Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: “Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”


“4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: -Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

I Joseph Smith nitory teny

4–10 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114

“Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”

Ny Rahavavy Cheryl A. Esplin izay efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany dia nampianatra fa isika dia tokony “[h]anampy ny zanatsika hampiditra ilay fotopampianarana ao am-pony amin’ny fomba izay … [hahitana izany] taratra eny amin’ny toetrany sy ny fihetsiny mandritra ny fiainany manontolo.” (“Mampianatra ny zanatsika mba hahatakatra,” Liahona, mey 2012, 10).

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny ankizy hizara dia mitondrà zavatra vitsivitsy izay mifandraika amin’ny zavatra iray tamin’ny lesona teo aloha. Dia avelao izy ireo hiresaka momba ny hoe mampahatsiahy azy ireo inona ireo zavatra tsirairay ireo.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, 10–11

Ireo zavatr’ Andriamanitra dia afaka ny ho rakitsoa ho ahy.

Rehefa mieritreritra momba ny hoe rakitsoa ny ankizy dia mety hanana an-tsaina zavatra hafa ankoatra ny rakitsoa izay tiana holazaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, 10 izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hianatra ny hirakitra ireo zavatra izay avy amin’ny Tompo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao sary ny zavatra tonga ao an-tsainy rehefa maheno ny teny hoe rakitsoa izy ireo. Ampitahao amin’ny zavatra raisin’ny Tompo ho rakitsoa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, 10–11), toy ny olony, ny fahendrena sy ny fahamarinana, ary ny fanaovana safidy tsara, ny zavatra izay heverin’izao tontolo izao ho rakitsoa.

  • Ampio ireo ankizy hamita ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa avy amin’ireo zavatra izay heveriny fa rakitsoa? Ahoana no ahafahantsika ho tahaka Azy bebe kokoa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10

Ny Tompo dia hitarika ahy amin’ny tanana ary hamaly ny vavaka ataoko.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hanorina finoana fa i Jesoa Kristy dia hitarika sy hitondra azy ireo mandritra ny fiainany manontolo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra toe-javatra izay maha-zava-dehibe ny fihazonana ny tanan’ny olona ao amin’ny fianakaviany mandritra izany toe-javatra izany, toy ny hoe miampita arabe na manome fampaherezana. Mety hankafy ny filalaovana an-tsehatra ny ohatra izay nozarainy izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10. Nahoana isika no maniry ny Tompo “hitarika an[tsika] amin’ny tanana”?

  • Tampeno ny mason’ny iray amin’ireo ankizy ary tariho izy hankeny amin’ny ilan’ny efitrano miaraka amin’ny ankizy iray hafa mitarika azy amin’ny tanana. Lazalazao ny zavatra niainanao iray izay nahatsapanao ny Tompo nitarika anao tamin’ny tanana.

    I Jesoa miaraka amin’ny zazalahy iray sy ny reniny

    Miarena ka mandehana, nataon’i Simon Dewey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11

Tian’i Jesoa hitia ny olon-drehetra aho.

Ampio ny ankizy hahafantatra fa ny Mpamonjy dia maniry ny hitiavantsika ny olon-drehetra, na dia ireo izay mety ho ratsy fanahy amintsika aza.

Asa atao azo tanterahina

  • Eo am-pizaranao ny “Chapitre 41: Ennuis à Kirtland” (Histoires des Doctrine et Alliances, 158–60), dia angataho ny ankizy hanao endrika fo amin’ny alalan’ny tanany rehefa maheno ny momba ny olona iray izay manao ny marina izy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny Tompo dia maniry ny hitiavantsika ny olon-drehetra, na dia ireo izay mety hanao safidy tsy mety aza.

  • Manaova sarina endrika malahelo eny amin’ny solaitrabe ary anontanio ny ankizy hoe ahoana no ahafahantsika mampiseho fitiavana ho an’ireo hafa izay tsy falifaly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11). Rehefa mizara hevitra ny ankizy dia avereno atao sary indray ilay endrika malahelo mba ho lasa endrika falifaly. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny hery izay tonga avy amin’ny fitiavana ny hafa. Iaraho mihira ny hira iray mikasika ny fitiavana, toy ny “Hoy i Jesoa: “Tiavo avokoa ireo namanao”” (Bokin-kiran’ny ankizy, 39).

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10

Afaka ny hanetry tena ary hikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra aho.

Tian’ny Ray any An-danitra hanetry tena isika mba hahafahany mitarika antsika. Ampio ny ankizy hahatakatra ny fomba hahafahany mampiseho fanetrentena eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra toy ny mivavaka Aminy ary manaiky ny toroheviny.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny dikan’ny hoe manetry tena. (Azon’izy ireo vakina ny “Fanetren-tena” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana raha ilaina). Ampio izy ireo hieritreritra teny na andian-teny mifandray amin’ny hoe “hanetry tena,” ary asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10, ka hanolo ny teny hoe “hanetry tena” amin’ny iray amin’izany teny na andian-teny izany. Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra isika hanetry tena? Mba hianarana misimisy kokoa dia azon’ny ankizy atao ny mamaky ireo soratra masina fanampiny voatanisa ao amin’ny hoe “Fanetrentena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 ary angataho ny ankizy hamaky izany mafy. Asao ny ankizy hanipika ireo fitahiana ho an’ireo izay manetry tena voalaza ao amin’io andininy io. Amporisiho ny ankizy hizara ireo fotoana izay nikatsahany tamim-panetrentena ny fanampian’ny Tompo ka nitarihany azy ireo, toy ny tamin’ny namaliana ny vavaka nataony ohatra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11

Tian’i Jesoa hitia ny olon-drehetra aho.

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fitiavana ny olon-drehetra na dia ireo izay nampijaly Azy aza. I Joseph Smith koa dia niaritra fanenjehana avy amin’olona izay efa namany. Ampio ny ankizy hianatra fa afaka mitia ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy sy i Joseph Smith isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hifandimby hamaky ny ao amin’ny “Chapitre 41: Ennuis à Kirtland” (Histoires Des Doctrine Et Alliances, 158–60). Iza ao amin’ilay tantara no nahatonga ny olana tao Kirtland ho nanahirana kokoa? Iza no niezaka nanatsara ny toe-draharaha? Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11 ary hiresaka momba ny antony maha-zava-dehibe ny fitiavana ny olon-drehetra.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mitia ny olona izay tsy mitovy amintsika? Inona no mety ho antony nanaovan’ny Ray any An-danitra antsika ho samy hafa avokoa? Ahoana no ahafahantsika mamela “ny fitiavan[tsika] hitosaka amin’ny olon-drehetra,” na dia ireo izay samy hafa amintsika aza? Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 78).

  • Ampio ny ankizy hieritreritra momba ana ohatra izay nitiavan’ny Mpamonjy an’ireo izay nampijaly Azy (ohatra, jereo ao amin’ny Lioka 23:34).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:12–15, 26

Ireo izay tena niova fo marina dia lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy.

Ny hoe miova fo ho an’i Jesoa Kristy dia dingana maharitra mandritra ny fiainana manontolo, ary tsy vitan’ny hoe “[m]ilaza ho mahafantatra ny anara[ny]” fotsiny izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:26). Ampio ny ankizy hahatakatra kokoa ny dikan’ny hoe tena mahafantatra ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy fa tamin’ny 1837 dia nivadika tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Apôstôly sasany. Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ny Mpaminany? (jereo ny andininy 15). Ampio ny ankizy hitanisa ireo zavatra nolazain’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, mba hataony (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:12–15). Ampiasao izany lisitra izany mba hifanakalozana hevitra momba ny fomba hahafahantsika ho lasa miova fo kokoa ho an’i Jesoa Kristy;

  • Anontanio ny ankizy ny hevitr’izy ireo ny amin’ny dikan’ny hoe milaza ho mahafantatra an’i Jesoa Kristy nefa tsy tena mahafantatra Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:26). Inona no ampianarin’ny andininy 14 antsika momba ny zavatra azontsika atao mba hahafantarana Azy bebe kokoa? Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “[m]itondra ny hazofijalian[tsika]” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:25–26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]) na “[mamahana] ny ondri[ny].”

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hamintina ny zavatra izay nianaran’izy ireo tao an-dakilasy androany. Ampio izy ireo handray an-tsoratra na hanao sary izay hampahatsiahy azy ireo ny zavatra nianarany mba hahafahany mizara izany amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Liam-pahalalana ny ankizy ary mianatra amin’ny fomba maro. Tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba vaovao sy isan-karazany ny ankizy. Manaova asa izay manampy azy ireo hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsipamantarany rehetra ary hanandrana zavatra vaovao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)