“11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120: -Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021
11–17 ôktôbra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120
“Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany”
Avelao ny Fanahy hitarika anao amin’ireo fitsipika izay tena ilain’ny ankizy. Mety hahita hevitra ianao ao amin’ireo asa atao ho an’ny ankizy kely na ho an’ny ankizy lehibe.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Indraindray dia mety ho tsara ny miresaka mialoha amin’ny ray aman-drenin’ny iray amin’ireo ankizy sy miangavy mba hahatongavan’ilay ankizy ao amin’ny kilasy sady efa niomana mba hizara zavatra izay nianarany tany an-trano. Mety ho tian’ny ankizy ny hitarika amin’ny fanaovana hetsika efa nataony niaraka tamin’ny fianakaviany.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–5
Izaho dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy hamantatra ireo fitahiana azo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy azy ireo?
Asa atao azo tanterahina
-
Anontanio ny ankizy raha afaka milaza ny anarana fenon’ny Fiangonana izy ireo. Ampisehoy azy ireo ny sarim-pamantarana ny Fiangonana (eo amina zavatra navoakan’ny Fiangonana na eo amina marim-pamantarana eo amin’ny tratra an’ny misiônera), soraty eo amin’ny solaitrabe ilay anarana, na vakio amin’izy ireo avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4. Asaivo miara-manonona aminao ilay anarana ny ankizy rehefa manondro ireo teny tsirairay ianao. Asongadino ireo teny manan-danja ao amin’ilay anarana, ary ampio ny ankizy hahatakatra ny antony maha-manan-danja ireo teny ireo (jereo ny “Chapitre 43: Jésus Christ donne un nom à son Eglise,” Histoires Des Doctrines Et Alliances, 164).
-
Iaraho mihira ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48), ary zarao amin’ny ankizy ny zavatra tsapanao ny amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anao. Avelao izy ireo hizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Fiangonana.
-
Asao ny ankizy hijoro rehefa mamaky ny teny hoe “mitsangàna” ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5. Asao ny ankizy haninjitra ny rantsan-tanan’izy ireo toy ny tara-masoandro rehefa mamaky ny hoe “mamirapirata” ianao. Miaraha mihira hira iray momba ny fahazavana ho an’ny hafa, toy ny “Kintana mamiratra re aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 84). Ampatsiahivo ny ankizy fa avy amin’i Jesoa Kristy ny fahazavantsika, ary ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba hahafahan’izy ireo hamirapiratra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:6
Nahary ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy i Jesoa Kristy.
Mba handrisihana an’i William Marks sy i Newel K. Whitney hahafoy ny fananan’izy ireo ka hifindrany ho any Missouri dia nampatsiahy azy ireo ny Tompo fa Izy no nahary ny zava-drehetra eto an-tany. Ahoana no ahafahan’ny ankizy ho voatahy noho fahafantarana io fahamarinana io?
Asa atao azo tanterahina
-
Mitondrà na ataovy sary ireo zava-boary voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:6 izay nolazain’ny Tompo fa nataony (na asao ny ankizy hanao sary ho azy ireo manokana). Asao mba hanangana ireo sary na hanondro azy ireny y ankizy eo am-pamakinao ilay andininy. Lazao ny ankizy ny antony maha-manan-danja ho anao ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy no nahary ireny zavatra ireny.
-
Miaraha mihira hira iray momba ireo zava-boarin’ny Tompo, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Avelao ny ankizy hiresaka momba ny sasany amin’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20
Manampy ny Fiangonana hanao ny asan’ Andriamanitra ny fahafolonkarena.
Maro amin’ny ankizy ampianarinao no mety ho kely loatra ka tsy afaka mitady vola sy handoa ampahafolonkarena, saingy tsara ho azy ireo ny mahatakatra ny fomba handraisana anjara amin’ilay asa lehibe ataon’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.
Asa atao azo tanterahina
-
Hazavao ny fomba fandoavantsika fahafolonkarena sy ny zavatra hampiasana izany (jereo ny “Chapitre 44: La dîme,” Histoires Des Doctrines Et Alliances, 165–66 . Manaova sarina vola vy 10 eo amin’ny solaitrabe, ary angataho ny ankizy hanampy anao hanisa azy ireo. Iaraho mamantatra hoe firy amin’ireo no homena ny Tompo mba ho fahafolonkarena.
-
.. . Raha mety dia zarao ny tantaranao manokana.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6
Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny ohatra asehoko.
Ny ankizy ampianarinao dia mety ho mahafantatra olona misedra olana ka mila ny “fialofana” (andininy 6) izay omen’ny Fiangonana. Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no hitaomanao ny ankizy mba hitsangana sy hamirapiratra (andininy 5) ary hizara ny hazavan’izy ireo amin’ireny olona ireny.
Asa atao azo tanterahina
-
Ampitapitao ny fanilo elektrika iray, na sarina masoandro, na zavatra hafa mba hanehoana ny hazavan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Rehefa anjaran’izy ireo no mihazona ilay hazavana dia asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–5 ary miteny ny zavatra izay azon’izy ireo hatao mba hamirapiratra toy ny hazavana ho an’ny hafa (jereo ny 3 Nefia 18:24).
-
Asao ny ankizy hanao sary iray izay maneho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manao ny sarin’ny tafio-drivotra ahitana olona mialoka ao amin’ny trano Fiangonana. Inona no sasany amin’ireo zavatra izay mety asehon’ny tafio-drivotra? Amin’ny fomba ahoana no hanomezan’ny Fiangonana fialofana amin’ireny zavatra ireny?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117
Masina amin’ny Tompo ny fahafoizantenako.
Ao amin’ny fizarana 117, ny Tompo dia nanoro hevitra an’i William Marks sy i Newel K. Whitney mba hamoy ny fananan’izy ireo tao Kirtland mba hahazoana fitahiana lehibe kokoa tany Missouri. Mankasitraka an’i Oliver Granger ihany koa Izy noho ireo fahafoizantena nataony. Inona no tsapanao fa azon’ny ankizy ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo?
Asa atao azo tanterahina
-
Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe tompona tranom-barotra miroborobo be ao Kirtland, tahaka an’i Newel K. Whitney izy ireo. Ahoana no mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa izy ireo angatahin’ny Tompo mba handao ny tranom-barotr’izy ireo ary hifindra any amina toerana vaovao? Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11, ary asaivo miato izy ireo rehefa mahare zavatra izay hanampy azy ireo hanam-pinoana mba hanaovana fahafoizantena ka hankatò ny Tompo. Inona no hafointsika androany mba hankatoavana ny Tompo?
-
Tantarao fohy amin’ny ankizy ny antony tsy maintsy nandaozan’ireo Olomasina an’i Kirtland, na avelao ny ankizy iray hanao izany (jereo ny “Chapitre 41: Ennuis à Kirtland,” Histoires Des Doctrines Et Alliances, 158–60). Hazavao fa ny Tompo dia nangataka an’i Oliver Granger mba hijanona ao Kirtland ka hanefa ireo trosan’ny Fiangonana. Nahoana no naha-mety ho zava-tsarotra izany? Inona no nolazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:13 izay mety ho nanampy an’i Oliver—na mety ho ny iray amintsika—mba hanao fahafoizantena mba hankatò ny Tompo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20
Manampy ny Fiangonana hanao ny asan’ Andriamanitra ny fahafolonkarena.
Saintsaino ny fomba hanampianao ny ankizy hahatakatra ny fomba hanampian’ny fahafolonkarena, eny na dia ny vola kely mety harotsak’izy ireo aza, amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo (jereo ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 180–82).
Asa atao azo tanterahina
-
Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe misy namana iray mahita ny trano Fiangonana iray ka manontany hoe: “Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Fiangonanareo manangana io trano io?” Ahoana no hanazavanao ny fahafolonkarena amin’io namanao io? Toroy hevitra ny ankizy mba hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:4; 120:1 eo am-pieritreretan’izy ireo io fanontaniana io.
-
Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay azon’ny Fiangonana atao noho ny fahafolonkarena. Ahoana no hitahian’ireny zavatra ireny ny fiainantsika? Zarao ny fahatsapanao momba ny lalàn’ny fahafolonkarena sy ny fomba nitahian’izany anao.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ireo ankizy mba hahatsikaritra ny zavatra tsapan’izy ireo ao am-pon’izy ireo na ireo eritreritra tonga ao an-tsain’izy ireo nandritra ny kilasin’ny Kilonga androany. Amporisiho izy ireo mba hizara ny fahatsapan’izy ireo sy ny eritreriny amin’ny fianakavian’izy ireo.