Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
20–26 desambra. Krismasy: Ny fanomezana tsy manam-paharoa ny Zanaka masin’ Andriamanitra


“20–26 desambra. Krismasy: Ilay fanomezana tsy manam-paharoa ny Zanaka masin’ Andriamanitra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“20–26 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Asa kanto maneho an’i Maria sy i Jesoa zaza

Nativity in Copper and Umber (Ny fahaterahan’i Kristy amin’ny lokom-barahina sy mavo antitra), nataon’i J. Kirk Richards

20–26 desambra

Krismasy

Ilay fanomezana tsy manam-paharoa ny Zanaka masin’ Andriamanitra

Fomba iray hampifantohana ny eritreritrao amin’ny Mpamonjy amin’ity Krismasy ity ny mandalina ny “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly”.” Io tahirin-kevitra io dia mandroso fomba ahafahanao mampiditra an’io fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpaminany io ao anatin’ny fandalinana ny filazantsara izay ataonao manokana sy ataon’ny fianakavianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny 1838 dia nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia manampy izany fotsiny” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 49). Taona maro taty aoriana dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa “io tenin’ny Mpaminany io mihitsy no nanome risi-po ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara 15 hamoaka sy hanao sonia ny teny vavolombelon’izy ireo ho fankalazana ny faha-2000 taonan’ny nahaterahan’ny Tompo. Izany teny vavolombelona manan-tantara izay dia mitondra ny lohateny hoe -Ilay Kristy Velona.- Maro ireo mpikambana no efa nanao tsianjery ny fahamarinana raketin’izany. Ny sasany kosa dia zara raha mahafantatra ny fisiany. Eo am-pikatsahanao hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy, dia manentana anao aho handalina ny -Ilay Kristy Velona-” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40).

Amin’ny maha-Olomasin’ny andro Farany antsika dia mifaly isika amin’ny fahazoana fanambarana mitohy amin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina sy ireo apôstôly. Feno fankasitrahana isika noho ireo teny fananarana sy fampitandremana ary fankaherezana mitaona fanahy avy amin’izy ireo. Fa ny tena lehibe indrindra dia voatahy isika noho ireo fijoroana ho vavolombelona mahery vaikan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy, rehefa Krismasy sy mandritra ny taona. Tsy tenina mpanoratra na mpandahan-teny mahay manainga fanahy fotsiny ireo na hevitra avy amina manam-pahaizana momba ny soratra masina. Izy ireny dia tenin’ireo “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23) izay voafidin’ Andriamanitra sy nantsoiny ary nomeny fahefana.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

“Tsy nisy olona hafa nanana akony [lehibe mihoatra noho izany].”

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ny Lioka 2:10–11 miaraka amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”? Inona no holazainao mba hanohanana ilay filazana fa “Tsy nisy olona hafa nanana akony [lehibe mihoatra noho i Jesoa Kristy] teo amin’ ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany”? Tadiavo ireo fahamarinana ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” izay mamariparitra ny fitaomana lehibe ananan’ny Mpamonjy. Ahoana no nitaomany anao sy nitondrany “fifaliana lehibe” ho anao? Lioka 2:10).

“Nitsangana tamin’ny maty Izy.”

Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” ny Apôstôly dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, ary nilaza fotoana anankitelo nisehoan’ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty izy ireo (jereo ny andiam-pehezan-teny faha-dimy). Mamakia mikasika ireo fitsidihana telo ireo ao amin’ny Jaona 20–21; 3 Nefia 11–26; ary Joseph Smith—Tantara 1:14–20. Inona no ianaranao mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny teniny sy ny fihetsiny nandritra ireo fisehoana ireo?

“Ny fisoronany sy ny Fiangonany dia naorina indray eto ambonin’ny tany.”

Nandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ity taona ity dia nanana fahafahana ianao ny hianatra bebe kokoa momba ny fomba “[namerenana tamin’ny laoniny] ny fisoronany sy ny Fiangonany.” Inona avy ireo fahamarinana na fitsipika naverina tamin’ny laoniny izay manan-danja indrindra aminao? Diniho ny hamaky ny sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto izay mampianatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–23; 13; 20:1–12; 65; 110; 112:30–32; 124:39–42; 128:19–21. Saintsaino ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny anao hahafantatra sy hitsaoka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19).

