Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: “Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana”


“8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: -Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
I Joseph Smith mampianatra ao Nauvoo

Joseph Smith ao Nauvoo, 1840, nataon’i Theodore Gorka

8–14 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132

“Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana”

Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Tsy fampianarana ny firesahana sy ny fitantarana fotsiny ihany. Ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fomban’ny Tompo dia ahitana ny fandinihana sy ny fihainoana ary ny famantarana ho toy ny zavatra takiana mialoha ny firesahana” (““Lasa Misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako,”,” Liahona, ôkt. 2013, 46). Inona no ampianarin’ny Fanahy anao rehefa mandinika sy mihaino an’ireo ankizy ampianarinao ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Misafidiana lohahevitra iray avy ao amin’ny fizarana 129–32, ary avelao ireo ankizy hilaza aminao ny zavatra efa nianarany momba izany lohahevitra izany. Ohatra, inona no fantany momba ny Ray any An-danitra na ny Andriamanitra? momba ny fanambadiana mandrakizay? momba ny fanjakana selestialy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21; 132:5

Avy amin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra ny fitahiana.

Nampianatra i Joseph Smith fa ny fitahiana tsirairay avy amin’ Andriamanitra dia mifototra amin’ny fankatoavantsika ireo lalàny. Ahoana no hampianaranao io fitsipika io amin’ny fomba izay hahatakaran’ny ankizy izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mizarà fampitahana tsotra amin’ireo ankizy izay maneho ny maha-zava-dehibe ny fanarahana toromarika; ohatra, resaho amin’izy ireo ny momba ireo dingana tsy maintsy arahintsika rehefa mahandro sakafo na milalao kilalao na manorina zavatra. Inona no mitranga rehefa tsy manaraka ny toromarika isika? (Mety hoe manana zavatra niainana manokana izay azonao zaraina ianao.) Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:21, dia ampitahao amin’ireo didy tsy maintsy arahintsika ireo toromarika ireo mba hahazoana fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra.

  • Anontanio ireo ankizy raha afaka mieritreritra fotoana iray izay nankatoavany ny didin’ Andriamanitra. Inona no tsapan’izy ireo? Miaraha mihira hira iray momba ny fankatoavana, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68), ary fantaro ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana voalaza ao amin’ilay hira. Ifanakalozy hevitra ny amin’ireo zavatra sasany nodidin’ Andriamanitra mba hataontsika. Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ Andriamanitra antsika rehefa mitandrina ireo didy ireo isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22

Manana vatana tsy mety maty ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Rehefa mahatakatra isika fa manana vatana mitovy amintsika Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia mahatsapa ho akaiky kokoa Azy ireo isika, ary hihamafy orina ny fifandraisantsika Amin’Izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarin’i Jesoa Kristy amin’ny ankizy, ary asao izy ireo hanondro ny masony, vavany, ary faritra hafa amin’ny vatany. Dia asao izy ireo avy eo mba hitsangana ary hanondro ny faritra mitovy amin’izany amin’ny vatany. Vakio ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22 ny hoe: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana … ; ny Zanaka koa.” Mijoroa ho vavolombelona fa ny vatantsika dia mitovy amin’ny vatan’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa.

  • Miaraha mihira hira momba ny vatantsika, toy ny “Loha, soroka, tongotra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 109a), ary asao ireo ankizy hanao ireo fihetsika mifanaraka amin’ny tonony. Angataho ireo ankizy mba hilaza aminao ny zavatra azon’izy ireo atao amin’ny vatany. Manehoa fankasitrahana noho ny vatana izay nomen’ Andriamanitra anao. Ahoana no hanehoantsika fa mankasitraka noho io fanomezana miavaka io isika?

  • Asaivo manao sarin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny tenany ny ankizy. Ampio izy ireo hahita ny fitovian’ny vatantsika amin’ny an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19

Nataon’ny Ray any An-danitra izay hahatonga ny fianakaviana hiaraka mandrakizay.

Amin’ny alalan’ny hery famehezan’ny Tompo sy ireo ôtdônansin’ny tempoly dia afaka ny haharitra mandrakizay ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviantsika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ohatra ana zavatra izay tsy maharitra mandrakizay, sakafo simba, voninkazo malazo, sy ny sisa. Asehoy ny sarin’ny fianakavianao, ary zarao ny zavatra tsapanao momba azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa nataon’ny Tompo izay hampaharitra mandrakizay ny fianakaviana, amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

  • Sokafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ao amin’ny fizarana 132, dia lazao amin’ny ankizy fa izy io dia fanambarana nomena an’i Joseph Smith momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Asehoy azy ireo ny andininy 19, ary tondroy ny teny hoe “mandrakizay” rehefa mamaky izany ianao. Asao ny ankizy hiaraka hamaky ireo teny ireo aminao.

