Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108: “Ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany”


“20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108: -Ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
masoandro mibaliaka ao anaty rahona

20–26 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108

“Ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany”

Saintsaino ny zavatra fantatrao mikasika ny ankizy ampianarinao. Karazana asa atao inona no hampanakaiky azy ireo kokoa amin’ny Mpamonjy? Tsarovy fa ireo asa atao ho an’ny ankizy kely ato anatin’ity rindran-damina ity dia azo amboarina koa ho an’ny ankizy lehibe, ary mety koa ny mifamadika amin’izay.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ny ankizy ny sarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, toy ny mpaminany, ireo Apôstôly, ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, ary ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony hafa. Asao ny ankizy hiresaka momba ny zavatra ataon’ireo mpitarika ireo ary ny antony ankasitrahany azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18–20, 42–56

Voatahy aho noho ny fisoronana.

Ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana. Diniho ireo fomba azonao hanampiana ny ankizy ampianarinao hahatsiaro fankasitrahana ho an’ireo fitahiana ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sary eny amin’ny solaitrabe maneho ny hoe “ny lanitra misokatra eo anoloan[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:19) noho ny fisoronana (toy ny hazavana mibaliaka ao anaty rahona ohatra). Omeo sary maneho ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fisoronana ny ankizy, toy ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ary ny tempoly. Asao izy ireo hizara ny antony ankasitrahany ilay fitahiana eo amin’ny sary, ary avelao izy ireo hametraka ny sariny ao amin’ny taratra hazavana eo amin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mahazo ireo fitahiana ireo isika satria namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana ny Ray any An-danitra.

  • Manorita lalana eo amin’ny tany, ary omeo sarin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay ilain’izy ireo mba hahafahany mandeha ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra ny ankizy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–8, 119–20). Ampio ny ankizy hametraka ireo ôrdônansy eo amin’ilay lalana araka ny filaharana tokony ho izy.

  • Mampisehoa sarin’i Adama sy Eva miaraka amin’ny fianakavin’izy ireo (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity na ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, no. 5). Rehefa mijery ilay sary ny ankizy dia anontanio azy ireo ny mety ho fahatsapan’i Adama sy Eva mikasika ny fianakavian’izy ireo. Ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:53–56 hizarana amin’ny ankizy ny zavatra nataon’i Adama mba hampisehoana ny fitiavany ho an’ny fianakaviany. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fomba nitahian’ny fisoronana anao sy ny fianakavianao.

  • Lazao ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakavian’i Adama izay notendreny tao amin’ny fisoronana, araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:42–50, ary angataho ny mpianatra hanisa hoe olona firy no voatendriny. Ampio izy ireo hahatakatra ny antony hanirian’i Adama ny hahazon’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviany ny fisoronana. Asao ny ankizy hiresaka momba ireo fotoana nandraisany na ny fianakaviany fitahiana tamin’ny alalan’ny fisoronana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7

Afaka mankahery ny hafa aho.

Na ny ankizy kely aza dia afaka manaraka ny torohevitra hoe hankahery ny hafa “amin’ny resakao rehetra, amin’ny fivavakao rehetra, … ary amin’ny ataonao rehetra.”

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina olona eny amin’ny solaitrabe, ary angataho ny ankizy hilaza ireo zavatra sasany izay azon’ny olona atao mba ho lasa matanjaka kokoa ara-batana. (Azonao atao bokona hozatra ny sarin’ilay olona eo am-pilazan’ireo ankizy an’ireo zavatra). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7, ary angataho ny ankizy hitanisa ireo fomba izay ahafahantsika “[m]ampaher[y] ny rahalahin[tsika sy ireo rahavavintsika].” Hazavao izay mety ho teny sarotra.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra olona fantany izay mety mila ankaherezina. Inona no azontsika tenenina azy ireo na ny zavatra azontsika atao ho azy ireo? Miaraha miasa hanamboatra karatra firarian-tsoa ho an’ireo olona ireo, na amporisiho ny ankizy hahatsiaro azy ireo ao amin’ny vavaka manokana na miaraka amin’ny fianakaviany izay ataony.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–8, 13–14, 18–20

Ny fisoronana dia hanampy ahy hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka sy Aharôna mba hitondrana ireo zanak’ Andriamanitra hiverina any Aminy. Ampio ny ankizy ampianarinao hahatakatra hoe inona avy ireo adidy ao amin’ny fisoronana ary ny fomba hanampian’izy ireo antsika hiverina any amin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–8, 13–14, 18–20 teny sy andian-teny manan-danja izay mampianatra azy ireo mikasika ny fisoronana. Inona avy ireo andraikitra ananan’ireo mpihazona ny fisoronana? Ahoana no hanampian’ny fisoronana antsika hiverina any amin’ Andriamanitra?

