“25–31 ôktôbra Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125: -Trano ho an’ny anarako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“25–31 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021
25–31 ôktôbra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125
“Trano ho an’ny anarako”
Inona no lesona avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–25 mila ianaran’ny ankizy? Saintsaino io fanontaniana io eo am-pandalinanao mandritra ity herinandro ity.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Asehoy ny sarin’ny tempoly akaiky indrindra aminareo. Anontanio ny ankizy izay fantany momba ny tempoly. Avelao izy ireo hizara ny fahatsapany momba ny fankanesana any amin’ny tempoly indray andro any.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20
Faly i Jesoa rehefa miezaka manao ny tsara aho.
Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 124, ny Tompo dia naneho ny fankasitrahany an’i Hyrum Smith sy George Miller noho ny fiezahan’izy ireo hanaraka Azy. Ahoana no hanampianao ny ankizy hamantatra fa faly amin’izy ireo ny Tompo rehefa miezaka ny manao ny tsara izy ireo?
Asa atao azo tanterahina
-
Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azony atao ka tsara. Mampisehoa sary mba hanomezana hevitra azy ireo (afaka mahita sasantsasany amin’izany ianao ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana). Angataho ny ankizy hanondro ireo zavatra tsara ireo. Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15 ary angataho izy ireo hihaino hoe inona no zavatra tsapan’ny Tompo rehefa nisafidy ny hanao ny tsara i Hyrum Smith. Inona no tsapan’i Jesoa rehefa miezaka ny hanao zavatra tsara isika?
-
Omeo taratasy miendrika fo ny ankizy, ary angataho izy ireo hanao ny sariny eo am-panaovana zavatra tsara eo amin’izany. Asao izy ireo hizara ny sary nataony amin’ny iray kilasy. Inona no tsapantsika rehefa manao zavatra tsara isika? Mijoroa ho vavolombelona fa faly i Jesoa rehefa miezaka ny hanao ny zavatra tokony hatao isika.
-
Iaraho mihira ny hira iray momba ny fanaovana ny zavatra tian’i Jesoa hataontsika, toy ilay hoe “Tian’i Jesoa mba hazava aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 38).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–29, 39
Mandidy ny vahoakany mba hanangana tempoly i Jesoa.
Efa ampahany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany hatramin’izay ny tempoly. Ny fahatakarana izany dia hanampy ny ankizy ampianarinao hahatsapa fanajana lehibe kokoa ho an’ny tempoly.
Asa atao azo tanterahina
-
Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa nahazo toerana vaovao hipetrahana tao Nauvoo ny Olomasina dia niteny tamin’izy ireo ny Tompo mba hanangana tempoly (jereo ny “Chapitre 50: Les saints à Nauvoo” Histoires des Doctrine et Alliances, 183–84, na ny horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy mody hanao hoe manangana tempoly izy ireo.
-
Vakio amin’ny ankizy ity andian-teny ity: “Ny tranoko masina izay andidiana mandrakariva ny oloko mba haorina ho an’ny anarako masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:39). Avelao ny ankizy hitazona sarin’ny tempoly fahiny (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 52 na ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity) ary sarin’ny tempoly ao amin’ny faritra misy anareo. Hazavao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia efa nandidy hatrany ny olony mba hanorina tempoly—tamin’ny fotoana fahiny ary amin’izao androntsika izao. Mizarà teny na andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–29 hanampiana ny ankizy hahatakatra ny antony hanirian’ny Tompo ny hanorenantsika tempoly.
-
Asao ny ankizy hamita ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa isika dia vahoakan’ Andriamanitra ary ny vahoakan’ Andriamanitra dia nodidiana efa hatramin’izay mba hanangana tempoly.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:12–21
Faly ny Tompo rehefa mahatoky aho.
Ao amin’ny fizarana 124, ny Tompo dia midera Olomasina vitsivitsy noho ny fahatokian’izy ireo. Ny teniny dia afaka manampy ny ankizy hamantatra ireo toetra izay tokony ananany sy ampitomboany.
