Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”


“18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: -Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Fonjan’i Liberty

Liberty Jail Spring, nataon’ny Al Rounds

18–24 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123

“Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23 ianao dia eritrereto izay zavatra efa fantatr’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Mivavaha mba hahafantatra ny fomba hampiasana ny zavatra efa fantany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Raha namporisika ireo ankizy hizara zavatra nianarany tato an-dakilasy tamin’ny herinandro lasa tamin’ny fianakaviany ianao dia omeo fotoana izy ireo hizara ny zavatra niainany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8; 122:7

Afaka ny ho soa ho antsika ireo fotoan-tsarotra.

Ny tenin’ny Tompo tamin’i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty dia manome fahafahana hanampy ireo ankizy hanaiky fa indraindray dia sarotra ny fiainana, saingy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hihaino ny teny hoe “fiadanana” (paix) eo am-pamakianao ny “Chapitre 46: Joseph Smith en prison à Liberty” (Histoires des Doctrine et Alliances, 172–74) na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8. Ampio ireo ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika matoky ny Tompo tahaka ny nataon’i Joseph mba hahatsapantsika fiadanana. Hazavao fa na dia niaina zavatra sarotra aza i Joseph dia niaraka taminy ny Tompo.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa ny fitsapana antsika dia “ho soa ho [antsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7) dia lazao aminy ny fomba fitombon’ny hozatsika rehefa mitondra zavatra mavesatra isika. Avelao izy ireo hanao hoe mitondra zavatra mavesatra na manao asa mafy. Hazavao fa ny fandalovana ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia afaka manampy ny fanahitsika mba hitombo, rehefa mitodika any amin’ny Tompo isika mba hahazo fanampiana. Mizarà ohatra vitsivitsy izay mety hisy ifandraisany amin’ireo ankizy ampianarinao. Asao izy ireo hamerina miaraka aminao ny hoe: “Ireo zavatra rehetra ireo dia …ho soa ho [antsika].

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8

Fantatr’i Jesoa Kristy ny zavatra tsapako.

Tao amin’ny fonjan’i Liberty i Jesoa Kristy dia nilaza tamin’i Joseph Smith fa efa nidina tambanin’ny zavatra rehetra Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8). Midika izany fa fantany ny zavatra lalovantsika ary afaka mitodika any Aminy isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ireo ankizy hianatra hitodika any amin’i Kristy rehefa miaina zava-tsarotra dia asaivo mizara ny endriky ny tarehiny izy ireo rehefa malahelo na matahotra. Inona no afaka manampy antsika rehefa mahatsapa izany isika? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8 ary hazavao fa midika izany fa fantatr’i Jesoa Kristy ny zavatra tsapatsika ary afaka manampy antsika Izy.

  • Iaraho hiraina ny “Jesoa anie fahiny koa mba zaza tahaka ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 34) ary mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy antsika i Jesoa Kristy satria fantany ny fahatsapana ananantsika.

    Sary
    i Jesoa eo amin’ny tany tao Getsemane

    Fantatr’i Jesoa ny fahoriantsika. Tsy ny sitrapoko, fa ny Anao, nataon’i Walter Rane.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17

Tian’ Andriamanitra hanao am-pifaliana izay azoko atao aho.

Na dia voafonja aza i Joseph Smith, ary noroahina avy tao amin’ny tranony ireo olomasina, dia namporisika ireo olomasina izy mba “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika.”

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17, ary asao izy ireo hitsangana sy hihoraka rehefa mahare ny teny hoe “hazoto.” Asao izy ireo hanao hoe manao asa fanompoana amim-pahazotoana.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fanompoana amim-pahazotoana toy ny “Rehefa manampy izahay” (Bokin-kiran’ny ankizy,108b). Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany manompo amim-pahazotoana ny fianakaviany sy ny namany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9; 122:7–9

Afaka ny ho soa ho ahy ireo fitsapana ahy.

