“6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: -Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021
6–12 septambra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101
“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”
Inona no hafatra ilain’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao ianarana amin’ity herinandro ity? Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ilay fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101 azy ireo ho mpanaradia tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Amporisiho ireo ankizy mba hizara zavatra izay nianarany avy tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tany an-trano na tao amin’ny Kilonga. Anontanio azy ireo ny tena nahafinaritra azy ireo tamin’ny fianarana zavatra avy tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–40
Afaka mamela heloka ireo izay ratsy fanahy tamiko aho.
Nangataka ireo olomasina izay nenjehina tao amin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri, ny Tompo mba hamela heloka an’ireo izay nandratra azy ireo. Rehefa mampianatra ny ankizy ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka ianao dia ataovy ihany koa izay hahatakarany fa rehefa misy olona mandratra azy ireo, dia tokony hilaza amin’ny olon-dehibe azo antoka izy ireo.
Asa atao azo tanterahina
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo fanamby natrehin’ireo Olomasina tao Ziona dia zarao amin’izy ireo ny “Chapitre 34: Dieu met en garde le peuple de Sion” (Histoires des Doctrine et Alliances, 128–31). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–40, dia angataho ireo ankizy mba hihaino ny zavatra nolazain’ny Tompo mba hataon’ireo Olomasina rehefa nangataka famelan-keloka ny fahavalony. Nahoana no tian’i Jesoa hamela heloka ny olona isika, na dia ireo izay ratsy fanahy amintsika aza?
-
Ametraho sarina endrika iray miramirana eo amin’ny rindrina ary endrika iray malahelo eo amin’ny rindrina iray mifanila amin’izany. Mizarà toe-javatra samihafa izay ahitana olona ratsy fanahy (afaka mitady tantara vitsivitsy avy ao amin’ny Namana na Liahona ianao). Manolora fomba izay mety hasetritsika ny fihetsika ratsy fanahy, ary ampio ireo ankizy hisafidy raha toa ka hahafaly na hampalahelo azy ny fihetsika tsirairay nasetry. Asao ireo ankizy mba hanondro ny endrika mifanandrify amin’izany eo amin’ny rindrina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16
Afaka mitondra fiadanana ho ahy i Jesoa Kristy.
Rehefa niatrika fanenjehana ireo olomasina, dia nankahery azy ireo ny Tompo ka niteny hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.” Eritrereto ny fomba hanampian’io torohevitra io an’ireo ankizy ampianarinao.
Asa atao azo tanterahina
-
Asao ireo ankizy mba hihodina eo amin’ny sezany. Avy eo dia angataho izy ireo mba tsy hihetsika intsony rehefa manainga sarin’ny Mpamonjy ianao ka milaza ny andian-teny hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16). Averimbereno ity asa atao ity. Hazavao fa rehefa nandalo fotoan-tsarotra ireo Olomasina tamin’ny andron’i Joseph Smith dia tian’i Jesoa mba ho tony izy ireo ka hatoky azy fa tsy hatahotra. Ahoana no hanampian’i Jesoa antsika rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika?
-
Hirao miaraka ny hira iray mikasika ny fanajana, toy ny “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 11). Ampio ireo ankizy hahatakatra ny fiadanana tsapa rehefa tony sy mieritreritra an’i Jesoa isika, ohatra, rehefa mivavaka na mandray ny fanasan’ny Tompo.
-
Ampio ireo ankizy hanao ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Eo am-pandokoan’izy ireo dia lazao amin’izy ireo ny nanampian’ny fieritreretana an’i Jesoa anao hahatsapa fiadanana, na dia nandritra ireo fotoan-tsarotra aza.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–14; 101:16
Manampy ahy ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa ireo fitsapana mahazo ahy.
Rehefa miatrika fanamby ireo ankizy mandritra ny fiainany dia ho mila finoana izy ireo fa afaka manampy azy ireo ny Mpamonjy mandritra ireo fitsapana mahazo azy ary ireo fitsapana ireo dia afaka “hiara-hiasa hahasoa [azy ireo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3).
