Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134: “Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra”


“15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134: -Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
virijiny dimy hendry

Tonga ny Mpampakatra, nataon’i Elizabeth Gibbons

15–21 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134

“Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo”

Ataovy ao an-tsaina ny zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao, na ireo izay mandalina sy mianatra any an-tokantranony izany na ireo izay mety tsy manao an’izany. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hifampianatra momba ireo zavatra izay ianarany?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sary nampiasanao tamin’ny lesona tao amin’ny Kilonga vao tsy ela, ary asao ny ankizy hizara izay tsaroany avy amin’io lesona io.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–21, 25

Ho avy indray i Jesoa Kristy.

Ao amin’ny fizarana 133, ny Tompo dia mamariparitra ny Fiaviany fanindroany ary manasa ny olony hiomana ho amin’io tranga be voninahitra io. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hiandrandra ny fiverenan’ny Mpamonjy?

Asa atao azo tanterahina

  • Manafena sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany ao ambadiky ny lamba iray, ka ilay lamba dia atao ho toy ny hoe rideau (azonao ampiasaina ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 66). Asao ny ankizy hifandimby hanisaka ilay “rideau” amin’ny sisiny ary mody hanao hoe mijery ny any ivelany avy eo amin’ny varavarankely izy ireo. Anontanio azy ireo izay ho tsapany raha toa izy ireo ka mijery ny varavarankely ka mahita an’i Jesoa midina avy any an-danitra. Vakio ny andian-teny hoe “mivoaha ianareo hitsena Azy” (andininy 19), ary ampio ny ankizy hamerina izany andian-teny izany.

  • Hanafeno sary maneho zavatra iray azo atao mba hiomanana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany ao ambanin’ny sezan’ny ankizy tsirairay (toy ny mamaky soratra masina, mizara ny filazantsara, na manompo ny fianakaviantsika. Avelao ny ankizy hahita ireo sary ary resadresaho ny hoe amin’ny fomba ahoana ireo sary ireo no manampy antsika ho vonona hihaona amin’ny Mpamonjy rehefa miverina Izy.

  • Iaraho mihira ny hira iray momba ny Fiaviana fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray i Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46). Zarao ny fitiavanao ny Mpamonjy ary ny fahatsapanao momba ny fiverenany ety an-tany. Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany ihany koa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52–53

I Jesoa Kristy dia be fitiavana sy tsara fanahy.

Ireo andininy ireo dia manoritsoritra ny sasany amin’ireo fomba maro hanehoan’ny Tompo ny “halemem-panahy sy ny fitiavan[y]” ny olony. Inona no azonao atao mba hanampiana ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ho azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary izay mampiseho fa i Jesoa dia be fitiavana sy tsara fanahy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 4247). Angataho ny ankizy hizara zavatra hafa izay nataon’i Jesoa mba hampisehoana ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny. Vakio ilay andian-teny hoe “hilaza ny halemem-panahy sy ny fitiavan’ny Tompony” (andininy 52), ary ampio ny ankizy hieritreritra momba ireo fomba izay hahafahan’izy ireo miresaka momba ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny hafa.

  • Mihirà hira momba ny fitiavan’ny Mpamonjy, toy ny “I Jesoa dia namantsika” (Bokin-kiran’ny ankizy, 37). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba nampisehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany anao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5

Tian’ny Tompo aho hankatò ny lalàna.

Matetika ny ankizy kely dia manana fitsipika mila arahina any an-tranony, any an-tsekoly, ary amin’ny toerana hafa. Azonao ampiana izy ireo hahatakatra fa ny Tompo dia maniry antsika hanaraka ireo fitsipika sy lalàna ao amin’ny fiarahamonina sy firenena.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao kilalao tsotra ka tsy asiana fitsipi-dalao, dia asaivo manao ilay kilalao indray izy ireo avy eo saingy asiana fitsipi-dalao kosa amin’izay. Ahoana no hanampian’ny fitsipika antsika? Manehoa fankasitrahana ho an’ireo lalàn’ny tany.

  • Ampio ny ankizy hamerina ny fanekem-pinoana faha roa ambin’ny folo. Antitrantero ny teny manan-danja toy ny hoe “fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana,” ary resadresaho amin’ny ankizy ny dikan’ireo teny ireo. Zarao amin’izy ireo ny antony maha-manan-danja ny fankatoavana ny lalàna.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–5, 14–15

Tian’ny Tompo hadio aho.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny fomba hijanonana ho madio ka hisoroka ireo fitaoman’izao tontolo izao manodidina azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny hoe “Babela, Babylona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ary hamantatra ny dikan’ny hoe Babylona sy ny hoe hoentina maneho inona ny Babylona. Dia iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–5, 14–15 avy eo. Midika inona izany hoe “Mandehana ianareo miala an’i Babylona”? (andininy 5). Inona avy ireo toerana sy toe-javatra sasany izay tian’ny Tompo halavirantsika? Inona no azontsika atao mba hisorohana azy ireo?

  • Asio famantarana manao hoe “Ziona” eny amin’ny sisiny iray amin’ny efitrano, ary asio famantarana hafa koa eny amin’ny sisiny ilany izay manao hoe “Babylona.” Manorata teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–5, 14–15 eo amina ravina taratasy izay manoritsoritra ny hoe Ziona na Babylona (toy ny hoe “faharatsiana,” “madiova,” na “famongorana”), ary asao ny ankizy hametraka ny taratasy tsirairay eo ambanin’ny famantarana tokony hisy azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–25, 46–52

Hanjaka eto an-tany indray i Jesoa.

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson hoe, “Faran’izay manan-danja ny manomana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany” (“Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 81). Ahoana no hanampianao ny ankizy hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’io asa faran’izay manan-danja io?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ny ankizy hanao ny lisitry ny zavatra izay fantany momba ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Dia asao izy ireo avy eo, amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–25, 46–52, mba hanampy zavatra ao amin’ny lisitra nataony. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny Fiaviana fanindroany dia ho andro mahafinaritra ho an’ny olo-marina.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny andininy 19, dia resaho amin’izy ireo ny hoe ny olona ampakarina dia miomana ho amin’ny fanambadiany (angamba ny olona nivady vao tsy ela afaka manampy ao amin’ity resadresaka ity). Inona no itoviantsika amin’ny olona ampakarina miomana ho amin’ny “fiavian’ny Mpampakatra,” dia i Jesoa Kristy izany? Raha heverinao fa hanampy izany dia ataovy famerenana miaraka amin’ny ankizy ny fanoharana momba ireo virijiny folo (jereo ny Matio 25:1–13). Nahoana no zava-dehibe ny miomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany? Inona no azontsika atao izao mba hiomanana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1–2

Tian’ny Tompo aho hankatò ny lalàna.

Na dia samy hafa aza ny karazana fitondram-panjakana manerana an’izao tontolo izao dia tian’ny Tompo isika “hanohana sy hanoa … ny fitondram-panjakana misy [antsika] avy,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hitanisa fitsipika na lalàna ankatoaviny. Mety hanao ahoana ny fiainana raha tsy misy mankatò ireo lalàna ireo? Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1–2, ary ampio izy ireo hahatakatra izay mety ho teny na andian-teny tsy takany. Nahoana no tian’ny Tompo isika hanana fitondram-panjakana sy lalàna?

  • Soraty amina taratasy mitokana ny fanekem-pinoana faha iraika ambin’ny folo sy faha roa ambin’ny folo. Atambatambaro ireo taratasy ary angataho ny ankizy hiara-hiasa hamerina azy ireo araka ny tokony ho izy Ahoana no hampisehoantsika fa mino izay ampianarin’ireo fanekem-pinoana ireo isika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Omeo fanontaniana hapetraka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany any an-tranony ny ankizy tsirairay avy. Ohatra, raha nianatra mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany ianareo dia afaka manontany ny ankizy hoe: “Inona no azontsika atao mba hiomanana amin’ny fiverenan’i Jesoa indray?”

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahazo an-tsaina ny mahazo an’ireo ankizy ampianarinao. Fantatrao ny ankizy ampianarinao. Ireo hevitra ao anatin’ity rindran-damina ity dia mety mila amboarina mba hitondrana ny zavatra ilain’izy ireo. Mba hanampiana anao dia jereo ireo asa atao rehetra voatanisa ao amin’ity rindran-damina ity, fa tsy ireo izay natokana ho an’ny taonan’ankizy ampianarinao fotsiny. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Hamoaka printy