  • Manorata fanontaniana izay azo valina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–8, 13–14, 18–20, toy ny hoe: “Inona no anarana hafa hilazana ny Fisoronana Melkizedeka?” Omeo minitra vitsivitsy ny ankizy hitadiavana ao amin’ireo andininy ireo ny valiny betsaka indrindra hitany amin’ireo fanontaniana. Zarao amin’ny ankizy ny fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fisoronana.

  • Mamakia momba an’i Melkizedeka ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) miaraka amin’ny ankizy. Inona no ianarantsika avy amin’ny fiainany momba ny dikan’ny hoe mampihatra ny fahefan’ny fisoronana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–26, 33–35, 65–66

Ireo mpanompo voafidin’ny Tompo dia mitarika ny Fiangonany.

Zavatra inona tao amin’ny fiainanao no nampiorina ny fijoroana ho vavolombelonao momba ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana? Ahoana no hanampianao ny ankizy hampiorina ny fijoroany ho vavolombelona manokana?

Sary
Ny Filoha sy Rahavavy Nelson miaraka amin’ny ankizy iray

Mampianatra antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatsika ny mpaminany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy eny amin’ny solaitrabe ny sarin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony avy amin’ny laharan’ny Liahona misy ny fihaonamben’ny Fiangonana farany. Eo am-pamakian’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–26, 33–35, 65–66, dia asao izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianarany momba ny andraikitry ny sasany amin’ireo mpitarika ireo. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fitarihan’izy ireo? Mifampizarà ny fomba nahazoanao fijoroanao ho vavolombelona momba ireo mpaminany sy apôstôly.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahatokiana, finoana, ary vavaka. Anontanio ny ankizy hoe ahoana no hahafahantsika manohana ny Fiadidiana Voalohany an’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fahatokiana sy finoana ary vavaka ataontsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22). Nahoana no zava-dehibe ny manohana ireo mpanompo voafidin’ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3

Mitondra fitahiana ny miaina amim-pitandremana ireo fanekempihavanana.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao “[hi]tandr[ina] bebe kokoa … ny fanefan[y] ny voadin[y],” na ireo fanekempihavanana. Inona no fitahiana ho azon’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy raha manao izany azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao zavatra izay mitaky fitandremana tsara ny hampahomby azy, toy ny manandrana mameno kaopy iray amin’ny rano nefa tsy miraraka ny manodidina ohatra. Inona no mitranga rehefa tsy mitandrina izy ireo? Asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3 ary hahita ny zavatra izay nangatahana ho ataon’i Lyman Sherman amim-pitandremana. Tanisao miaraka amin’ny ankizy ny fampanantenana ataon’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra rehefa atao batisa sy mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Ampio izy ireo hieritreritra fomba hahafahany mitandrina kokoa amin’ny fanajana ireo fampanantenana ireo.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray mikasika ny fitandremana ny fanekempihavanana, toy ny “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 85). Ampio izy ireo hanamboatra sary famantarana miaraka amina andian-teny avy ao amin’ilay hira izay hampahatsiahy azy ireo ny hitandrina ny fanekempihavanany, ary amporisiho izy ireo hampiranty ny sary famantarany any an-tokantranony.

  • Omeo ampahan’ny lahatenin’ny Rahavavy Becky Craven hoe “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy” (Liahona, mey 2019, 9–11) ny ankizy, ary angataho izy ireo hizara zavatra iray izay mitaona azy ireo hitandrina kokoa amin’ny fiainana ireo fanekempihavanana nataony.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mifandraisa matetika amin’ny ray aman-drenin’ny ankizy ampianarinao mba hankaherezana azy ireo amin’ny ezaka atao amin’ny fampianarana ny filazantsara any an-trano. Azonao atao ny milaza amin’izy ireo ny zavatra izay nianaran’ny zanak’izy ireo tany an-tokantranony ary nozarainy tao amin’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Arindrao ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao ireto rindran-damina ireto. Ampiasao kosa izany mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. Amin’ny toe-java-miseho sasany dia azonao atao ny manamboatra asa atao na lohahevitra ho an’ny ankizy kely mba hampianarana ankizy lehibe, na koa ny mifamadika amin’izay.

Hamoaka printy