Asa atao azo tanterahina
-
Misafidiana toetra tsara vitsivitsy voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:12–21, ary soraty eny amin’ny solaitrabe manodidina ny sarin’ny Mpamonjy izy ireo. Asaivo mikaroka ao amin’ny andininy 12–21 ny ankizy, hitady ireo teny ireo. Ampio izy ireo hahatakatra ireo teny izay tsy mahazatra azy ireo. Araka ireo andininy ireo, dia inona no fahatsapan’ny Tompo momba ny olona izay mampikolokolo ireo toetra tsara ireo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–30, 38–41
Nodidian’i Jesoa ny vahoakany mba hanangana tempoly.
Ireo ankizy ampianarinao dia hitombo taona ka ato ho ato izy ireo dia ho amin’ny taona hahafahany mandeha any amin’ny tempoly sy manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo hiomana?
Asa atao azo tanterahina
-
Saromy zavatra ny sarin’ny tempoly iray, na izany sary nalaina na natao. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:38–41 mba hahitana fampahalalana momba ny hoe inona io sary io. Avelao ny ankizy hanala ny sarona nandrakotra ilay sary ary hiresadresaka momba izay ampianarin’ireo andininy ireo momba ny antony hanirian’ny Tompo ny hanorenana tempoly.
-
Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–30 hitadiavana ireo antony nomen’i Joseph Smith nananganana ny Tempolin’i Nauvoo. Zarao ny fahatsapanao momba ny tempoly ary izay mety ho traikefa anananao amin’ny fanaovana batisa ho an’ny maty. Ampio ny ankizy hamaritra hoe hafiriana no mbola hiandrasan’izy ireo mialoha ny hahatongavany amin’ny taona hahafahany manao batisa ho an’ny maty any amin’ny tempoly.
-
Raha manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao dia asehoy ny ankizy izany na asao ny zatovo iray ao amin’ny paroasy hampiseho amin’ny ankizy ny fahazoan-dalany. Lazao ny ankizy ny antony maha-manan-danja ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary ny zavatra tokony hataontsika mba hahazoana anankiray. Amporisiho izy ireo hanomboka hiomana dieny izao amin’ny fahazoana ny fahazoan-dalana azy ireo manokana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92
Ny tsodranon’ny patriarika dia afaka manome fitarihana nentanim-panahy ho ahy.
Raha efa nandray tsodranon’ny patriarika ianao dia jereo indray ny votoatin’izany mialoha ny hampianarana ny ankizy momba ireny tsodrano ireny. Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ny tsodranon’ny patriarika anao manokana? Ahoana no hanentananao ny ankizy hiomana handray ny azy ireo manokana?
Asa atao azo tanterahina
-
Manasà ankizy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92, ary asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra izay nantsoin’ny Tompo an’i Hyrum Smith mba hataony. Inona no fantatry ny ankizy momba ny tsodranon’ny patriarika? Raha efa nandray tsodranon’ny patriarika ianao dia ampisehoy ny ankizy hoe manao ahoana ny endrik’ilay izy. (Tsarovy fa ny votoatin’ny tsodranon’ny patriarikanao dia masina.) Hazavao fa ny tsodranon’ny patriarika dia tsodrano miavaka azontsika avy amin’ny patriarika. Ireo tsodrano ireo dia afaka manampy antsika hianatra bebe kokoa momba ny tenantsika ary ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ataontsika.
-
Hevero ny hanasa ray na reny na mpiray tampo amin’ny ankizy ampianarinao iray hizara amin’ny iray kilasy ny antony maha feno fankasitrahana azy noho ny tsodranon’ny patriarikany. Angataho izy ireo hizara momba ny nanapahany hevitra ny hahazo ny tsodranony. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny tsodranon’ny patriarika.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ny ankizy hizara amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany ny zavatra iray izay nianarany mikasika ny tempoly ary ny antony haniriany ny handeha any amin’ny tempoly indray andro any.