“13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105: -Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021
13–19 septambra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105
“Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana”
Inona avy ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–5 izay manan-danja aminao? Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ireo fitsipika ireo.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Nalahelo be ireo Olomasina tao Kirtland raha naheno fa noroahina hiala ny fonenan’izy ireo ny rahalahy sy rahavavin’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri. Mety ho nankahery tokoa, tamin’izany, rehefa nanambara ny Tompo fa ny “fanavotana an’i Ziona” dia “ho tonga amin-kery” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:15). Niaraka tamin’izany fampanantenana izany tao am-pon’izy ireo, dia nisy lehilahy 200 mahery, niampy vehivavy sy ankizy 25 teo ho eo nirotsaka tao anatin’ilay nantsoin’izy ireo hoe ny Tobin’i Isiraely, ary taty aoriany dia fantatra tamin’ny hoe Tobin’i Ziona. Ny mandeha an-tongotra mankany Missouri sy hanavotra an’i Ziona no asa nanirahana azy.
Ho an’ireo mpikambana tao amin’ilay toby, ny dikan’ny hoe manavotra an’i Ziona dia hoe mamerina ireo Olomasina any amin’ny tanin’izy ireo. Saingy taloha kelin’ny nahatongavan’ilay toby tao amin’ny Fivondronan’i Jackson dia niteny tamin’i Joseph Smith ny Tompo mba hijanona sy handrava ny fandaminana nataon’ny Tobin’i Ziona. Sahiran-tsaina sy tezitra tamin’io torolalana vaovao io ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay toby. Ho azy ireo dia tsy nahomby ilay dia ary tsy tontosa ireo fampanantenan’ny Tompo. Ny hafa kosa dia nanana fomba fijery hafa mahakasika izany. Raha toa ka tsy niverina mihitsy tany amin’ny Fivondronan’i Jackson ireo Olomasina natao sesitany, ny zavatra niainan’izy ireo kosa dia nitondra ampahana “fanavotana” ho an’i Ziona, ary izany dia “tonga tamin-kery.” Ireo mpikambana mahatokin’ny Tobin’i Ziona, izay ny ankabetsahany tamin’izany no lasa mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia nijoro ho vavolombelona fa ilay traikefa dia nampiorim-paka ny finoan’izy ireo ny herin’ Andriamanitra, sy ny antso masin’i Joseph Smith ary ny finoany an’i Ziona—tsy ilay Ziona izay toerana fotsiny fa ilay Ziona izay vahoakan’ Andriamanitra. Tsy nisalasala ny amin’izay lanjan’ity asa toa tsy nahomby ity izy ireo, fa nianatra kosa fa ny tena asa dia ny manaraka ny Mpamonjy, eny, na dia tsy mahatakatra ny zava-drehetra aza isika. Amin’izany fomba izany no hanavotana an’i Ziona amin’ny farany.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:12–23
Inona no tanjon’ireo torolalana ao amin’ireo andininy ireo?
Ny andininy 102 dia mirakitra ireo firaketana an-tsoratra amin’ny antsipiriany ireo fivoriana tao Kirtland, Ohio, izay nanorenana ny filankevitra avo voalohany an’ny Fiangonana. Ny andininy 12–23 dia mamariparitra ireo dingana tsy maintsy arahin’ireo filankevitra avo rehefa manao filankevim-pifehezana izy ireo ho an’ireo izay nanao fandikan-dalàna goavana.
Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Indraindray ny mpikambana dia manontany ny antony hanaovana ireo filankevi-pifehezan’ny Fiangonana. Misy tanjona telo lehibe: mba hanavotana ny fanahin’ilay mpandika lalàna, mba hiarovana ny tsy manan-tsiny, ary mba hiarovana ny fahadiovana sy ny fahamarinana ary ny laza tsaran’ny Fiangonana.” (“A Chance to Start Over: Church Disciplinary Councils and the Restoration of Blessings,” Ensign, Sept. 1990, 15).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–12, 36; 105:1–19
I Ziona dia tsy azo aorina afa-tsy eo ambonin’ny fitsipiky ny fahamarinana.
Nahoana no votsotra teo an-tanan’ireo Olomasina ny tany nampanantenaina ho azy ireo tao Missouri? Ary nahoana no tsy navelan’ny Tompo hamerina ny tanin’izy ireo amin’izy ireo ny Tobin’i Ziona? Azo antoka fa ny herisetra nataon’ireo vondron’olon-dratsy tao Missouri dia nitana anjara toerana lehibe tamin’izany, ary ny governoran’i Missouri dia efa nianiana fa hanohana an’ireo Olomasina saingy tsy nanao izany mihitsy. Saingy niteny ny Tompo fa“ fa raha tsy noho ny fandikan-dalàn’ny vahoakako,” dia “mety ho efa navotana” i Ziona (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:2). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–12, 36; 105:1–19 ianao, dia mety hahatsikaritra zavatra izay mety nanakana ny fanorenana an’i Ziona tao Missouri sy ireo zavatra hafa izay mety ho afaka nanampy. Inona no zavatra ianaranao ka afaka hanampy anao hanorina an’i Ziona ao am-ponao sy ao an-tokantranonao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12–13; 105:1–6, 13–19
Tonga aorian’ny fahoriana be sy ny fisedrana ny finoana ireo fitahiana.
Amin’ny fomba maro no naha-fisedrana ny finoana ny fandraisana anjara tamin’ny Tobin’i Ziona. Lava ny dia, nafana be ny andro ary indraindray dia tena tsy ampy ny rano sy ny sakafo. Taorian’ny zava-drehetra izay niaretan’izy ireo, ny Olomasina dia tsy mbola afaka niverina tany amin’ny tanin’izy ireo. Diniho ny fomba izay mety ho nanampian’ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12–13 sy 105:1–6, 13–19 an’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona izay nametra-panontaniana raha toa ka tena avy tamin’ Andriamanitra ilay didy mba hanorina ny tobin’i Ziona tamin’ny voalohany. Ahoana no hanampian’ireo fitsipika ireo anao amin’ny fisedrana ny finoanao manokana?
Azonao atao ihany koa ny mamaky ny momba ireo traikefan’ny mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona ao amin’ny “Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny” any amin’ny faran’ity rindran-damina ity. Inona no manaitra anao mikasika ny fomba fihetsik’izy ireo? Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatr’izy ireo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104: 11–18, 78–83
Izaho dia “mpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany.”
Ankoatra ny fisedrana tany Missouri, ny Fiangonana dia nisedra fahasarotana ara-bola tamin’ny 1834, ary tao anatin’izany ny trosa sy ny fandaniana be. Ao amin’ny fizarana 104 ny Tompo dia nanome torohevitra mikasika ny toe-bolan’ny Fiangonana. Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fitsipika ao amin’ny andininy 11–18 sy 78–83 amin’ny fanapahan-kevitrao ara-bola manokana?
Mba hianarana misimisy kokoa momba ny “fomban’”ny Tompo manokana (andininy 16) mba hamatsiana ny Olomasiny dia azonao atao ny mandalina ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf “Manome araka ny fomban’ny Tompo” (Liahona, nôv. 2011, 53–56).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12, 36; 105:9–13.Efa nisy fotoana ve ny fianakavianao (na ny iray tamin’ireo razambenao) no nasaina hanao zavatra izay tsy niafara tamin’ny fomba izay niandrasanao azy? Inona no azonao ianarana avy amin’ny fihetsik’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona rehefa tsy niafara tamin’ny fomba izay niandrasan’izy ireo azy ny dian’izy ireo? (jereo ny “Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny” any amin’ny faran’ity rindran-damina ity).
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–18.Inona no efa nomen’ Andriamanitra antsika? Inona no andrasany mba hataontsika amin’ireo zavatra ireo?
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:23–46.Afaka mandalina an’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fianakavianao mba hahita hoe impiry ny Tompo no nampanantena fa “hohamaroiny ny fitahiana” (andininy 23) ho an’ireo izay mahatoky. Mety ho fotoana tsara izao mba hanisana ireo fitahiana azonao (“Isao ireo fitahiana,” Fihirana sy Hiran’ny ankizy, laharana 16) sy ny hifanakalozana hevitra ny amin’ny fahafahan’ny fanaovana izany manampy antsika mandritra ny fotoan-tsarotra. Mety ho tian’ireo ankizy kely ny manao ny sarin’ireo fitahiana izay tena maha feno fankasitrahana azy ireo.
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–41.Ahoana no ahafahantsika manao “tolo-kevitry ny fandriampahalemana” (andininy 40) rehefa ratsy fanahy amintsika na manao zavatra tsy rariny amintsika ny hafa? Inona no azontsika atao mba ho “fanevan’ny fandriampahalemana” (andininy 39) ao an-tokantranontsika?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Isao ireo fitahiana,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p.16.
Ireo feon’ny famerenana amin’ny laoniny
Tobin’i Ziona
Be dia be ireo olona izay nahatsapa fa ny ezaka izay nataon’izy ireo dia tsy nahomby satria tsy tafaverin’ny Tobin’i Ziona tany amin’ny tanin’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson mihitsy ireo Olomasina. Na dia izany aza dia betsaka tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny Tobin’i Ziona no nanao jery todika ny zavatra niainan’izy ireo ka nahita ny fomba nanatontosan’ny Tompo tanjona avoavo kokoa teo amin’ny fiainan’izy ireo sy tao amin’ny fanjakany. Ireto ny sasantsasany amin’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo.
Joseph Smith
40 taona mahery taorian’ny Tobin’i Ziona dia nanao tatitra i Joseph Young izay mpikambana tao anatin’ilay toby fa nilaza toy izao i Joseph Smith:
“Ry rahalahy, ny sasany aminareo dia tezitra tamiko, satria tsy niady tany Missouri ianareo; kanefa tiako ny milaza aminareo, fa tsy tian’ Andriamanitra hiady ianareo. Tsy afaka ny hanangana ny fanjakany amin’ny lehilahy roa ambin’ny folo Izy mba hanokatra ny varavaran’ny Filazantsara ho an’ny firenena ety an-tany, ary miaraka amin’ny lehilahy fitopolo eo ambanin’ny fitarihan’izy ireo mba hanaraka ny diany, raha tsy nalainy avy amin’ny vatan-dehilahy izay afaka manolotra ny ainy, ary nanao fahafoizan-tena goavana tahaka ny nataon’i Abrahama izy ireo.
