Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: “Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”


“1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: -Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
fianakaviana miaraka amin’ny razambeny any amin’ny tontolon’ny fanahy

Isika miaraka amin’izy ireo, ary izy ireo miaraka amintsika nataon’i Caitlin Connolly

1–7 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128

“Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”

Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao ka mila fanampiana fanampiny dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampio ny ankizy hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo tany an-trano na tao amin’ny Kilonga tamin’ity herinandro ity. Omeo minitra vitsivitsyizy ireo hanehoana an-tsary ny zavatra neritreretin’izy ireo sy hizarany izany amin’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:3

Tiako ny fianakaviako.

Taorian’ny nodian’i Brigham Young rehefa avy nitory ny filazantsara dia niteny taminy ny Tompo mba hifantoka amin’ny fikarakarana ny fianakaviany.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy ny fampahalalana momba an’i Brigham Young ao amin’ny “Chapitre 49: Les saints à Nauvoo” (Histoires Des Doctrines Et Alliances, 184), na fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 amin’ny alalan’ny fampiasana ny teninao manokana. Avy eo dia vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:3 ka antitrantero ilay fehezan-teny manao hoe “hikarakara manokana ny fianakavianao.” Inona no dikan’izany hoe mikarakara ny fianakaviantsika izany? Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo maneho fitiavana ny olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo.

  • Mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny ankizy hitondra sary iray ahitana ny fianakavian’izy ireo (na asaivo manao sary izy ireo). Avy eo dia angataho izy ireo hizara ny zavatra tian’izy ireo momba ny fianakavian’izy ireo. Mampisehoa sary iray misy ny fianakavianao ary manaova ihany koa toraka izany. Hazavao ny antony itiavan’ny Ray any An-danitra antsika mba hikarakara ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika. Mihirà hira iray izay mampianatra io fahamarinana io, toy ny “Rehefa manampy izahay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 108).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5, 12

Mila fahafahana ny hatao batisa avokoa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Ankoatra ny fanampiana ny ankizy hiomana hanao ny fanekempihavanan’ny batisa ho an’ny tenany manokana, dia ampianaro azy ireo fa isika dia afaka manampy ireo izay maty tsy vita batisa mba handray ireo fitahiana mitovy amintsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35), na ampisehoy ilay horonan-tsary “Le baptême de Jésus” (ChurchofJesusChrist.org). Anontanio ireo ankizy raha efa nahita olona natao batisa izy ireo. Inona no tsaroan’izy ireo momba izany? Mampiasà sary na horonan-tsary entina hampisehoana ny ankizy fa rehefa atao batisa isika dia miroboka ao anaty rano avokoa avy eo dia miarina avy ao toy ny nataon’i Jesoa Kristy. Sokafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12, dia hazavao fa ny Fanahy dia nampianatra fa ny fanaovana batisa dia mampahatsiahy antsika ny Fitsanganana amin’ny maty.

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny olona iray fantatrao (toy ny razambe iray) izay maty kanefa tsy vita batisa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5, ary avelao izy ireo hifandimby hitazona sarina dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia manome lalana antsika mba hatao batisa ety an-tany ho an’ireo olona efa maty. Amin’ny alalan’izany no ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ho vita batisa sy hanao fanekempihavanana Aminy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18

Tian’ny Ray any An-danitra aho hianatra mikasika ny tantaram-pianakaviako.

Misy ireo fomba tsotra izay azon’ny ankizy kely andraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana. Ampio izy ireo hahatsapa fitiavana ho an’ireo olona ao amin’ny tetiaran’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manamboara rojo iray vita amin’ny taratasy ahitana ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakavianao (jereo ny pejin’ny asa atao an’ity herinandro ity), ary ento izany mba haseho ireo olona ao amin’ny kilasy. Mitantarà zavatra vitsivitsy momba ireo olona ao amin’ilay rojonao. Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18, ary hazavao fa i Joseph Smith dia nampianatra fa “misy fifamatorana … mampifandray ny ray sy ny zanaka.” Ampio ny ankizy hanamboatra rojom-pianakaviana ho an’ny tenan’izy ireo manokana ary asao izy ireo hanao ny rojo any an-trano ka hampian’ny ray aman-drenin’izy ireo hanisy ny anaran’ireo razambeny.

  • Angataho ny ankizy hizara zavatra momba ny iray amin’ireo ray aman-drenibeny. Tantarao ny iray amin’ireo tantara tianao indrindra momba ny ray aman-dreninao na ny ray aman-drenibenao. Mampisehoa sary raha azo atao. Amporisiho ny ankizy hianatra kokoa momba ireo ray aman-drenibeny sy ireo razambeny hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126

Afaka manampy amin’ ny fikarakarana ny fianakaviako aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao mba hanompo ny olona ao amin’ny fianakaviany amin’ny fomba tena manan-danja?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:3. Inona no mety ho antony nangatahan’ny Ray any An-danitra an’i Brigham Young mba “hikarakara manokana ny fianakavia[ny]”? Ahoana ahafahantsika manao toy izany ho an’ny fianakaviantsika? Manaova lisitra iray ahitana ireo zavatra azontsika atao ankehitriny mba hanompoana ireo fianakaviantsika. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo antsika mba ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa?

  • Zarao amin’ny ankizy ny tantaran-dRahavavy Carole M. Stephens momba an’i Porter zafikely lahiny (jereo ny “Misy antony lehibe hifaliantsika,” Liahona, nôv. 2013, 115). Inona no nataon’i Porter mba hikarakarana ny fianakaviany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1, 15–18

Mahatonga “fifamatorana” eo amiko sy ireo razambeko ny batisa ho an’ny maty.

Nampianatra i Joseph Smith fa ny batisa ho an’ny maty dia mampifandray antsika amin’ireo razambentsika toy ireo masombỳ ao amin’ny rojo iray. Ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa ny fifaliana azo avy amin’ny fianarana momba ireo razambentsika sy ny fakàna antoka fa vita ny asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho vondrona roa ny ankizy, ary angataho ny vondrona voalohany hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1 mba hitadiavana ny lohahevitra iray izay nampiasa ny sain’i Joseph Smith. Angataho ilay vondrona iray hamaky ny andininy 17 sy hitady ny lohahevitra noheveriny ho “faran’izay be voninahitra.” Avelao izy ireo hizara ny zavatra hitan’izy ireo, ary resaho ny antony maha-faran’izay be voninahitra io lohahevitra io. Raha azo atao dia manasà zatovo iray izay efa nanao batisa ho an’ny maty mba hizara ny zavatra niainany ka hanazava ny antony hanaovantsika io asa io.

  • Azonao atao ny mampiasa zavatra azo tsapain-tanana enti-mampianatra mba hampisehoana fa mila ny fanampian’ireo razambetsika izay mbola tsy vita batisa isika. Ohatra, mampisehoa fanomezana na zavatra azo hohanina, saingy apetraho amin’ny toerana tsy takatry ny iray amin’ireo ankizy izany. Lazao izany ankizy izany fa afaka mahazo ilay zavatra izy saingy tsy mahazo mihetsika eo amin’ny toerana ipetrahany. Anontanio ny ankizy hoe inona no azon’izy ireo atao mba hanampiana ilay ankizy hahazo izany. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, ary resaho ny fomba ifandraisan’izany amin’ilay zavatra azo tsapain-tanana enti-mampianatra.

  • Asao ny ankizy hanao rojo vita amin’ny taratasy misy ny anaran’ireo ray aman-dreniny, sy ny an’ireo raibe sy renibeny, sy ny sisa (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity lesona ity). Raha toa ny ankizy ka tsy mahalala ny anaran’ireo razambeny, dia amporisiho izy ireo hitady ny anaran’izy ireny sy hanoratra izany eo amin’ilay rojo rehefa any an-trano. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 mba hahafantarana ilay “fifamatorana” izay mahatonga ny tantaran’ny fianakaviantsika hikambana sy ho feno. Tantarao ny tantaran’ny razambenao iray izay manampy anao hahatsapa tena ho mifandray aminy. . .

  • Mampisehoa fahazoan-dalana hidirana ny tempoly amin’ny ankizy, ary lazao azy ireo ny fomba nahazoanao izany. Ampio ny ankizy hiandrandra ny hahazoan’izy ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny tenan’izy ireo manokana mba hahafahan’izy ireo mankany sy hatao batisa ho an’ireo razamben’izy ireo manokana.

    Sary
    zatovolahy miaraka amina karatra kely misy anarana

    Afaka mikaroka ny anaran’ireo razambetsika isika ary hanao ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hiangavy olona iray any an-trano mba hanampy azy hianatra misimisy kokoa momba ny tantaram-pianakaviany. Azon’izy ireo hatao ny mianatra momba ny tantaran’ny razambe iray na mampiasa ny FamilySearch.org mba hahitana ny anaran’ireo razambe izay mbola tsy vita batisa.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona. Rehefa manangan-javatra, na manao sary, na mandoko zavatra mifandray amin’ny tantara na ny fitsipika ianarany ny ankizy dia matetika izany no tsaroan’izy ireo kokoa. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampiasa ny zavatra noforonin’izy ireo mba hampianarana ny hafa. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25.)

Hamoaka printy