Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102-105: “Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana”


“13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105: -Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105–105,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
lehilahy maro mitondra sarety

C. C. A. Christensen (1831–1912), Zion’s Camp, c. 1878, tempera on muslin, 78 × 114 inches. Musée des arts, Oniversiten’i Brigham Young, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C. C. A. Christensen, 1970.

13–19 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102-105

“Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana”

Anisan’ny singa manan-danja amin’ny fiomananao mba hampianatra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–5. Henoy ireo fahatsapana ara-panahy momba ny fomba hanampiana ireo ankizy hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampio ireo ankizy hisafidy hira iray hohiraina izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra nianarany tany an-trano na tany am-piangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9

Afaka ny ho “fahazavana ho an’izao tontolo izao” aho.

Ahoana no hamporisihanao ny ankizy ampianarinao mba hizara ny fahazavan’ny filazantsara amin’ny manodidina azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9 ary asao izy ireo mba hihazona sarina jiro iray, na labozia, na loharanom-pahazavana hafa. Asaivo asehony amin’ny olona iray hafa ao amin’ny kilasy ny sariny. Lazao amin’ireo ankizy ny maha-fahazavana azy ireo ho an’ny hafa rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo.

  • Mihirà hira iray momba ny fanehoana ohatra miaraka amin’ny ankizy toy ny “Tian’i Jesoa mba hazava aho” na ny “Kintana mamiratra re aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 38, 80). Ampio izy ireo hieritreritra fihetsika izay mifanaraka amin’ny tonony. Ahoana no ahafahantsika ho fahazavana, na ohatra tsara, ho an’ny olona manodidina antsika?

    Sary
    labozia mirehitra

    Afaka ny ho fahazavana ho an’izao tontolo izao aho.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:42

Hitahy ahy ny Tompo rehefa mitandrina ny didiny aho.

Imbetsaka ao amin’ny fizarana 104 ny Tompo no mampanantena “hamaroan’ireo fitahiana” ho an’ireo izay mankatò ny didiny. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa fa te hitahy antsika maimaimpoana Izy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao izy ireo hanao fihetsika, toy ny manetsiketsika ny ratsan-tanany, isaky ny maheno ny teny hoe “fitahiana” eo am-pamakianareo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:42. Lazao amin’ny ankizy ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra anao noho ny fitandremana ny didiny. Asaivo mizara ny fomba nitahiany azy ireo ny ankizy. Asao ny ankizy tsirairay hizara didy iray azon’izy ireo ankatoavina.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “hamaroana” dia manaova sarina faribolana eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy kely iray. Angataho ireo ankizy mba hanampy anao hampitombo ny isan’ireo faribolana, manao anankiroa, avy eo efatra, dia valo, dia enina ambin’ny folo, dia ohatra an’izay hatrany, mandrapahafeno faribolana ny tabilao na ilay taratasy kely iray manontolo. Isaky ny manampy faribolana ianao dia ampio ireo ankizy hieritreritra fitahiana izay nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo. Hazavao fa ny “hamaroan’ny fitahiana” dia midika fa hameno fitahiana ny fiainantsika ny Tompo rehefa mankatò ny didiny isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:39–40

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Misy lesona maro azontska ianarana avy amin’ireo zavatra niainan’ny tobin’i Ziona. Ny iray izay mety ho tena manan-danja amin’ireo ankizy dia ny hoe miteraka fahasarotana ny fifandirana sy ny ady, fa ny firaisankina sy ny fihavanana kosa no mitondra fitahiana.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy amin’ny teninao manokana ny tantaran’ny tobin’i Ziona (jereo ny fampidirana ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Miatoa matetika mba hanazavana lesona azontsika ianarana avy amin’ny tobin’i Ziona, ohatra hoe tian’ny Tompo ho tia fihavanana sy hiara-hiasa isika fa tsy hifanditra sy hiady.

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–40 ary angataho ny ankizy hitsangana isaky ny mahare ny teny hoe “fiadanana.” Hazavao fa tian’ny Tompo hihavana tamin’ireo olona izay ratsy fanahy ny olomasina. Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo atao mba ho mpampihavana, ary asao izy ireo mba hilalao toe-javatra an-tsehatra.

