Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26: “Nahita andrim-pahazavana aho”


“4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26: -Nahita andrim-pahazavana aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
ilay Alakely masina

Alakely masina, nataon’i Greg K. Olsen

4–10 janoary

Joseph Smith—Tantara 1:1–26

“Nahita andrim-pahazavana aho”

Inona no hafatra hitanao ho an’ny fiainanao rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:1–26 ianao? Inona no tena manan-danja indrindra ho anao sy ny fianakavianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia boky iray mirakitra valim-bavaka: maro amin’ireo fanambarana masina ao amin’io boky io no valina fanontaniana avokoa. Noho izany dia mety ny hanombohana ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fijerena ny fanontaniana izay nipoiran’ny fanambarana ho amin’ny andro farany, dia ilay fanontaniana iray napetrak’i Joseph Smith tao amin’ny alakely iray tamin’ny 1820. Nampisavorovoro saina an’i Joseph Smith momba ny fivavahana sy ny toetry ny fanahiny ny “ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra” (Joseph Smith—Tantara 1:10). Angamba mety efa niaina izany koa ianao. Feno hevitra mifanohitra sy feo mandresy lahatra maro amin’izao androntsika izao ary rehefa te hanivana ireny hafatra ireny sy hahita ny marina isika dia afaka manao ny zavatra nataon’i Joseph. Afaka mametraka fanontaniana isika, dia mandalina soratra masina, sy misaintsaina, ary manontany an’ Andriamanitra amin’ny farany. Ho valin’ny vavak’i Joseph dia nisy andrim-pahazavana nidina avy any an-danitra; niseho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary namaly ireo fanontaniany. Ny fijoroana ho vavolombelon’i Joseph momba io zavatra niainana mahagaga io dia manambara fa na iza na iza “tsy ampy fahendrena dia mahazo mangataka amin’ Andriamanitra ary mahazo” (Joseph Smith—Tantara 1:26). Isika rehetra dia afaka mandray fanambarana avokoa, na dia tsy hoe tsy miseho amin’ny alalan’ny fahitana avy any an-danitra aza izany dia farafahakeliny afaka mahazo fahatakarana misimisy kokoa avy amin’ny fanampian’ny herin’ny lanitra.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Joseph Smith—Tantara 1:1–26

I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Ny tanjon’ny Joseph Smith—tantara dia hametraka antsika amin’ny toerana izay “[hahalalantsika] ny zava-misy araka izay fitrangany” satria novaina matetika ny fahamarinana momba an’i Joseph Smith (Joseph Smith—Tantara 1:1). Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:1–26 ianao dia inona no manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny antsony? Raiso an-tsoratra ireo porofo hitanao fa nanomana an’i Joseph Smith ho amin’ny andraikitra amin’ny maha-mpaminany azy ny Tompo. Eo am-pamakianao dia azonao atao ihany koa ny mirakitra an-tsoratra ireo hevitra mandalo ao an-tsainao sy ireo fahatsapana anananao momba an’i Joseph Smith sy ny tenivavolombelony.

Jereo koa ny Olomasina, 1:3–19.

Joseph Smith—Tantara 1:5–20

Rehefa mangataka amim-pinoana aho dia hamaly ahy Andriamanitra.

Efa nisy fotoana ve ianao “tsy ampy fahendrena” na nahatsapa tena ho misavorovoro saina momba ny fanapahan-kevitra iray izay nilainao noraisina? (Joseph Smith—Tantara 1:13). Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith ao amin’ny andininy 5–20? Eritrereto ny filanao manokana fahendrena sy fahatakarana bebe kokoa ary saintsaino hoe ahoana no hikatsahanao fahamarinana.

Jereo ihany koa ny 1 Nefia 10:17–19; 15:6–11; Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 93–96.

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Afaka mametraka ny fanontaniantsika amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika.

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Nahoana no misy fitantarana samihafa momba ny Fahitana Voalohany?

Nandritra ny androm-piainany i Joseph Smith dia nirakitra ny zavatra niainany tao amin’ilay Alakely masina in-efatra farafahakeliny ary matetika izy no nampiasa mpitan-tsoratra. Ankoatra izany dia maro ireo fitantarana tsy mivantana izay nosoratan’ny olona izay nahare an’i Joseph niresaka momba ny fahitany. Na dia tsy mitovy aza ny sasantsasany amin’ny antsipirian’ireny fitantarana ireny, izay niankina tamin’ny mpamaky sy ny toe-java-nitranga, dia azo antoka kosa fa nifanaraka izy ireny. Ary ny tsirairay amin’ireo fitantarana dia manampy antsipirian-javatra izay manampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny zavatra niainan’i Joseph Smith tahaka ny hanampian’ny tsirairay avy amin’ny filazantsara efatra antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.