  • Ampio ny ankizy hanao kisarin’olona amin’ny taratasy izay maneho ny olona ao amin’ny fianakaviany (jereo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity). Tapatapaho izany ary ataovy anaty valopy iray na ampifampitohizo amin’ny alalan’ny trombone mba hanehoana ny hery famehezana izay afaka mampaharitra mandrakizay ny fianakaviantsika.

    Sary
    vehivavy sy ankizivavy eo an-tokontanin’ny tempoly

    Manome fahafahana ny fianakaviana hiaraka mandrakizay ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–19

Tian’ny Ray any An-danitra hahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina aho.

Zavatra maro izay azontsika amin’ity fiainana ity no tsy hiaraka amintsika any amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Fa ny “fahalalana sy faharanitan-tsaina” ananantsika kosa dia hiaraka amintsika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:19).

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hizara aminao zavatra iray izay ianarany ao amin’ny kilasy na avy amin’ireo ray aman-dreniny. Asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–19 mba hitady ny zavatra hitranga amin’ny fahalalantsika sy ny faharanitan-tsaintsika any amin’ny fiainan-ko avy.

  • Inona no ampianarin’ny andininy 19 momba ny fomba hahazoantsika fahalalana sy faharintan-tsaina? Ahoana no ahafahantsika ho mazoto sy mpankatò rehefa mikatsaka ny hianatra? (Raha hijery misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity dia jereo ny “Education” ao amin’ny Jeunes, soyez forts [pages 9–10].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21; 132:5, 21–23

Avy amin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra ny fitahiana.

Saintsaino ny fomba fitahian’ny Tompo anao rehefa mankatò ny lalàny ianao. Inona no traikefa azonao zaraina amin’ny ankizy mba hitaona fanahy azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mihirà hira momba ny fankatoavana toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68), dia asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21 sy 132:5. Ampio izy ireo hahita teny sy hevitra ao amin’ny soratra masina izay mitovitovy amin’ireo ao amin’ilay hira. Ahoana no fomba hahazoantsika fitahiana avy amin’ Andriamanitra? Angataho ny ankizy hizara ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra

  • Iaraho vakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:21–23, dia asao ny ankizy hanao sary maneho ny zavatra ianarany avy amin’ireo andininy ireo. Ampio izy ireo hamorona ary toroy hevitra ny hampidirany ao amin’ny sariny ireo lalàna na didy izay manampy antsika hijanona eo amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:15, 19

Nataon’ny Ray any An-danitra izay hahatonga ny fianakaviana hiaraka mandrakizay.

Na inona na inona zavatra iainan’ny fianakaviantsika amin’izao, dia afaka isika izao ny hisafidy zavatra izay hanomana antsika handray ireo fitahiana avy amin’ny fianakaviana mandrakizay any amin’ny hoavy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny sasany amin’ireo ankizy mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4 ary ny sasany hamaky ny 132:15. Ampio izy ireo hahita ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fanambadiana. Safidio ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny 132:19 (toy ny “raha toa ny lehilahy iray manambady vehivavy iray,” “fanekempihavanana … maharitra mandrakizay,” “fehezina,” “mitoetra ao amin’ny fanekempihavanako,” ary “mandrakizay,”), dia angataho ireo ankizy mba hitady ireo andian-teny ireo ao amin’ilay andininy. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba ny fianakaviana?

  • Hirao ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98), na jereo ny “Chaptre 54: Une révélation sur le mariage” (Histoires des Doctrine et Alliances, 198). Angataho ny ankizy mba hihaino sy ho vonona hizara ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahatonga ny fianakaviantsika ho mandrakizay. Mijoroa ho vavolombelona fa na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika, dia afaka manomana ny tenantsika ho isan’ny fianakaviana mandrakizay isika.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hilaza amin’ny fianakaviany ny fitiavan’izy ireo azy sy ny faniriany ho tafaraka mandrakizay.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahaiza mihaino ny toe-javatra iainan’ny fianakaviana. “Miaina ao anatin’ny toe-piainam-pianakaviana maro samihafa sy sarotra ny ankizy amin’izao fotoana izao. … Mila manolo-tanana ireo izay mahatsapa ho irery sy tsy misy miraharaha ary any ivelan’ny fefy [isika]” (Neil L. Andersen, “Na zovy na zovy no mandray azy ireo, dia mandray Ahy,” Liahona, mey 2016, 49, 52).

Hamoaka printy