Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
6–12 desambra. Ireo fanekem-pinoana ary ny Fanambarana Ofisialy 1 sy 2: “Mino isika”


“6–120 desambra. Ireo fanekem-pinoana ary ny Fanambarana Ofisialy 1 sy 2: -Mino isika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“6–120 desambra. Ireo fanekem-pinoana ary ny Fanambarana Ofisialy 1 sy 2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
bemiray misy sarin-tanana amin’ny fihodirana maro samihafa

Ho an’ny lehilahy mpikambana rehetra, nataon’i Emma Allebes

6–12 desambra

Ireo fanekem-pinoana ary ny Fanambarana Ofisialy 1 sy 2

“Mino isika”

Eo am-pandalinanao sy eo am-panaovanao drafitra mba hampianatra amin’ity herinandro ity dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ao amin’ny kilasinao manamafy orina ny finoany ireo fahamarinana fototry ny filazantsara.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manipaza baolina iray amin’ny ankizy iray dia angataho ilay ankizy mba hizara ny zavatra inoany momba an’i Jesoa Kristy na ny Ray any An-danitra. Avereno izany mandrapahazoan’ny ankizy tsirairay avy fahafahana hizara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Ireo fanekem-pinoana

Mino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Azonao ampiasaina ny Fanekem-pinoana mba hijerena miaraka amin’ireo ankizy ny sasany amin’ireo finoana fototry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nahoana no zava-dehibe ny hinoan’ireo ankizy ampianarinao ireo fahamarinana tsotra ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana fanekem-pinoana vitsivitsy izay tsapanao fa tena manan-danja manokana ho an’ireo ankizy ampianarinao. Isaky ny fanekempinoana iray dia manehoa sary iray (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity) na tantara iray (avy ao amin’ny soratra masina na ny fiainanao) izay maneho na manazava fahamarinana iray ampianarina ao amin’izany fanekem-pinoana izany. Lazao amin’ireo ankizy ny antony maha-zava-dehibe izany fahamarinana izany aminao, ary avelao izy ireo hizara ny antony maha-manan-danja izany aminy.

  • Mitadiava fihirana na hiran’ny ankizy izay afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny iray na mihoatra izany amin’ireo fanekem-pinoana ireo. Mety afaka manampy anao hisafidy izany ireo ankizy. Iaraho hiraina ilay hira ary ampio ireo ankizy hahita ny hifandraisan’ilay hira amin’ireo fanekem-pinoana.

Fanekem-pinoana 1:9; Fanambarana Ofisialy 1 sy 2

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra.

Satria miatrika fanamby isan-karazany ny mpikamban’ny Fiangonana dia afaka mahita fiadanana isika rehefa mahafantatra fa vonona ny hanome fanambarana ny Ray any An-danitra mba hitarika antsika. Ampio ireo ankizy ampianarinao hanamafy orina ny finoany fa mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminany velona Andriamanitra.

Sary
ankizilahy mijery fihaonamben’ny Fiangonana

Mitarika antsika amin’ny alalan’ireo mpaminany ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa soratra masina sy sarin’ny mpaminany velona (na Liahona vao tsy ela misy ireo lahatenin’ny fihaonambe). Ampio ireo ankizy hamaritra hoe iza amin’ireo no mifandray amin’ilay andian-teny hoe “ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra” ary iza no mifandray amin’ilay andian-teny hoe “izay ambarany ankehitriny” (Fanekem-pinoana 1:9).

  • Vonoy ny jiro ary ametraho sarin’i Jesoa Kristy eny amin’ny solaitrabe. Tsilovy amin’ny jiro fanilo ilay sary mba hanehoana ny fomba hanampian’ny mpaminany antsika hahita mazava kokoa ny Mpamonjy, tahaka ny jiro fanilo.

  • Mitadiava toromarika tsotra momba ny fanaovana zavatra, toy ny sakafo na kilalao. Araho miaraka amin’ireo ankizy izany toromarika izany, ary hazavao fa amin’ny alalan’ny mpaminany dia manome toromarika antsika ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hiverina hiaina miaraka Aminy. Inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay nampianarin’ny mpaminany antsika mba hahafahantsika miverina any amin’ Andriamanitra?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Ireo fanekem-pinoana

Ny fanekem-pinoana dia mampianatra fahamarinana tsotra an’ny filazantsara.

Indraindray ny filazantsara dia toa goavana be sady saro-takarina, indrindra ho an’ny ankizy. Ny fanekem-pinoana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra amin’ny fomba tsotra ny sasany amin’ireo fahamarinana fototra izay inoantsika amin’ny maha-olomasin’ny andro farany antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy tsirairay hisafidy teny na andian-teny manan-danja avy amin’ny iray amin’ireo fanekem-pinoana ary hizarana izany amin’ny iray kilasy. Avy eo dia avelao ireo mpianatra hafa haminavina (na hitady) hoe iza amin’ireo fanekem-pinoana no nakana ilay teny na andian-teny. Angataho ny ankizy hizara ny antony maha-manan-danja ilay teny na andian-teny.

