Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”


“6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: -Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Olomasina mandositra vondron’olon-dratsy

C. C. A. Christensen (1831–1912), Noterena hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina, c. 1878, tempera on muslin, 196 × 287 cm. Musée des arts, Oniversiten’i Brigham Young, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970.

6–12 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101 ianao, dia mifantoha amin’ireo eritreritra sy fahatsapana izay anananao. Manampy anao ho lasa ilay olona tian’ Andriamanitra hahatongavanao amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ireo eritreritra sy fahatsapana ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ho an’ireo Olomasina tamin’ny 1830 dia i Independence, Missouri no ilay tany nampanantenana ara-bakiteny. Izany no “toerana afovoan’” i Ziona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3)—ilay tanànan’ Andriamanitra eto an-tany—izay nanaovan’izy ireo fahafoizan-teny lehibe ny nanorenana azy. Ho an’izy ireo dia tena fanombohana mampientanentana sy be voninahitra ny Fiaviana Fanindroany ny fanangonana an’ireo Olomasina teo. Saingy nanana fomba fijery hafa ny olona nanodidina azy ireo teo amin’izany faritra izany. Nanafitohina azy ireo ny filazana fa efa nomen’ Andriamanitra an’ireo Olomasina ilay tany, ary tsy dia nety tamin’izy ireo ny fiantraikany ara-pôlitika, ekônomika, sy ara-tsôsialy izay ateraky ny olona be dia be avy amina fivavahana tsy mahazatra mifindra monina eo amin’ilay faritra haingana dia haingana tokoa. Vetivety foana dia nivadika ho fandrahonana ny ahiahy, ary ny fandrahonana dia nivadika ho fanenjehana sy herisetra. Tamin’ny jolay 1833 dia nopotehina ny birao fanaovana printin’ny Fiangonana, ary tamin’ny novambra dia noterena handao ny fonenan’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina.

Mihoatra ny 1288 kilômetatra miala an’i Kirtland no nisy an’i Joseph Smith, ary afaka herinandro maromaro izany vaovao izany vao tonga tany aminy. Saingy fantatry ny Tompo ny zavatra nitranga, ary nambarany tamin’ny Mpaminaniny ireo fitsipiky ny fiadanana sy fankaherezana izay hampionona ireo Olomasina—fitsipika izay afaka ny hanampy antsika ihany koa rehefa miatrika fanenjehana isika, rehefa tsy tanteraka ireo faniriana tsara ao anatintsika, na koa rehefa mila fampahatsiahivana isika fa ireo fahoriana isan’andro izay lalovantsika dia“hiara-hiasa hahasoa [antsika]” any aoriana any (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–14; 101:1–16

Ireo fitsapana lalovako dia afaka ny hiara-miasa ho tombontsoako .

Ny sasany amin’ireo fahoriantsika eo amin’ny fiainana dia vokatry ny safidintsika manokana ihany. Ny sasany dia vokatry ny safidin’olon-kafa. Ary indraidray dia tsy misy olona azo omena tsiny—mitranga fotsiny tsotra izao ny zavatra ratsy. Na inona na inona antony, ny zava-tsarotra dia afaka ny hanampy hanatratrarana ireo tanjona masina. Rehefa mamaky ny zavatra nolazain’ny Tompo mahakasika ny fahasarotana nolalovan’ireo Olomasina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–14 sy 101:1–16 ianao, dia inona no zavatra izay hitanao fa afaka ny hanampy anao amin’ny fisedrana izay lalovanao? Inona no fiantraikan’ireo andalan-tsoratra masina ireo amin’ny fomba fahitanao ny fanamby izay atrehanao? Saintsaino ny fomba niarahan’ireo fitsapana nolalovanao niasa mba hahasoa anao sy hanatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 2:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–48

Tian’ny Tompo hikatsaka fiadanana amin’ny fombany aho.

Na dia mety tsy ho azo ampiharina amin’ny fifandraisanao manokana amin’ny hafa aza ny zavatra rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–48 dia inona ireo fitsipika izay hitanao fa afaka ny hitari-dalana anao rehefa manao zavatra ratsy aminao ny olon-kafa? Mety hanampy ny hanisy marika ireo teny na fehezan-teny izay mamari-paritra ny fomba izay tian’ny Tompo niatrehan’ireo Olomasina ny fifandirana tao Missouri.

Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 77–79.

Sary
Jesoa Kristy

Sombin-tsary avy amin’ny I Kristy sy ilay tanora mpanan-karena, nataon’i Heinrich Hofmann

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100

Ny Tompo dia mitsimbina ireo izay manompo Azy.

Herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nahafantaran’i Joseph ny fanenjehana tao Missouri dia nisy olona vao niova fo nangataka taminy raha toa ka afaka mandeha any Kanada hizara ny filazantsara miaraka amin’ireo zanany lahy i Joseph. Nanaiky i Joseph na dia niasa saina ny momba ny fandaozana ny fianakaviany aza izy, indrindra noho ireo fanenjehana sy fandrahonana natao tamin’ny fianakaviany sy ny Fiangonana. Nivavaka mba hahazo fankaherezana i Joseph sy ny mpiara-dia taminy, Sidney Rigdon teny an-dalany nankany Kanada, ary ny fizarana 100 no valim-bavak’izy ireo tamin’ny Tompo. Inona no zavatra hitanao fa mety ho nankahery sy nanampy azy ireo tao amin’ny valim-bavaka azon’izy ireo tamin’ny Tompo?

Mety efa nanana traikefa ihany koa ianao izay nitaky ny fandanjalanjanao ny fiahiahianao momba ny andraikitrao ao am-piangonana sy ny fiahiahianao momba ny fianakavianao. Mety ahoana no hanampian’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny fizarana 100 anao ao anatin’ny toe-javatra toy izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–65

Ny fanarahana ny torohevitr’ Andriamanitra dia manampy ahy ho voaro.

Ilay fanoharana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–62 dia nomena mba hanazavana ny antony namelan’ny Tompo ireo Olomasina ho voatery hiala tao Ziona. Moa ve mahita fitoviana amin’ny tenanao sy ireo mpanompo ao amin’ilay fanoharana ianao rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo? Mety hanontany tena ianao hoe: Misy fotoana ve aho manana ahiahy momba ireo didin’ Andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana no mety hamelan’ny tsy fahampiam-pinoana na fanoloran-tena “ilay fahavalo” hitondra fiantraikany eo amin’ny fiainako? Ahoana no hanehoako amin’ Andriamanitra fa izaho dia “vonona ny hotarihina … amin’ny fomba marina sy mety mba ho famonjena [ahy]”? (jereo ny andininy 63–65).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:16, 39–40.Inona ao amin’ireo andininy ireo no afaka hanampy antsika hanana fiadanana bebe kokoa ao amin’ny fianakaviantsika? Afaka mihira hira momba ny fiadanana na ny famelan-keloka ianareo. “” ( ). Mety ho tian’ny ankizy kely koa ny milalao an-tsehatra momba ny fifamelan-keloka.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99.Tamin’ny fotoana niantsoana an’i John Murdock handao ny fonenany “mba hitory [ny] filazantsara maharitra mandrakizay” (andininy 1) dia vao niverina avy tamina asa fitoriana naharitra iray taona tany Missouri izy (“,” ). Inona no zavatra hitantsika ao amin’ny fizarana 99 izay mety nanampy na nankahery an-dRahalahy Murdock? Inona no hafatra omen’ny Tompo antsika ao amin’io fanambarana io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:16; 101:3–5, 18.Rehefa avy namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianareo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba tsy maintsy handoroan’ny mpanefy ny vy amin’ny hafanana be mba hanesorana ny loto ary avy eo dia manefy izany amin’ny fikapohana ilay izy hatrany . Afaka miara-mianatra ny fomba fanadiovana zavatra hafa ihany koa ianareo, toy ny rano na ny sira. Mety afaka miara-manadio zavatra iray ianareo mianakavy. Nahoana isika no te ho lasa madio? Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika mikasika ny fomba ahafahan’ireo fitsapana manampy antsika ho lasa “vahoaka madio”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22–36.Ahoana no mety ho nanampian’ireo andinin-tsoratra masina ireo an’ireo Olomasina izay nisedra fanenjehana? Ahoana no mety hanampian’izany an’ireo olona izay mety ho feno tahotra manoloana ireo zava-misy ankehitriny eto amin’izao tontolo izao?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ray ô! Ampio ahoBokin-kiran’ny ankizy, 52.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava fitsipika. Ny Loholona Richard G. Scott dia nampianatra hoe: “Eo am-pikatsahanareo fahalalana ara-panahy dia mitadiava fitsipika. … Ireo fitsipika dia fahamarinana mafonja izay noforonina mba ho ampiasaina amin’ny toe-javatra maro samihafa” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 86).

Sary
andian’olona mpihetraketraka manenjika ireo Olomasina

Missouri Burning (mirehitra i Missouri), nataon’i Glen S. Hopkinson

Hamoaka printy