Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: “ -Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny ràny- izy”


“22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: -“Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny ràny,”- izy” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
ivelan’ny Fonjan’i Carthage

Fonjan’i Carthage

22–28 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

“Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny ràny izy”

Eo am-piomananao hampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–36, dia tadiavo ireo fitsipika izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanao. Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ireo hevitra ato amin’ity rindran-damina ity ny ankizy mba hianatra sy hampiharatra ireo fitsipika ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara ny zavatra tadidin’izy ireo fa nianarany nandritra ity taona ity momba an’i Joseph Smith sy ny zavatra vitan’izy ireo. Mampisehoa sary avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana amin’ity taona ity na avy amin’ireo pejin’ny asa atao teo aloha mba hanampiana azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–2

Nahafoy ny ain’izy ireo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Joseph Smith sy i Hyrum Smith.

Ny tantaran’ny naha-martiora an’i Joseph sy i Hyrum Smith dia mety hanampy ny ankizy haneho fankasitrahana ny amin’ireo tenivavolombelona sy fahafoinzantena an’ireo lehilahy mahery ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny “Chapitre 56: Le Prophète est tué” (Histoires des Doctrines Et Alliances, 201–5) mba hitantarana amin’ny ankizy ny fomba nahafatesan’i Joseph Smith sy i Hyrum Smith rahalahiny. Na avelao ny ankizy hitantara ilay tantara. Mijoroa ho vavolombelona fa mpaminany marina i Joseph Smith ary nahafoy ny ainy ho an’ny Tompo sy ny filazantsarany izy.

  • Zarao amin’ny ankizy ireo fehezan-teny vitsivitsy novakin’i Hyrum Smith tamin’ny andinin-tsoratra masina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna mialoha ny nandehanany ho any Carthage Jail, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5. Resaho ny amin’ny naha-mety ho nampiononan’io andinin-tsoratra masina io an’i Hyrum. Zarao ireo soratra masina izay mitondra fampiononana ho anao rehefa mitaintaina na malahelo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3

Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Nianatra momba ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny ankizy nandritra ny taona. Afaka manampy azy ireo hahatsiaro sy hankasitraka ny fomba nitahian’ny asa nataon’i Joseph Smith ny fiainan’izy ireo ianao.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampirantia zavatra azo tsampain-tanana izay maneho ny asa nataon’ny Mpaminany Joseph Smith toy ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, na sarina misiônera, na sarina tempoly. Ampiasao ireo teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, dia zarao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo zavatra nataon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith mba ho famonjena antsika. Asao ny ankizy hisafidy ny iray amin’ireo zavatra ireo ka hizara ny antony mha feno fankasitrahana azy ireo ny amin’izany.

  • Eo am-pandokoan’ny ankizy ireo pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity dia hirao na tendreo ny hira momba an’i Joseph Smith toy ilay hoe: “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 100). Zarao ireo fahatsapana ananao momba ilay Mpaminany.

    Sary
    Joseph Smith

    The American Prophet [Ilay Mpaminany amerikana], nataon’i Del Parson

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136

Omen’ Andriamanitra didy isika mba hanampiana antsika.

Nandalo fitsapana maro ireo Olomasina nandritra ireo taona taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny torohevitra nomen’ny Tompo ireo Olomasina ny ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo olona natrehan’ireo Olomasina raha izy ireo niala an’i Nauvoo mba hiangona tao Winter Quarters (jereo ny chaptre 60 sy 62 ao amin’ny Histoires des Doctrines Et Alliances , 211–16, 222–24). Ametraho sary iray an’ny tempolin’i Nauvoo eny akaikin’ny lafin-drindrina iray ao amin’ilay efitrano, ary manamboara fialofana tsotra iray eny amin’ny ilany iray; mety hoe amboarina amin’ny alalan’ny bodofotsy na seza vitsivitsy na latabatra iray. Asao ny ankizy hitangorona akaikin’ilay sary ary tantarao azy ireo fa taona iray sy tapany taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith dia noterena handao an’i Nauvoo izy ireo. Asao ny ankizy handeha miodidina ilay tempoly sy hiangona ao anatin’ilay fialofana mba hanehoana ny dia nankany Winter Quarters.

  • Hazavao fa ny Tompo dia nanome fanambarana iray an’i Brigham Young, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136, mba hanampiana ireo Olomasina talohan’ny nandehanana’izy ireo hankany Salt Lake Valley. Mamakia fehezan-teny vitsivitsy avy ao amin’ny fizarana 136 izay misy ny torohevitra fa ny ankizy kely dia afaka mahataka-javatra na ataovy sary ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo Olomasina nandritra ny dian’izy ireo. Ohatra, azon’ny ankizy atao ny manao sary ny tenan’izy ireo mamerina ny zavatra nindramin’izy ireo tamin’ny namany na afaka mihira hiran’ny Kilonga iray izy ireo sady mandihy manodidina ny afon-dasy tsy tena izy (jereo ny andininy 25, 28).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135

Nahafoy ny ain’izy ireo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Joseph Smith sy i Hyrum Smith.

Afaka ny hampatanjaka ny finoan’ny ankizy sy ny fanirian’izy ireo mba hijoro amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ny mandre momba ireo fahafoizantena nataon’i Joseph Smith sy i Hyrum Smith.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara izay fantany mikasika ny fomba namonoana an’i Joseph Smith sy i Hyrum Smith? Raha mila fanampiana izy ireo dia asaivo jeren’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1 na ny “Chapitre 56: Le Prophète est tué” (Histoires Des Doctrines Et Alliances, 201–5). Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe nandao an’i Nauvoo izy ireo rehefa maty ny Mpaminany. Angataho izy ireo hizara ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny mpaminany Joseph Smith, ary asao ny ankizy hanao toy izany koa.

  • Mampisehoa sarin’i Joseph Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 14, 1867). Inona ny sasany amin’ireo zavatra nasain’ Andriamanitra hataon’ireo mpaminany. Hazavao fa ny Tompo dia nampanantena ny hitahy ireo mpaminaniny noho ireo fanolorantena ataon’izy amin’ny hanompoana Azy (jereo ny Matio 10:39).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3

Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Tahaka ireo mpaminany rehetra, i Joseph Smith dia nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ary mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika hanatona Azy. Ampio ny ankizy hahita ny fomba nanatontosan’i Joseph Smith ny iraka nampanaovina azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, ary asaivo fantarin’ny ankizy ny zavatra vitan’i Joseph Smith. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo. Asao ny ankizy hisafidy ny iray amin’ireo zavatra ireo ka hizara ny antony mha feno fankasitrahana azy ireo ny amin’izany.

  • Amporisiho ny ankizy hieritreritra tsirairay momba ny namana iray izay tsy mahalala be loatra momba an’i Joseph Smith. Inona no mety holazain’izy ireo raha manontany toy izao io olona io: “Nahoana i Joseph Smith no manan-danja aminao?” Asao ny ankizy hiteny ny zavatra mety holazain’izy ireo amin’io olona io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:4, 10–11, 18–30

Afaka mitahy ahy ny Tompo rehefa manana olana aho.

Taorian’ny namonoana an’i Joseph Smith dia noterena hiala an’i Nauvoo izy ireo. Notarihin’i Brigham Young ho any Winter Quarters izy ireo, toerana izay niomanan’izy ireo ho amina dia be iray izay mbola lavitra kokoa mba ho any Salt Lake Valley.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ireo zavatra niainan’ireo Olomasina taorian’ny namonoana ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny chaptre 5760, ary ny 62 ao amin’ny Histoires Des Doctrines Et Alliances, pejy 206–8, 211–16, 222–24). Asao ny ankizy haka sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa izy ireo ka voatery handao ny tranon’izy ireo ka hitady toerana vaovao honenana any an-tany foana. Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136, ny Tompo dia nanome torohevitra ny amin’ny hanampiana ireo Olomasina nandritra ny dian’izy ireo. Omeo andinin-tsoratra masina vitsivitsy avy amin’ity fanambarana ity ny ankizy tsirairay, ohatra hoe andininy 4, 10–11, 18–30, ary angataho ny ankizy tsirairay hitady zavatra izay mety hanampy azy ireo amin’ny fitaintainany na ny tahony.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ny amin’ireo fitsapana atrehan’ny olona ankehitriny. Asao izy ireo hikaroka zavatra ao amin’ny fizarana 136 izay mety hozarain’izy ireo mba hankaherezana olona iray izay mandalo fitsapana toy izany. Ny ankizy dia afaka ihany koa ny hahita hafatra mankahery ao amin’ny “Ndao ry Olomasina” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy,, lah. 04), fihirana nohirain’ireo Olomasina nandritra ny dian’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakavian’izy ireo na ny namany ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ireo ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Indraindray mety mahatsapa ianao fa ny fihetsiketsehan’ny ankizy dia manelingelina ny fianarana. Kanefa afaka manorina zavatra amin’ny alalan’ny toetran’izy ireo tia mihetsiketsika ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanao sary na hihira na hanao fihetsika momba ny fitsipiky ny filazantsara iray (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).

Hamoaka printy