“Hiverina eto an-tany Izy indray andro any.”

Ny Krismasy dia sady fotoana hahatsiarovana ny andro nahaterahan’i Jesoa Kristy no fotoana hiandrandrana ilay andro izay hiverenany indray. Inona no ianaranao momba ny fiverenany avy eo amin’ny andiam-pehezan-teny faharoa ka hatramin’ny farany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”? Mety hahaliana ihany koa ny hamaky, na hihira, na hihaino ireo fihirana momba ny Krismasy izay mampianatra momba ny Fiaviana Fanindroany, toy ny “Oh, quel Bonheur, Jésus viendrà” na “Minuit, c’est l’heure où retentit” (Cantiques, nos. 123, 130).

“Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.”

Jereo ireo toetra sy anarana fiantsoana nomena ny Mpamonjy ao amin’ny andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”. Ireto soratra masina manaraka ireto dia afaka manampy anao hisaintsaina ny fomba maha- “fahazavana, fiainana, ary fanantenan’izao tontolo izao” an’i Jesoa Kristy: Lioka 2:25–32; 1 Korintiana 15:19–23; Môrônia 7:41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24; 84:44–46; 93:7–10. Ahoana no maha-fahazavana sy fiainana ary fanantenana Azy ho anao? Inona koa ireo toetra na anarana fiantsoana hafa an’ny Mpamonjy izay manan-danja indrindra aminao?

Inona no fiantraikan’ny fandalinana ny “Ilay Kristy Velona” teo amin’ny finoanao sy ny fitiavanao ny Mpamonjy?

Sary
Jesoa Kristy

Fahazavan’ izao tontolo izao, nataon’ i Howard Lyon

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Ilay Kristy Velona.”Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ireo fahamarinana ampianarina momba ny Mpamonjy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” dia azonareo atao ny mifidy andian-teny manan-danja ary miara-miasa mba hitady sary na hanao sary izay maneho ireo andian-teny ireo. Avy eo ianareo dia afaka manambatra ireo sary ireo sy ireo andian-teny ho lasa boky iray.

“Manolotra ny tenivavolombelonay izahay.”Inona no ianarantsika avy amin’ny “Ilay Kristy Velona” momba ny dikan’ny hoe mijoro ho vavolombelona? Mety ho tianareo ny hirakitra an-tsoratra ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Kristy mba hankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

“Nandehandeha nanao soa [Izy].”Ahoana no ahafahan’ny fianakavianao manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanompoana amin’ity Krismasy ity? Ahoana no hanaparitahanao “fiadanana sy hatsaram-panahy” ao amin’ny fianakavianao sy eo amin’ny fiarahamonina? Ahoana no hitondranao fanampiana mba “[h]anasitrana ny marary”?

“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany.”Inona avy ireo fanomezana azontsika noho i Jesoa Kristy? Afaka mitady ny valin’izany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” angamba ny olona ao amin’ny fianakaviana ary avy eo dia mitady famonosana fanomezana izay maneho ireo fanomezana avy amin’ny Mpamonjy ireo. Afaka manokatra ireo fanomezana ny fianakavianao ny andron’ny Krismasy na mandritra ny herinandro ary mamaky soratra masina mifandray amin’ny tsirairay avy amin’izany. Ireto misy soratra masina azo ampiasaina, na dia mety mahita maro hafa aza ny fianakavianao: Lioka 2:10–14; 1 Petera 2:21; Môzià 3:8; Almà 11:42–43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12. Afaka mihira ihany koa hira iray momba ny Mpamonjy ianareo, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20), mba hitadiavana fanomezana hafa avy Aminy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ecoutez le chant des anges,” Cantiques, no. 128.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mifantoha amin’ny Mpamonjy. “Ny famakiana amim-bavaka ny Ilay Kristy Velona dia mitovy amin’ny famakiana ireo tenivavolombelon’i Matio, Marka, Lioka, Jaona, ary ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hampitombo ny finoanao ny Mpamonjy sy hanampy anao hifantoka Aminy izany” (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 65).

Hamoaka printy