“Ankehitriny dia efa nahita ny roa ambin’ny folony sy ny fitopolony ny Tompo, ary hisy kôlejin’ny Fitopololahy hafa ho antsoina izay hanao ilay fahafoizan-tena, ary ireo izay mbola tsy nanao ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fanatitr’izy ireo ankehitriny dia hanao izany any aoriana.”1
Brigham Young
“Rehefa tonga tany Missouri izahay dia niteny tamin’i Joseph mpanompony ny Tompo ka nilaza hoe: -Efa nankasitrahako ny fanatitrao,- ary dia nomena tombontsoa mba hiverina indray izahay. Rehefa niverina aho dia betsaka ireo namana izay nanontany ahy hoe inona no tombontsoa azo amin’ny fiantsoana lehilahy hiala amin’ny asa aman-draharahan’izy ireo mba handeha ho any Missouri ary avy eo hiverina, izay toa tsy nahavita na inona na inona akory raha ny fijery azy. Nanontany izy ireo hoe -Iza no efa nahazo tombontsoa tamin’izany?-. -Raha toa ka nandidy ny hanaovana an’izany ny Tompo, dia inona no tanjona nananany tamin’ny fanaovana izany?- … Nilaza tamin’ireo rahalahy aho fa nahazo valisoa lehibe tokoa—valisoa nihoatra ny tokony ho izy—eny, tena lehibe tokoa ny valisoako niaraka tamin’ny fahafantarako fa efa nahazo tombony tokoa aho tamin’ny alalan’ny dia nataoko niaraka tamin’ny Mpaminany.”2
Wilford Woodruff
“Tao amin’ny Tobin’i Ziona niaraka tamin’ny Mpaminanin’ Andriamanitra aho. Nahita ny fiasan’ Andriamanitra taminy aho. Nahita ny herin’ Andriamanitra niaraka taminy aho. Nahita aho fa mpaminanin’ Andriamanitra izy. Ny zavatra izay nampahafantarina azy tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra nandritra izany iraka novitaina izany dia nanan-danja lehibe tokoa ho ahy sy ho an’ireo izay nandray ny torolalany.”3
“Rehefa voantso ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona dia betsaka taminay no tsy mbola nifankahita tava mihitsy; tsy nifankafantatra izahay ary betsaka no tsy mbola nahita maso ny mpaminany. Nipetraka tamina toerana samihafa izahay toy ny katsaka vita sivana, nanerana ny firenena. Zatovolahy izahay tamin’izany, ary voantso tamin’izany andro izany mba handeha sy hanavotra an’i Ziona, ary tsy maintsy natao tamim-pinoana ny zavatra izay nilaina nataonay. Niara-nivondrona tao Kirtland avy tamina Faritany amerikana isan-karazany izahay ary nandeha mba hanavotra an’i Ziona ho fanatanterahana ny didy izay nomen’ Andriamanitra anay. Nankasitrahan’ Andriamanitra ny asanay toa ny nankasitrahany ny asan’i Abrahama. Nahavita zavatra betsaka izahay na dia nametraka imbetsaka ny fanontaniana hoe -inona no zava-bitanareo?- aza ireo tsy mpino sy ireo nivadi-pinoana. Nahazo traikefa izay tsy ho azonay tamina fomba hafa na oviana na oviana izahay. Nanana tombontsoa manokana mba hifankahita tava tamin’ny mpaminany izahay, ary nanana tombontsoa ny handeha 1600 kilômetatra niaraka taminy sy nahita ny fiasan’ny fanahin’ Andriamanitra taminy sy ireo fanambaran’i Jesoa Kristy taminy ary ny fahatontosan’ireo fanambarana. Ary nanangona loholona teo amin’ny roanjato isa teo avy tamin’ny firenena rehetra izy tamin’izany fiantombohan’ny tantaran’ny Fiangonana izany ary nandefa anay nanodidina an’izao tontolo izao mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha toa ka tsy nandeha niaraka tamin’ny Tobin’i Ziona aho dia tsy ho teto anio [ao Salt Lake City, manompo miaraka amin’ny kôlejin’ny Roambinifolo ]. … Tamin’ny fandehananay tany dia nalefa tao amin’ny tanimboaloboka izahay mba hitory ny filazantsara, ary ny Tompo dia nankasitraka ny asanay. Ary tamin’ny fikelezanay aina sy ny fanenjehana anay rehetra dia natetika no notandindomin-doza ny fiainanay, nila niasa sy niaina tamim-pinoana izahay.”
“Ny traikefa izay azo [nay] tamin’ny fandehanana tao amin’ny Tobin’i Ziona dia nanan-danja kokoa nihoatra noho ny volamena.”