Fomba iray nankaherezan’ny Mpamonjy an’i Joseph Smith rehefa nijaly tao amin’ny fonjan’i Liberty ny nampianatra azy hoe “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7). Afaka mitahy ny ankizy io fahamarinana io rehefa miatrika fitsapana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith tao am-ponja sy ny nanerena ireo olomasina tao Missouri (jereo ny chapitres 45–47 amin’ny Histoires des Doctrine et Alliances, 167–75). Anontanio ny ankizy ny mety ho fahatsapany raha teo amin’ny toeran’i Joseph Smith na ny iray tamin’ireo olomasina tamin’izany fotoana izany izy ireo. Iaraho vakina amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9; 122:7–9, ary asao izy ireo hitady zavatra nolazain’ny Tompo fa mety hitondra fiadanana ho azy ireo. Ahoana no ahatonga ireo zavatra sarotra iainantsika “ho soa ho [antsika]”?

  • Asaivo mitazona ny sisin’ny tady iray lava be ka afaka mihenjana manerana ny efitrano ny ankizy anankiroa. Mangataha mpianatra iray hafa hanondro toerana iray eo amin’ilay tady. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8 ary hazavao fa ny tady dia maneho ireo taona ao amin’ny mandrakizay ary ilay faritra kely izay voatondro dia tahaka ireo taona iainanao eto an-tany. Inona no dikan’ny hoe ny fitsapana antsika eto an-tany dia “tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy”?

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra hoe tahaka ny ahoana izany mandany efatra volana amin’ny toerana tahaka ny fonjan’i Liberty izany. Inona no tena hahamanina antsika indrindra? Ahoana no fomba handanianantsika ny fotoantsika? Inona no nianaran’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9; 122:7–9 izay nanampy azy hiaritra io zavatra niainana io? Amporisiho ireo ankizy hanoratra taratasy iray ho an’ny olona izay mandalo fotoan-tsarotra, ary toroy hevitra izy ireo hampiasa zavatra avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9; 122:7–9 ao amin’ny taratasiny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46

Mila marina isika mba hahazo ny “herin’ny lanitra.”

Ampio ireo ankizy ampianarinao hanaiky fa afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra isika eo amin’ny fiainantsika rehefa marina.

Asa atao azo tanterahina

  • Manorita tsipika misy soratra hoe hery ambony eo amin’ny fiafaran-tsipika iray ary hery ambany eo amin’ny ilany. Manorita zanatsipika manondro eo afovoan’ilay tsipika. Misafidiana teny na andian-teny maromaro avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 izay mampianatra ny fomba hampihenantsika na hampitomboantsika ny herin’ny lanitra (toy ny hoe “hanafina ny fahotantsika,” “fiavonavonana,” “hatsaram-panahy,” ary “fitiavana”). Asao ny ankizy hifandimby haka teny iray ary hilaza raha toa ka mitarika amin’ny fihenana na ny fitomboan’ny hery ilay teny ary hamindra ilay zanatsipika arakaraka izany. Miresaha amin’ny ankizy momba ny olona fantany izay mitaona ny hafa ho amin’ny tsara satria manaraka ny torohevitry ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo.

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42, 45 ary asaivo mitanisa toetra ao amin’ireo andininy ireo izay tian’ny Tompo hananantsika ny ankizy. Ampio izy ireo hamaritra izay teny tsy azony. Ataovy mitana toetra iray avy ny ankizy tsirairay ary ampio izy ireo hieritreritra fomba iray azony hanehoana izany. Rehefa avy nizara avy izy rehetra dia angataho izy ireo hamaky ny andininy 45–46 ary hitanisa ireo fitahiana izay hoazony rehefa mampivelatra ireo toetra ireo izy ireo.

  • Iaraho mamaky ny andalana voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:46. Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina ho “[namantsika] lalandava”? Iaraho hiraina ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56) na hira iray hafa momba ny fanomezampahasoavan’ny Fanahy Masina. Inona no ampianarin’ilay hira antsika momba ny antony ilantsika ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra olona iray izay mandalo fotoan-tsarotra. Ampio izy ireo hamantatra zavatra nianaran’i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty izay azon’izy ireo zaraina amin’izany olona izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ny fianarana any an-tokantrano “Ny ray aman-dreny no mpampianatra filazantsara manan-danja indrindra ho an’ny zanany. Izy ireo dia samy manana andraikitra voalohany mba hitarika ny zanany ary manana hery tena lehibe hanaovana izany (jereo ny Deoteronomia 6:6–7 Rehefa mampianatra ny ankizy any am-piangonana ianao dia mivavaha mba hahita fomba hanohanana ny ray aman-dreny amin’ilay anjara asa lehibe hazonin’izy ireo ” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy