Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
23–29 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: “Mandray amin’ny fahafenoany”


“23–29 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: -Mandray amin’ny fahafenoany,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“23–29 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93.” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Sary
Mahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy i Stephen

Hitako ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

23–29 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

“Mandray amin’ny fahafenoany”

Fanahy zanakalahy sy zanakavavy sarobidin’ny Ray aman-dReny any An-danitra ireo ankizy ampianarinao ary niara-niaina taminy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Rehefa avy nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ianao dia inona no tsapanao fa anentanan’ny Fanahy anao mba hataonao hanampiana ireo ankizy ireo hitombo “ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana.”? (andininy 40).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy (tahaka ireo ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, na ireo gazetibokin’ny Fiangonana), dia asaivo mizara ny zavatra fantany momba Azy ny ankizy. Mety ho afaka mizara soratra masina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 izay nanampy azy ireo nianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo ankizy efa lehibebe.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2–21

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy

Zava-dehibe ny hianaran’ireo ankizy ampianarinao momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony tokony hanarahan’izy ireo Azy. Ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy hita ao amin’ny fizarana 93 dia afaka manampy.

Sary
varavarankely fitaratra

Mandray ny hazavan’i Jesoa Kristy isika reheta mitandrina ny didiny.

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana fahamarinana maromaro nianaranao momba ny Mpamonjy tao amin’ny fizarana 93 izay hitanao fa mitaona fanahy. Ho an’ny fahamarinana tsirairay izay safidianao dia vakio amin’ireo ankizy ny toerana misy izany, dia omeo teny manan-danja izy ireo mba hohenoiny eo am-pamakianao. Mizarà fijoroana ho vavolombelona fohy ary avelao ireo ankizy hizara ny azy. Ireto fahamarinana tanisaina manaraka ireto dia afaka manome hevitra anao:

    Nanao ny asan’ny Ray i Jesoa Kristy (andininy 5).

    I Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao (andininy 9).

    I Jesoa Kristy no Mpamorona izao tontolo izao (andininy 10).

    Nahazo ny hery rehetra tany an-danitra sy teto an-tany i Jesoa Kristy (andininy 17).

    I Jesoa Kristy dia niaraka tamin’ Andriamanitra tany am-piandohana (andininy 21).

  • Asao ireo mpianatra mba hihaino ny zavatra izay nianarany momba ny Mpamonjy eo am-pamintinanao amin’ny teninao manokana ny sasany amin’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny fizarana 93. (Azonao ampiasaina ihany koa ny “Chapitre 33: Une révélation sur Jésus-Christ” [Histoires des Doctrine et Alliances, 126–27].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:23, 29

Niara-nipetraka tamin’ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahatongavako teto an-tany.

Nahoana no mety ho zava-dehibe ny manampy ireo mpianatra ampianarinao hahatakatra fa niara-nipetraka tamin’ny Ray any An-danitra izy ireo talohan’ny nahaterahan’izy ireo? Nitahy anao tamin’ny fomba ahoana ny fahalalana io fahamarinana?

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno tononina miaraka amin’ireo ankizy ny hoe: “Ianareo dia niaraka koa tamin’ny Ray tany am-piandohana”((Bokin-kiran’ny ankizy, 2).

  • Asao ireo mpianatra mba handoko ny pejin’ny asa atao ary hanao ny sarin’izy ireo miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tao amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa tia antsika rehetra Andriamanitra ary zanany avokoa isika rehetra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2–21

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy

Arakaraka ny hahatakarantsika ny momba an’i Jesoa Kristy no hitiavantsika hanompo Azy lalina sy amin’ny fo bebe kokoa ka ho tonga any amin’ny Ray amin’ny alalany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy, dia angataho ireo mpianatra hoe nahoana no zava-dehibe ny hahafantarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo mba hitady valiny fanampiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19. Asao izy ireo hieritreritra fomba iray ahafahany mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa mandritra ny herinandro manaraka, ary omeo fahafahana izy ireo hizara ny heviny.

  • Mieritrereta fomba iray entina mamporisika ireo mpianatra hamaky ny momba ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 93. Afaka manoratra andininy maro avy amin’ny fizarana 93 eo amin’ny tapa-taratasy ianao izay mampianatra fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy (ohatra, jereo ny andininy 5, 9–10, 17, 21). Ataovy anaty fitoeran-javatra ireo tapa-taratasy ary angataho ireo ankizy mba hifandimby hisafidy iray amin’izany ka hamaky ilay andinin-tsoratra masina amin’ny kilasy. Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:23, 29, 38

Niara-nipetraka tamin’ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahatongavako teto an-tany.

Nanamafy in-telo ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 93 fa niara-nipetraka tamin’ Andriamanitra isika “tany am-piandohana” (andininy 23, 29, 38). Nahoana no tiany isika mba hahay izany? Mitahy ireo ankizy ampianarinao amin’ny fomba ahoana ny fahalalana io fahamarinana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:23, 29, 38 ary asao ireo ankizy mba hitady fahamarinana iray momba azy ireo izay miverimberina ao amin’ireo andininy ireo. Angataho ireo ankizy mba hizara izay zavatra fantany momba ny fiainantsika niaraka tamin’ny Ray any An-danitra talohan’ny nahaterahantsika. Omeo iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hitady zavatra amin’ireo soratra masina ireo momba ny fiainana talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany: Jeremia 1:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56; Mosesy 3:5; Abrahama 3:22–26.

  • Iaraho hiraina ny “(Bokin-kiran’ny ankizy, 2). Inona no fahamarinana ianarantsika avy amin’io hira io momba ny tanjontsika amin’ny fahatongavana ety an-tany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24

Ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra lasa sy ankehitriny ary ho avy.

Manana fomba fijery samihafa momba ny atao hoe fahamarinana sy ny fomba hahitana izany izao tontolo izao. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy ampianarinao mba hahatakatra fa ny fahamarinana dia marina foana na inona na inona mety holazain’ny hafa ary ny Ray any An-danitra dia mahafantatra ny fahamarinana rehetra?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahamarinana dia angataho ireo ankizy mba hanoratra famaritana izany eo akaikiny. Vakio miaraka ny fomba namaritan’ny Tompo ny fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24. Mihirà fihirana toy ny “Lazao ny marina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 61), ary asao ireo ankizy mba hitady fomba hafa ao amin’io fihirana io entina hamaritana ny atao hoe fahamarinana.

  • Mba hanampiana ireo ankizy hampihatra fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 dia manorata soratra masina vitsivitsy avy amin’io fizarana io amin’ny taratasy kely maromaro. Soraty amin’ny taratasy kely maromaro hafa ireo fahamarinana izay ampianarin’ireo andininy tsirairay ireo. Asao ireo mpianatra mba hiara-hiasa hamaky ireo andininy ary hampifandray ireo fahamarinana amin’ny andininy izay vakiny. Nahoana isika no feno fankasitrahana fa manana fahalalana ny fahamarinana?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mba hanoratra na hanao sary zavatra izay nianarany tato amin’ny kilasy ary hizara izany amin’ny fianakaviany rehefa tonga any an-trano.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hamantatra ny Fanahy. Rehefa miaina zavatra ara-panahy miaraka amin’ireo ankizy ianao (ohatra rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’izy ireo, na mihaino ny fijoroana ho vavolombelona izay zarainy, na miaraka mihira aminy), dia ampio izy ireo hahafantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy