Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
30 aogositra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97: “Ho famonjena an’i Ziona”


“30 aogositra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97: -Ho famonjena an’i Ziona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“30 aogositra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland, nataon’i Al Rounds

30 aogositra–5 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97

“Ho famonjena an’i Ziona”

Mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantarana izay fitsipika avy amin’ny fizarana 94–97 ho antitranterina rehefa mampianatra ianao. Azonao amboarina ireo asa atao ho an’ny ankizy kely mba ho an’ny ankizy lehibe, dia mety koa ny mifamadika amin’izay.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarina tempoly amin’ny ankizy ary asao izy ireo hizara izay fantany momba ny tempoly. Afaka miresaka momba izay tsapany koa izy ireo rehefa mahita tempoly iray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8; 97:15–16

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Na ny ankizy tao Kirtland aza dia nanampy tamin’ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland, tamin’ny fomba kely nefa manan-danja. Ampio ny ankizy ampianarinao hampatanjaka ny fitiavany ny tranon’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana)). Mampiasà andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8 mba hampianarana ny ankizy momba ny didin’ny Tompo mba hanangana tempoly. Avelao ny ankizy hifandimby hihazona ilay sary ary hiteny hoe “Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.”

    Sary
    Tempolin’i Kirtland

    Nanangana tempoly ny Olomasina mba hahatsapana ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra.

  • Lazao amin’ny ankizy fa ao amin’ny tempoly tsirairay dia misy ny soratra hoe “Fahamasinana ho an’ny Tompo. Ny tranon’ny Tompo.” Raha azo atao dia asehoy azy ireo ny sarin’ireo teny ao amin’ny tempoly ireo. Nahoana ny tempoly no toerana miavaka? Mamakia andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16 izay mampianatra momba ny hoe tranon’ny Tompo ny tempoly, ary zarao ny fahatsapanao momba ny tempoly.

  • Asao ny ankizy mody hanao hoe manampy amin’ny fananganana tempoly izy ireo (manapaka hazo, mampiditra fantsika amin’ny alalan’ny marotoa, mandoko rindrina, sns). Hazavao fa tena zava-dehibe amin’ny Tompo ny tempoly, sarotra tamin’ireo Olomasina ny nanangana ny Tempolin’i Kirtland, ary nanao fahafoizana betsaka ho an’izany izy ireo.

  • Iaraho mihira ny hira iray hanampiana ny ankizy hahatsapa fanajana ny tranon’ny Tompo, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Avelao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8

Afaka ny ho marin-toetra aho.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8 dia milaza ny fahamarinan-toetra ho iray amin’ireo toetran’ “ireo [izay ekeny]” ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ny ankizy lehibe fa Andriamanitra dia nampianatra hoe rehefa marin-toetra isika dia manaiky antsika Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8). Mizarà amin’izy ireo tantara fohy hoentina hanampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe fahamarinan-toetra. Ireo tantara ireo dia afaka ny ho avy amin’ny fiainanao manokana, avy amin’ny fiainan’olona fantatrao, na avy amin’ny Namana na ny Liahona. Ampio ny ankizy hamerina hizara ireo tantara aminao na hizara zavatra niainana teo amin’ny fiainany mahakasika ny fahamarinan-toetra.

  • Ampio ny ankizy hianatra ny andian-teny voalohany ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo manao hoe: “Mino isika fa tokony ho marina.” Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ohatra mahakasika ny hoe marin-toetra sy tsy marin-toetra. Ohatra, azon’ny ankizy atao ny mody manao hoe maka zavatra amin’ny mpiray tampo aminy ary miteny amin’ny ray aman-dreniny hoe tsy naka ilay izy akory. Dia ampio ny ankizy hilalao izany toe-javatra izany ihany saingy milaza ny marina amin’ny ray aman-dreniny indray izy ireo. Hazavao fa izany no hoe marin-toetra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–3, 8, 11–17; 97:10–17

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny lanjan’ny tempoly ho an’ny Tompo—ary ny tokony ho lanjan’izany ho antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hiresaka momba ny fotoana izay tokony nanaovany zavatra iray saingy tsy nataony avy hatrany izany. Ampio ny ankizy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:3, 8, ary anontanio ireo ankizy hoe inona no didy nolazain’ny Tompo izay tsy nankatoavin’ireo Olomasina. Iaraho mamaky ny andininy 11. Inona no mila nataon’ny Olomasina mba hahafahana manangana ny tempoly? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fampanantenana nomen’ny Tompo?

  • Manorata fitsipika momba ny tempoly hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 sy 97 amina karatra vitsivitsy, miaraka amin’ny soratra masina mifandraika aminy, dia ataovy ao anaty kitapo ireo karatra. Ohatra: Mitaky fahafoizan-tena ny fananganana tempoly (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:11–12) ary Tsy maintsy mendrika isika vao afaka miditra ny tempoly (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–17). Zarao tsiroaroa ny ankizy. Avelao ny ekipa tsirairay haka karatra iray avy ao amin’ilay kitapo ary hiara-hiasa hamaky ny soratra masina ao amin’ilay karatra ka hiresaka momba ny dikan’ilay fitsipika amin’izy ireo. Ampio ny ankizy hahatakatra ny zavatra vakiany raha ilaina izany.

  • Manasà tanora iray avy ao amin’ny paroasy na sampana misy anareo izay efa tany amin’ny tempoly hizara ny traikefany ary hilaza amin’ny ankizy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana ho any amin’ny tempoly.

  • Ampiasao ilay lahatsoratra hoe “Ny lalanao mankany amin’ny tempoly” (ao amin’ Ireo tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [laharana manokan’ny Liahona, nivoaka tamin’ny ôkt 2010], 72–75) hanampiana ny ankizy hahatakatra ny zava-mitranga ao anatin’ireo tempoly ary ny fomba ahafahan’izy ireo miomana. Hevero ny hanome ny ankizy tsirairay ampahan’ilay lahatsoratra hovakiana ary avelao izy ireo hizara izay nianarany.

  • Mampisehoa sarina tempoly ary asao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ny hoe hankany amin’ny tempoly indray andro any.

  • Iaraho mihira ny hira iray momba ny tempoly, toy ny hoe “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Inona no andian-teny ao amin’io hira io izay mampianatra antsika ny antony maha-masina ny tempoly?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–2, 8–9, 21

Ny Ziona dia “ny madio am-po.”

Ampio ny ankizy hahatakatra fa i Ziona dia tsy toerana fotsiny ihany; izany dia ny “madio am-po” ihany koa (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21, ary anontanio azy ireo ny dikan’ny hoe “madio”. Mba hanehoana izany amin’ny alalan’ny ohatra dia mampisehoa vera misy rano madio, ary resadresaho ny antony maha-zava-dehibe ny fananana rano madio. Ampio zavatra ao amin’ilay rano ka hahatonga azy tsy hadio (toy ny vovoka na dipoavatra ohatra). Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21 indray ary hikitika ny teny hoe “madio” amin’ny tanany. Inona no dikan’ny hoe madio ny fontsika? Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny hoe madio am-po dia tsy midika akory hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy. Inona no azontsika atao mba ho lasa madio am-po kokoa? Ahoana no anampian’ny Mpamonjy antsika?

  • Ampio ny ankizy hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–2, 8–9, 21 mba hitadiavana teny na andian-teny izay mamariparitra ny fomba hahafahana manana fo madio kokoa. Angataho izy ireo haka teny na andian-teny iray, hanoratra izany amin’ny taratasy, ary hametraka izany ao anaty fitoeran-javatra iray. Alaivo tsikelikely ireo taratasy ary angataho ny ankizy handroso zavatra izay azony atao mba hampiasana izany hevitra izany eo amin’ny fiainany. Ohatra, inona no azontsika atao mba “hahita ny fahamarinana” (andininy 1) na mba ho lasa “mahitsy” kokoa (andininy 8)?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hizarana amin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany androany momba ny tempoly.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba hametraka fanontaniana. “Miezaha mba handray ny fanontanian’[ny ankizy] ho toy ny fahafahana manao zavatra fa tsy toy ny zavatra manelingelina na zavatra manakantsakana ny lesonao. … Ny fanontaniana toy izany dia manome anao hevitra manan-danja mikasika ny zavatra eritreretin’ny ankizy, ny olana ananany, ary ny fandraisany andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra ianarany. Ampio izy ireo hahita fa ny valin’ny fanontaniany dia afaka ny ho hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).

Hamoaka printy