. Avy eo dia iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7, ka asao ny ankizy hanoratra eo amin’ny sarin’izy ireo hoe maneho inona ny sary nataon’izy ireo.

  • Manomàna sary kely maromaro na sarina vary natao tanana, dia afeno manerana ny efitrano izany. Asao ny ankizy tsirairay hanampy amin’ny fanangonana ny vary ary hanoratra eo amin’izany ny anaran’olona iray izay azon’izy ireo “angonina” hankany amin’i Jesoa Kristy. Inona no dikan’izany hoe manangona olona hankany amin’i Jesoa Kristy izany? Inona avy ireo fomba ahafahantsika manao izany? Aminao, inona no dikan’ny hoe “mitozo ao amin’ny fahamaram-panahin’[ny Mpamonjy],” ary ahoana no hanampian’izany antsika hanangona ny vahoakany hankany Aminy? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Afaka “mitsan[gana] … eo amin’ny toerana masina” aho.

Hiatrika loza ara-panahy sy ara-batana ny ankizy mandritra ny fiainany manontolo. Afaka manampy azy ireo hiomana hiatrika ireny loza ireny ianao amin’ny fampianarana azy ireo hitady toerana masina sy hijoro eo amin’izany .

Sary
vehivavy iray sy ankizy iray eo ivelan’ny tempoly

Ny asa fanompoana atao any amin’ny tempoly dia fomba iray ahafahantsika manampy amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6 mba hianarana momba ireo zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany. Asao ny ankizy hiresaka momba ireo olana atrehan’ny ankizy amin’ny taonan’izy ireo indraindray. Asao izy ireo hitady ao amin’ny andininy 8 ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony hataontsika mandritra ireo fotoan-tsarotra. Resaho amin’ny ankizy ny momba ireo toerana masina eo amin’ny fiainanao.

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra ireo toerana masina, eritreritra masina, sy zavatra atao masina izay afaka manampy azy ireo hiatrika loza ara-panahy. Asao izy ireo hitahiry ny lisitra nataon’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mijery izany amin’ny fotoana ilana izany.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hisafidy zavatra iray izay hataon’izy ireo mba hahatonga ny tokantranon’izy ireo na ny fiainan’izy ireo ho “toerana masina.”

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny fahaizanao mamorona. Aza feranao amin’ireo hevitra momba ny asa atao aroso ato amin’ity rindran-damina ity ny tenanao. Avelao ireo hevitra ireo handrehitra ny fahaizanao mamorona. Eritrereto ny zavatra ho tian’ny ankizy ao amin’ny kilasinao sy ny zavatra hanampy azy ireo hianatra.

Hamoaka printy