Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: “Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao”


“27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: -Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland, nataon’i Jon McNaughton

27 septambra–3 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110

“Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao”

Mba hahazoana traikefa ara-panahy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–10 miaraka amin’ny ankizy dia katsaho aloha ny hanana traikefa ara-panahy amin’ny fandalinana manokana ireo soratra masina ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sary izay afaka manampy ny ankizy hahatsiaro sy hizara ny zavatra izay nianarany momba ireo fitsipika na zava-nitranga ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–10. Ohatra, azonao aseho ny sary iray avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13; 110:1–7

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Saintsaino hoe ahoana no hanampianao ny ankizy hahatsapa fanajana ho an’ny tranon’ny Tompo ary hiandrandra ny andro hahafahany miditra ao amin’ny “toeran’ny fahamasinan[y]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13).

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hilaza zavatra iray izay tiany momba ny tranony. Asehoy ny ankizy ny sarin’ny Tempolin’i Kirtland, ary ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13; 110:1–7 hilazana amin’izy ireo mombamomba ny andro nanokanana ny tempoly ary nahalasa izany ho ny tranon’ny Tompo (jereo koa ny “Chapitre 39: Consécration du temple de Kirtland,” Histoires Des Doctrine Et Alliances, 154). Mba hampisehoana fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo dia vakio ity manaraka ity, izay avy amin’ny vavaka fanokanana nataon’i Joseph Smith: “Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13). Asaivo mizara zavatra tiany momba ny tempoly ny ankizy.

  • Omeo sarin’ny tempoly ny ankizy tsirairay, na asao izy ireo hanao ny sarin’izany. Iaraho mihira ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Asao ny ankizy hihazona ambony ny sariny isaky ny mihira ny teny hoe “tempoly” izy ireo. Mariho ireo teny hafa ao amin’ilay hira izay mampianatra antsika zavatra manan-danja momba ny tempoly. Lazao amin’ny ankizy ny fahatsapanao momba ny tempoly sy ny fahafantaranao fa tranon’ny Tompo izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110

Ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nilaina mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra dia ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Manan-danja eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana ny Tempolin’i Kirtland. Niseho tao i Jesoa Kristy, niaraka tamin’ny mpaminany fahiny maro. Ireo mpaminany ireo dia nanome an’i Joseph Smith ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity na ny “Chapitre 40: Visions dans le temple de Kirtland” (Histoires des Doctrine et Alliances, 155–57) hilazana amin’ny ankizy momba ireo olona avy any an-danitra nitsidika ny tempoly. Mizarà andian-teny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 izay manampy anao sy ny ankizy hahatakatra ny fahamasinan’ireo zava-nitranga ireo.

  • Ampisehoy fanalahidy vitsivitsy ny ankizy ary resaho ny hoe mahavita inona ny fanalahidy. Avelao ny ankizy hifandimby hihazona ireo fanalahidy ary mody hanao hoe manokatra varavarana mihidy. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia hazavao fa nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Joseph Smith. Ireo fanalahidy ireo dia manokatra hery sy fitahiana mba hahafahantsika manatanteraka ny asan’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonany, toy ny fizarana ny filazantsara na ny asa atao any amin’ny tempoly.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny momba ireo fanalahidy nomen’i Elia an’i Joseph Smith dia iaraho mihira ny hira momba an’i Elia na ny tantaram-pianakaviana, toy ny “Hanao ny tantaram-pianakaviana aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 100). Milazà momba ny zavatra niainanao iray izay nanampy anao hampitodika ny fonao ho amin’ny razambenao iray. Angataho ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny dadabeny na ny razambeny hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109; 110:1–10

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Ahoana no hizaranao amin’ny ankizy ny fitiavanao ny tranon’ny Tompo? Diniho hoe ahoana no hitaomanao azy ireo hanaiky ny fanamby nomen’ny Loholona Quentin L. Cook ny “hahafahantsika, na aiza na aiza misy antsika, mieritreritra ny tenantsika ho ao amin’ny tempoly.” (“Alaivo sary an-tsaina ny tenanao hoe any amin’ny tempoly,” Liahona, mey 2016, 98).