Asa atao azo tanterahina
-
Angataho ireo ankizy mba hanampy anao hanao lisitra eny amin’ny tabilao ireo fanamby izay mety hatrehin’ny ankizy mitovy taona amin’izy ireo. Lazao amin’ireo ankizy ny sasany amin’ireo fanamby natrehin’ireo olomasina nipetraka tao amin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri, tamin’ny 1833 (jereo ny chapitres 34 sy 35 ao amin’ny Histoires des Doctrine et Alliances, 128–34). Inona no torohevitra homenao ny ankizy iray miatrika ireo fanamby ireo? Asao ireo ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–14 ka hitady ny torolalana nomen’ny Tompo. Ahoana no hanarahan’izy ireo io torohevitra io rehefa miatrika fanamby tahaka ireo voatanisa eny amin’ny solaitrabe izy ireo?
-
Asao irao ankizy mba ho tony sy hangina araka izay azon’izy ireo atao mandritra ny minitra vitsy eo am-pijerena sarin’ny Mpamonjy iray na eo am-pihainoana hira momba Azy. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny zavatra tsapany sy niainany nandritra ilay fitoniana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16 Manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fitoniana sy ny fieritreretana an’i Jesoa ? Ampio ireo ankizy hahatakatra ny fifandraisana eo amin’ny fitoniana feno fanajana sy ny fahafahanao mahatsapa ny Fanahy sy hieritreritra momba an’i Jesoa.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23, 39–40
Tian’i Jesoa hamela heloka ireo izay ratsy fanahy amiko aho.
Didina isika mba hifankatia sy hamela heloka ny hafa “impito amby fito-polo,” ary hanolotra ny takolaka ilany (jereo ny Matio 5:39, 43–44; 18:21–22). Ahoana no hampiasanao ireo andininy ireo mba hampianarana ny ankizy an’ireo fahamarinana ireo?
Asa atao azo tanterahina
-
Lazao amin’ireo ankizy ny fanenjehana izay nitranga tao amin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri, tamin’ny 1833 (jereo ny chapitres 34 sy 35 ao amin’ny Histoires des Doctrine et Alliances, 128–34). Anontanio ny mpianatra ny zavatra mety ho tsapany raha toa ka mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany izy ireo. Asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23, 39–40 mba hahitana ny zavatra tian’ny Tompo ho nataon’ireo Olomasina. Nahoana no mety ho sarotra ny mamela heloka ireo izay nandratra antsika? Amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika rehefa manao izany isika?
-
Angataho ireo ankizy raha afaka mieritreritra fotoana iray izay nanaovan’i Jesoa Kristy na olona iray hafa ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23. Mba hanomezana ohatra azy ireo dia mampisehoa sarin’ny fanomboana (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57). Angataho ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantany momba ny fanomboana ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 23). Asao izy ireo hamaky ny Lioka 23:34. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23–32, 36, 38
Afaka mahita fifaliana aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Tsy natao ho tsy misy fahasarotana ny fiainana, saingy afaka manampy ireo ankizy ianao hahita fa mbola afaka mahita fifaliana feno izy ireo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Asa atao azo tanterahina
-
Asio rano ny vera iray. Angataho ireo ankizy mba hilaza zavatra izay nataon’ny Mpamonjy ho antsika mba hahazoantsika fifaliana, ary asao izy ireo hanisy vatokely ao anatin’ilay vera isaky ny zavatra nolazainy mandrapahafeno ilay vera. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36, dia angataho izy ireo mba hitady ny fomba ahafahantsika mahazo fifaliana feno. Inona ny zavatra sasany azontsika atao mba hitadiavana ny Tompo (andininy 38) mba hahazoantsika ilay fifaliana tiany ho azontsika?
-
Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23–32 dia mampianatra momba ny hoe tahaka ny ahoana ny fiainana rehefa tonga indray i Jesoa Kristy. Rehefa miaraka mamaky ireo andininy ireo ianareo dia miresaha momba ireo zavatra izay hitan’ny ankizy fa hitondra fifaliana ho antsika rehefa tonga Izy. Nahoana no manampy ny mahafantatra ireo zavatra ireo rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika?
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Ampio ireo mpianatra mba hisafidy andininy iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101 izay tian’izy ireo hozaraina amin’ny fianakavian’izy ireo. Ampio izy ireo hanao drafitra ny fomba hizaran’izy ireo ny zavatra tiany amin’io andininy io.