Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138: “Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”


“29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138: -Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
olona ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Nahita ny rainy sy ny reniny ary ny rahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy i Joseph (Joseph Smith’s Vision of the Celestial Kingdom, Robert Barrett).

29 nôvambra–5 desambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138

“Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty”

Mitadiava fitsipika ao amin’ireo fanambarana ireo izay hita fa manan-danja ho an’ireo ankizy ampianarinao. Ahoana no hanampianao azy ireo hahatakatra ireo fitsipika ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sary misy an’i Jesoa Kristy ao amin’ny tontolon’ny fanahy, tahaka ilay hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ny ankizy hizara ny zavatra izay fantany momba ny tontolon’ny fanahy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–5

Nomen’ Andriamanitra fomba iray hahafahako hiaraka amin’ny fianakaviako mandrakizay aho.

Tao anatin’ny fahitana iray i Joseph Smith dia nahita ireo olona tao amin’ny fianakaviany tao amin’ny fanjakana selestialy. Ahoana no hampiasanao io fahitana io mba hampianarana ny ankizy fa ny fianakaviana dia afaka ny ho tafaraka mandrakizay?

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarin’olona iray ao amin’ny fianakavianao, ary resaho ny fanirianao hiaraka aminy ao amin’ny fanjakana selestialy. Hazavao fa maty mbola tanora i Alvin rahalahin’i Joseph Smith ary nalahelo azy mafy izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1, 5, dia anontanio ny ankizy hoe iza no hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fahitany ny fanjakana selestialy (jereo ihany koa ny Histoires des Doctrine et Alliances, 152–53). Asao ny ankizy haninjitra ny tanany mba hanehoana ny fitiavany ny fianakaviany ary angataho izy ireo hizara ny antony haniriany ny hiaraka amin’ny fianakaviany ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–5 sy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hahita ny antsipirian’ilay fahitan’i Joseph Smith ny fanjakana selestialy. Asao izy ireo hanao ny sarin’ny tenany sy ny fianakaviany eo amin’ilay pejin’ny asa atao eo am-pandefasanao na eo am-pihiranao hira momba ny fianakaviana, toy ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6–11

Afaka manampy ahy hahatakatra ny soratra masina ny Fanahy Masina.

Sarotra takarina indraindray ny soratra masina, indrindra ho an’ny ankizy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11 dia mampianatra fa ny Fanahy Masina dia afaka manokatra ny “masom-pahatakara[ntsika].”

Sary
zazalahy mamaky soratra masina

Afaka manampy antsika hahatarakatra ny zavatra vakintsika ao amin’ny soratra masina ny Fanahy Masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarin’ny Filoha Joseph F. Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 127). Hazavao fa izy no Filoha fahenin’ny Fiangonana, ary indray andro izy dia namaky ny soratra masina ary nisaintsaina ny aminy (nieritreritra ny tiany hambara). Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6, 11 dia asao ny ankizy mody hihevitra ny tenany ho ny Filoha Smith ary hanao fihetsika izay mifanaraka amin’ireo teny voalaza.

  • Lazao amin’ny ankizy ny fotoana iray izay nisaintsainanao zavatra tao amin’ny soratra masina ka nanampy anao ny Fanahy Masina mba hahatakatra izany. Miaraha mihira hira iray mikasika ny fandalinana ny soratra masina toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66). Inona no lazain’io hira io fa tokony hataontsika mba hahatakarana ny soratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18–35

Ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia hanana fahafahana handre ny filazantsara avokoa.

Taorian’ny nanomboana an’i Jesoa Kristy dia nitsidika an’ireo olomasiny mahatoky tao amin’ny tontolon’ny fanahy Izy. Nanome toromarika azy ireo Izy mba hampianatra ny filazantsara amin’ireo izay mbola tsy nandray izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarina fasana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 58, 59 na ny sary ao amin’ny , lah. 14), na manaova sarina fasana eny amin’ny solaitrabe. Manehoa sarin’ny Mpamonjy ao amin’ny tontolon’ny fanahy raha mbola tao am-pasana ny vatany (tahaka ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.). Eo am-panaovanao izany dia mametraha fanontaniana mba hanampiana ny ankizy hahita antsipirian-javatra manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18–19, 23–24, 27–30, toy ny hoe iza no notsidihin’i Jesoa, inona no fahatsapana nananan’izy ireo, ary inona no nangatahiny mba hataon’izy ireo.

  • Mampisehoa sarin’ny misiônera (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 109, 110), ary asao ny ankizy mba hizara ny zavatra ataon’ny misiônera. Azonao asaina ihany koa izy ireo mba hilalao an-tsehatra ny zavatra sasany izay ataon’ny misiônera. Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:31–34. Hazavao fa tahaka ny fisian’ireo misiônera eto an-tany, dia misy misiônera ihany koa any amin’ny tontolon’ny fanahy izay mampianatra ny olona any.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–5

Nanolotra lalana ho ahy Andriamanitra mba hiaraka amin’ny fianakaviako mandrakizay.

Nahita fahitana ny fanjakana selestialy i Joseph Smith ary nahita ny ray aman-dreniny sy i Alvin rahalahiny tao. Io fahitana io dia mampianatra antsika fa rehefa marin-toetra isika dia afaka ny hitohy any amin’ny fiainan-ko avy ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–5 ary hanao ny sarin’ny zavatra izay vakin’izy ireo (jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Mety ho inona no tsapan’i Joseph Smith rehefa nahita an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany tao amin’ny fanjakana selestialy?

  • Mihirà hira iray momba ny fianakaviana, toy ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, ). Inona no ampianarin’ilay hira antsika momba ny zavatra azontsika atao mba hahatonga ny fianakaviana ho mandrakizay?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11

Rehefa misaintsaina ny soratra masina aho dia afaka manampy ahy hahatakatra izany ny Fanahy Masina.

Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Filoha Joseph F Smith izay mety hanatsara ny fomba fandalinany ny soratra masina?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11 ary ampio izy ireo hanoratra famintinana amin’ny fehezan-teny iray ny zavatra niainan’ny Filoha Joseph F. Smith. Inona no nataony izay nitarika azy hahita io fahitana mahatalanjona io? Inona no dikan’ny hoe mandalina sy mandinika ny soratra masina?

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra ataony rehefa manana fanontaniana momba ny filazantsara izy ireo. Mizarà ohatra avy amin’ny soratra masina na ny fiainanao manokana mikasika ny fotoana izay nahatonga ny fisaintsainana ny soratra masina ho nitondra fahatakarana avy tamin’ny Fanahy (jereo ohatra ny, 1 Nefia 11:1–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24; Joseph Smith—Tantara 1:11–12).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–35

Ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia hanana fahafahana handre ny filazantsara avokoa.

Nianatra ny filoha Joseph F Smith fa ny asa fitoriana ny filazantsara dia mitohy any amin’ny tontolon’ny fanahy. Io asa io no manome toky fa samy hanana ny fahafahana hanaiky ny filazantsara avokoa ny olona tsirairay.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova lisitr’ireo andininy avy ao amin’ny fizarana 138 eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia tanisao, tsy araka ny filaharany, ireo teny izay mamintina ny vondron-tsoratra masina tsirairay. Asao ny ankizy mba hampifandray ireo fehezan-teny amin’ireo andininy marina. Izany andininy izany dia mety hahitana ny 12–16 (ireo fanahy marina dia mivory mba hiandry ny fivoahan’i Jesoa), ny 18–19 (niseho tamin’ireo fanahy marina ny Mpamonjy), 29–30 (mandefa iraka i Jesoa mba hitory ny filazantsara), 31–35 (ireo fanahy marina mitory ny filazantsara), sy ny sisa. Rehefa nampifandraisin’ny ankizy izany dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ireo andininy ireo.

  • Angataho ny sasany amin’ireo ankizy mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:33 mba hahita hoe fitsipiky ny filazantsara inona no nampianarina tamin’ny fanahin’ny maty. Angataho ireo mpianatra hafa mba hamaky ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Fanekem-pinoana 1:4. Inona no mitovy ao amin’ireo andininy ireo, ary inona no tsy mitovy? Inona no ampianarin’io antsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba handamina fotoana amin’ity herinandro ity izay hisaintsainany ny soratra masina izay vakiny.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana dia ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hiran’ny Kilonga iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’i Jesoa anankiray.

Hamoaka printy