Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
20–26 desambra. Krismasy: Ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra


“20–26 desambra. Krismasy: Ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“20–26 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
zava-kanto maneho an’i Maria sy i Jesoa zazakely

Ny Fahaterahana, natao tamin’ny loko manodidina ny volom-barahina sy mavo antitra, nataon’i J. Kirk Richards

20–26 desambra

Krismasy

Ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra

Tena mampientanentana tokoa ho an’ny ankizy maro ny Krismasy. Diniho ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hampifandray ny fifaliana amin’ny fotoan’ny Krismasy amin’ny fifalian’ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara izay nataony tamin’ny herinandro lasa ho fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Afaka “manolotra ny tenivavolombelo[ny]” ny ankizy ho fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” (ChurchofJesusChrist.org), ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manome ny tenivavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy “ho fankalazan[a] ny fahatsiarovana ny nahaterahan’iJesoa Kristy.” Diniho ny fomba ankaherezanao ny ankizy hizara ny tenivavolombelony amin’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy tahadikan’ny “Ilay Kristy Velona” (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny ankizy). Tondroy ny teny hoe Kristy eo amin’ilay lohateny, ary avelao ny ankizy hanondro ilay teny ihany koa. Mariho ihany koa ireo sonia eny ambanin’ny pejy, ary lazao ny ankizy fa tamin’ny taona 2000, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra ny tenivavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy, nanao sonia izany tamin’ny anaran’izy ireo, ary nizara izany ho an’izao tontolo izao.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy ary asao ny ankizy tsirairay hijoro sy hizara izay zavatra fantany momba Azy. Raha mila fanampiana izy ireo dia manomeza fahamarinana avy amin’ny “Ilay Kristy Velona.” Ampahatsiahivo ny ankizy fa rehefa miresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa izy ireo dia mizara ny fijoroany ho vavolombelona izy ireo izay.

  • Lazao amin’ny ankizy ny fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy ary ny zavatra ataonao mba hihazonana ny fijoroanao ho vavolombelona ho matanjaka. Ampio izy ireo hieritreritra fomba hahafahany mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary asao izy ireo hizara zavatra iray izay hataony.

Nandefa ny Zanany tety an-tany ho Fanomezana ho antsika ny Ray any An-danitra.

Ny fanolorana sy fandraisana fanomezana dia ampahany mahazatra efa fanao amin’ny Krismasy ho an’olona maro. Io fomba fanao io dia tokony hampahatsiahy antsika “ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra” (“Ilay Kristy Velona”).

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hiresaka momba ireo fanomezana izay efa nomeny na noraisiny. Vakio ny fehezan-teny farany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” ary asao izy ireo hihaino Ilay fanomezana nomen’ Andriamanitra ho antsika. (Raha ilaina dia ampio izy ireo hahatakatra fa ny “tsy manam-paharoa” dia midika hoe “tsara noho ny hafa rehetra.”) Nahoana ny Zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy izany, no fanomezana tsara indrindra?

  • Iaraho mihira ny hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Nalefany ny Zanany”” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20). Ampio ny ankizy haka andian-teny avy amin’ilay hira izay ho tiany hanaovana sary (toy ny hoe “ny zanany” na “nanehoany ny lalana hoaleha”). Rehefa manao sary izy ireo dia asaivo milaza aminao ny zavatra tsapan’izy ireo momba izay nataon’i Jesoa ho azy ireo ny ankizy. Zarao ihany koa ny fahatsapanao.

Manasa ahy mba hanaraka ny ohatra nasehony i Jesoa Kristy.

Isan’ny “akon[’ny Mpamonjy]” lehibe teo amin’izao tontolo izao ny ohatra tonga lafatra nasehony. Ahoana no hitaomanao ny ankizy mba hanaraka Azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny zavatra sasany nataon’i Jesoa, avy amin’ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny “Ilay Kristy Velona.” Mampisehoa sary avy amin’ny fiainany (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity), ary asao ny ankizy hiresaka momba ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ao amin’ireo sary. Ampio izy ireo hieritreritra fomba hahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehony.

  • Misafidiana horonan-tsary avy ao amin’ny “Light the World” (ComeuntoChrist.org) mba halefa hojeren’ny ankizy, na mba hilazana ny fotoana nitahiana anao noho ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy nataon’ny olona iray. Asao ny ankizy iray mody hanao hoe manatontosa asa fanompoana tsotsotra, ary angataho ny ankizy hafa hamantatra hoe inona ilay zavatra ataony. Asaivo mifandimby manao izany ireo ankizy. Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azony atao mba hanompoana olona iray ao amin’ny fianakaviany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

“Manolotra ny tenivavolombelonay izahay.”

Ny ohatry ny mpaminany sy apôstôly nanoratra ny “Ilay Kristy Velona” dia afaka manentana ny ankizy hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fantatro fa i Jesoa Kristy … dia asao ny ankizy hizara fomba hahafahany mameno an’io fehezan-teny io. Atoroy azy ireo fa afaka mahita hevitra izy ireo ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”. Inona no azontsika atao hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy? Ahoana no nitahiana ny hafa rehefa nizara ny fijoroantsika ho vavolombelona isika?

  • Mariho fa ny “Ilay Kristy Velona” dia nosoniavin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23. Inona no mampiavaka ny Apôstôly amin’ireo “mpitarika hafa ao amin’ny fiangonana amin’ny andraikitry ny antso ananany”? Nahoana isika no mankasitraka ny fisian’ireo vavolombelona manokana an’i Kristy amin’izao andro izao?

“Tsy nisy olona hafa nanana akony [lehibe mihoatra Azy].”

Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” ireo mpaminany sy apôstôly dia manambara fa tsy nisy olona hafa nanana akony lehibe teo amin’ny zanak’ Andriamanitra mihoatra noho i Jesoa Kristy. Saintsaino ny fomba hanampianao ny ankizy hianatra momba ny akon’ny Mpamonjy teo amintsika rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo andian-teny na fehezan-teny iray avy amin’ny “Ilay Kristy Velona,” ny ankizy tsirairay ary angataho izy ireo hanao sary maneho an’izay andian-teny na fehezan-teny izay. Rehefa mampiseho ny sariny amin’ny iray kilasy ny ankizy tsirairay dia angataho ny ankizy hafa hamantatra hoe maneho inona ilay sary ary hitady ny fehezan-teny mifandray aminy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona.” Inona avy ireo fitahiana azontsika noho ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy?

  • Ampio ny ankizy hitady anarana na fiantso samihafa an’i Jesoa Kristy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ary hanipika izany, raha azo atao (ny ohatra sasany amin’izany dia ny Mesia, Zanakalahy, Voalohany sy Farany, solo vava [antsika], ary fehizoro indrindra). Resaho ny hoe mampianatra antsika inona momba Azy ireo fiantso tsirairay ireo. (Ny sasany amin’ireo fiantso ireo dia faritana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)

“Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.”

Ny Noely dia fotoana tena feno fifaliana noho ny fanantenana hoentin’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fampianarany, ny ohatra ary sorona fanavotana nataony.

Sary
Jesoa Kristy

Fahazavan’izao tontolo izao, nataon’ i Howard Lyon

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy tsirairay hanao sarina hazon’ny noely, na manaova ny sarin’izany eo amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy handravaka ilay hazo amin’ny alalan’ny teny na andian-teny avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” izay mamariparitra ny fanomezana nomen’ny Mpamonjy antsika (toy ny “fahazavana,” “fiainana,” ary “fanantenana”). Avelao izy ireo hiresaka momba ny antony nisafidianany an’ireo teny na andian-teny ireo.

  • Ampio ny ankizy hitady hiran’ny Krismasy ao amin’ny fihirana izay milaza ny fahazavana, fiainana, ary fanantenana entin’ny Mpamonjy ho an’izao tontolo izao—ohatra hoe: “Petite ville, Bethléhem” na “Ecoutez le chant des anges” (Cantiques, lah. 128). Iaraho mihira ireo hira, ary avelao ny ankizy hizara ny fomba nitondran’i Jesoa fahazavana, fiainana, ary fanantenana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Mangataha ankizy vitsivitsy hamaky momba ireo mpiandry ondry ao amin’ny Lioka 2:8–20. Mangataha ankizy hafa hamaky momba an’i Simeona ao amin’ny Lioka 2:25–33. Asao izy ireo hifampizara ny ny zavatra tsapan’i Simeona sy ireo mpiandry ondry momba ny fahafantarany fa teraka i Jesoa. Nahoana izy ireo no nahatsapa izany? Nahoana ny Fahaterahany no mitondra “fifaliana lehibe” ho antsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra momba ana olona ao amin’ny fianakaviany izay azony hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo handinika izay mety ho ambarany mba hankaherezana ny finoan’io olona io.

Manatsara ny fampianarantsika

Miomàna amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. “Ny fandalinana ombam-bavaka ny tenin’ Andriamanitra dia mampifandray antsika tsara amin’ny Fanahy Masina. Dia afaka manentana antsika hampiasa ny zavatra nohalalinintsika Izy rehefa mampianatra isika ary manazava ny saina amam-panahin’ny hafa” (Mampianatra araka ny fomban’ny Tompo, 12).

Hamoaka printy