  • Andro vitsivitsy mialoha dia mangataha ankizy vitsivitsy mba ho vonona hizara hafatra fohy amin’ny kilasy momba ny fanekem-pinoana tian’izy ireo indrindra. Ny hafatr’izy ireo dia mety hahitana sary, na hira, na tantara na zavatra niainana, na soratra masina hafa. Asao ireo ankizy ireo mba hizara ny antony itiavany ilay fanekem-pinoana nofidiny.

  • Manorata eny amin’ny solaitrabe fanontanina vitsivitsy izay mety hananan’ny olona momba ny finoantsika ka mety voavaly amin’ny alalan’ny iray amin’ireo fanekem-pinoana. Angataho ireo ankizy mba haka fanontaniana iray ary hitady ny fanekem-pinoana izay mahavaly izany. Avelao izy ireo hampihatra ny famaliana ilay fanontaniana amin’ny fampiasana ny fanekem-pinoana.

Fanambarana Ofisialy 1 sy 2

Manampy antsika hahafantatra ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ny mpaminany.

Ny Fanambarana Ofisialy 1 sy 2 dia ohatra tena tsara maneho ny fomba fandraisan’ny mpaminany fanambarana sy ny fandraisany andraikitra mifanaraka amin’izany. Ahoana no hanampiana ny ankizy hampitombo ny finoany fa Andriamanitra dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mitady fanekem-pinoana izay mampianatra momba ny mpaminany na ny fanambarana ireo ankizy. Asao izy ireo hizara ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny mpaminany velona. Mizarà ohatra vitsy momba ny fomba nitarihan’ Andriamanitra ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanambarana, tafiditra amin’izany ireo ohatra voaresaka ao amin’ny Fanambarana Ofisialy 1 sy 2 ary avelao ireo ankizy hizara ohatra izay tsy vaovao amin’izy ireo (toy ireo fanovana vao tsy ela amin’ireo fandaharan’asa sy fitsipika arahina ato amin’ny Fiangonana).

  • Omeo ny ankizy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 2 Nefia 26:33; Jakôba 2:27. Asao izy ireo hamaritra ny soratra masina izay mifandray amin’ny Fanambarana Ofisialy 1 (izay nitarika tamin’ny fampitsaharana ny fampakarana vady maro) sy ny soratra masina mifandray amin’ny Fanambarana Ofisialy 2 (izay nanome fahafahana ny olona avy amin’ny foko rehetra hisitraka ireo fitahian’ny fisoroanana). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny Tompo dia manambara ny sitrapony amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto zavatra avy ao amin’ny Fanambarana Ofisialy 1 manaraka ireto: “Tsy maintsy mandanjalanja ho anareo ianareo.” Inona no dikan’ny hoe mandanjalanja ho antsika rehefa mandray fanambarana ny mpaminany? Mba hanampiana azy ireo hamaly io fanontaniana io dia azonao zaraina izao zavatra voalazan’ny Filoha Russell M. Nelson izao: “Azonareo fantarina ny marina sy ny tsy marina amin’ny alalan’ny fianarana mamantatra ny bitsiky ny Fanahy” (“The Love and Laws of God” [Fivoriana fankaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, 17 spet., 2019], 4, speeches.byu.edu).

  • Ataovy sary na manehoa sarin’ny tany eny amin’ny solaitrabe. Asao ny iray amin’ireo ankizy mba hamaky ny andiam-pehezan-teny roa farany amin’ilay taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 8 jona, 1978 izay voatanisa ao amin’ny Fanambarana Ofisialy 2 (manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny fivavakay Izy …”). Asaivo isain’ireo ankizy hoe impiry ny teny hoe “fitahiana” no miseho. Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara? Asao ny ankizy hitanisa izany eny amin’ny solaitrabe manodidina an’ilay sarin’ny tany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra manerana izao tontolo izao ary te hitahy azy ireo amin’ny filazantsarany Izy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hisafidy fanekem-pinoana iray izay tian’izy ireo hatao tsianjery, ary ampio izy ireo hanao drafitra hanatanterahana izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Tian’ny ankizy ny mizara ny zavatra nianarany. Na dia mbola kely aza ireo ankizy dia afaka manamafy orina ny finoan’ireo olona ao amin’ny fianakaviany izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra izay nianarany tao amin’ny Kilonga. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,30.)

Hamoaka printy