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana andininy avy ao amin’ny fizarana 109 na 110 izay tsapanao fa mampisongadina ireo fitahiana avy amin’ny tempoly (ny sasany amin’izany dia aroso ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo fitahiana ireo, ary asao ny ankizy hikaroka ireo fitahiana ireo ao amin’ireo andininy nosafidianao ireo. Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny antony maha-zava-dehibe ny tempoly ho antsika?

  • Angataho ny ankizy hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10, ary asao izy ireo hizara zavatra iray izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy sy ny tempoly avy amin’ireo andininy ireo. Asao ny ankizy hanao ny sariny sy ny an’ny Mpamonjy ao amin’ny tempoly.

  • Asaivo maka sary an-tsaina ny ankizy hoe miezaka ny hahita ny tranony ny namany iray. Ahoana no hanampiantsika ilay namantsika hahafantatra hoe trano aiza ilay antsika? Ahoana no ahafantarantsika fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo? Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13 ary lazao azy ireo ny fomba hahafantaranao fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Mampisehoa sarina tempoly ary avelao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba ny tranon’ny Tompo.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ilay hira hoe “L’ Esprit du Dieu saint” (Cantiques, no. 2), ary lazao azy ireo fa io hira io dia natao nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland, ary mandritra ireo fanokanana tempoly amin’izao andro izao. Nahoana io hira io no hira tena mety tsara ho an’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland?

    Sary
    Endrika anatin’ny Tempolin’i Kirtland

    Ahitana polipitra ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eny amin’ny farany aloha sy any amin’ny farany aorian’ny Tempolin’i Kirtland.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16

Ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nilaina mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra dia ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Nilaza ny Loholona Gary E. Stevenson hoe: “Ireo zanaky ny Ray any An-danitra [dia tsy afaka] mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—raha tsy efa nisy famerenana amin’ny laoniny masina notanterahan’[i Mosesy, Elià, ary Elia]” (“Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?Liahona, mey 2016, 30).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16 ny anaran’ireo mpaminany fahiny telo izay niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Avy eo dia ampio izy ireo hitady teny ao amin’ireo andininy ireo izay mamariparitra ny zavatra “[n]atolotra,” na nomen’ny mpaminany tsirairay an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Afaka mahita famariparitana izay hanampy ianao ao amin’ny “Chapitre 40: Visions dans le temple de Kirtland” (Histoires des Doctrine et Alliances, 156–57).

  • Zarao ity famariparitana ny fanalahidin’ny fisoronana ity, izay avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson: “Mety hisy fanalahidin’ny tranontsika na ny fiarantsika ao anatin’ny paosintsika ao. Ny fanalahidin’ny fisoronana kosa dia tsy azo tsapain-tanana ary tsy hita maso. Izy ireo dia -mamelona- ny fahefan’ny fisoronana” (“Personal Priesthood Responsibility,” Ensign or Liahona, Nov. 2003, 45–46). Mba hampisehoana ny lanjan’ny fanalahidin’ny fisoronana dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny ankizy ny olana mitranga raha toa ka very ny fanalahidin’ny trano na fiara. Inona no mampitovy izany amin’ny olan’ny fahaverezan’ny fanalahidin’ny fisoronana? Ampio ny ankizy hahatakatra hoe iza no mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ankehitriny ary ny fomba hampiasana ireo fanalahidy ireo mba hivoahan’ny fitahiana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra (jereo ny “Fanalahidin’ny Fisoronana,” Miorim-paka ao amin’ny finoana, 126–27).

  • Mba hanazavana misimisy kokoa ny momba ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia asehoy ny horonan-tsary hoe “By the Hand of Elijah the Prophet” (ChurchofJesusChrist.org). Resadresaho ny zavatra azontsika atao mba handraisana anjara amin’ny asa izay efa azo atao noho ireo fanalahidin’i Elia.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity na ny sary izay nataony nandritra ny fotoam-pianarana mba hampianarana ny fianakaviany momba ny zavatra iray izay nianarany androany mikasika ny tempoly na ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Manatsara ny fampianarantsika

Manorena tontolo feno fitiavana sy fanajana. “Misy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny toetran’ireo [ankizy] ny ohatra asehonao. … Asehoy amin’ny alalan’ny teny lazainao sy ny fihetsikao fa tianao ny filazantsara ary miahy ny fivoaran’izy ireo ara-panahy ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15).

Hamoaka printy