  • Mizarà tantara izay momba ny ankizy iray izay mpampihavana teo amin’ny fiainanao na avy ao amin’ny Namana na Liahona. Mihirà hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 61) na vitao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–18

Tian’ny Tompo hizara ny zavatra anananako amin’ireo sahirana aho.

Diniho ny fomba hanampianao ny ankizy hahatakatra ny fomba fanomezan’ny Tompo ny zavatra ilain’ireo sahirana.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo minitra vitsy ireo ankizy hanaovana lisitra an’ireo fitahiana izay nomen’ Andriamanitra azy ireo. Amporisiho izy ireo hitanisa betsaka araka izay hitany. Avy eo dia iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–18 mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto: Iza no tena tompon’ny zavatra rehetra? Nahoana no omeny antsika izy ireny? Inona no tiany hataontsika amin’ireny zavatra ireny? Ampio ireo ankizy hieritreritra fomba hizarany ny fitahiany amin’ny hafa.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nanomezan’olona anao zavatra izay nilainao, asao ny ankizy hizara zavatra niainana mitovy amin’izany. Inona no ianarantsika avy amin’ireo zavatra niainana ireo momba ny fanompoana ny hafa? Asao ny ankizy mba hahafantatra ireo izay mila fanampiana ary hitady olona hotompoina amin’ity herinandro ity, ohatra hoe olona any an-tsekoly na olona ao amin’ny fianakaviany indrindra indrindra.

  • Asao ireo ankizy hikaroka hira ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy na ny Fihirana izay miresaka momba ny fanompoana (jereo ny lohahevitra manaraka ny abidia). Miaraha mihira ny iray na roa amin’izany, ary miresaha momba ny zavatra ampianarin’ireo hira ireo antsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9–19

Afaka mankatò ny didin’ny Tompo aho na dia tsy azoko aza ny antony hanaovana izany.

Ny zavatra niainan’ny tobin’i Ziona dia afaka ny ho fomba mahery vaika hanehoana ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fikatsahana ny hanaraka ny sitrapon’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny tobin’i Ziona. Raha mila fanampiana izy ireo dia ampiasao ny fampidirana ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ny ankizy mba mody hanao hoe anisan’ny tao amin’ny tobin’i Ziona, ka hitantara ny zavatra niainany amin’ireo zanany. Inona no ho tian’izy ireo hianaran’ny zanany avy amin’ireo zavatra niainana ireo?

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:13–14 dia hazavao fa rehefa tonga tao Missouri ny tobin’i Ziona dia nolazain’ny Tompo izy ireo tsy hiverina haka ny tanin’ny Olomasina. Tezitra ny olona sasany tao amin’ilay toby ary nanontany tena hoe nahoana izy ireo no nodidiana handeha any. Inona no tokony hataontsika rehefa tsy takatsika ny antony hankatoavana didy iray? Mizarà tantara avy ao amin’ny “Feon’ny famerenana amin’ny laoniny: tobin’i Ziona” (ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) mba hanampiana ny ankizy hahita fa tonga ny fitahiana rehefa mankatò ireo didy omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny isika, na dia tsy takatsika aza ny antony.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra niainan’ny tobin’i Ziona amin’ny olona any an-trano, miaraka amin’ny lesona iray izay nianarany avy amin’ireo zavatra niainana ireo. Na asao izy ireo hieritreritra zavatra nitahin’ Andriamanitra azy ireo ka azony zaraina amin’olona sahirana.

Manatsara ny fampianarantsika

Atreho amim-pitiavana ny fanakorontanana. “Indraindray misy ankizy manao zavatra izay manakorontana ny fianaran’ny hafa ao amin’ny kilasy. Rehefa mitranga izany dia manàna faharetana ary manehoa fitiavana ary fahatakarana an-tsaina eo anatrehan’ny olana mety atrehan’ilay ankizy. … Raha toa ka manana filàna manokana ilay ankizy manakorontana, dia miresaha amin’ny tompon’andraikitra misahana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny paroasy na tsatòka na tsidiho ny [disabilities.ChurchofJesusChrist.org] mba hahitana ny fomba ahafahanao manome ireo zavatra ilaina ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,26).

Hamoaka printy