Raha hamaky momba ireo fitantarana hafa nataon’i Joseph Smith dia jereo ny “Récits de la Première Vision” (Sujets de l’Évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org). Inona no ianaranao avy amin’ny famakiana ireo tantara rehetra ireo?

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Nanomboka tamin’ny Fahitana Voalohany ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Natoky i Joseph Smith fa hamaly ny vavaka nataony Andriamanitra saingy tsy fantany mialoha hoe amin’ny fomba ahoana no hanovan’ny valin’izany ny fiainany sy izao tontolo izao. Rehefa mamaky momba ny zavatra niainan’i Joseph ianao dia saintsaino ny hoe tamin’ny fomba ahoana no nanovan’ny Fahitana Voalohany ny fiainanao. Ohatra, azonao atao ny mameno ity fehezanteny ity amin’ny fomba samihafa: “Noho ny fisian’ny Fahitana Voalohany dia fantatro fa …” Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao noho ny Fahitana Voalohany?

Jereo ihany koa ny horonan-tsary “Ask of God: Joseph Smith’s First Vision,” video, ChurchofJesusChrist.org; Olomasina, 1:14–19; Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020.

Joseph Smith—Tantara 1:21–26

Afaka miaina mifanaraka amin’ny zavatra fantatro aho na dia mandà ahy aza ny hafa.

Iray amin’ireo fitahiana entin’ny soratra masina dia hoe mirakitra ohatra manentana ny fanahy mahakasika ireo lehilahy sy vehivavy mahery fo izay niaina fanamby tamin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy izy ireny. Rehefa niaina fanoherana i Joseph Smith noho ny fahitany, dia nahatsapa zavatra mitovitovy tamin’ny an’i Paoly Apôstôly izay nenjehina ihany koa noho ny filazana fa nahita fahitana izy. Rehefa mamaky momba ny tantaran’i Joseph ianao dia inona no zavatra mitaona anao hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Inona ireo ohatra hafa, avy ao amin’ny soratra masina na olona fantatrao, izay mankahery anao hijanona ho mahatoky amin’ireo traikefa ara-panahy efa niainanao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Joseph Smith—Tantara 1:6.Ahoana no ahafahantsika miatrika tsy fifankahazoan-kevitra kanefa tsy mifanditra toy ireo olona voalaza ao amin’io andininy io?

Joseph Smith—Tantara 1:11–13.Ny famakiana ireo andininy ireo dia mety hanentana ny fanahin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao mba hizara ireo zavatra niainany rehefa nisy andalan-tsoratra masina iray tena nahakasika azy ireo sy nitaona azy ireo hanao zavatra.

Joseph Smith—Tantara 1:16–20.Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia hevero ny hampiseho ireo sary hosodoko izay nampiarahana amin’ity rindran-damina ity na ny sarin’ny Fahitana Voalohany (mety ho tian’ny fianakavianao ny hanao sary azy ireo manokana). Azonareo jerena ihany koa ny horonan-tsary hoe “Ask of God: Joseph Smith’s First Vision” (ChurchofJesusChrist.org). Azonareo tsirairay avy atao ny manao lisitra ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’io fahitana io ary avy eo mifampizara izay ao amin’ny lisitrareo. Mety ho fotoana tsara izany ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hizarana ny fomba nahazoan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany an’i Joseph Smith.

Joseph Smith—Tantara 1:17.Rehefa niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra dia nantsoiny tamin’ny anarany i Joseph. Oviana ireo olona ao amin’ny fianakavianao no nahatsapa fa mahafantatra azy ireo manokana ny Ray any An-danitra?

Joseph Smith—Tantara 1:21–26.Inona no azontsika asetry ireo olona mametraka ahiahy amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Fahitana Voalohany nataon’i Joseph Smith,” Fihirana sy Hiran’ny ankizy, lah. 28.

Sary
ireo feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Fianakavian’ny Mpaminany Joseph Smith

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny tsirairay avy amintsika ny fiainam-pianakaviantsika ary tsy misy hafa amin’izany i Joseph Smith. Nampiorim-paka ny finoan’i Joseph izay nahatonga ny Famerenana amin’ny laoniny ny finoana sy ny fomba fanao ara-pivavahana niainan’ireo ray aman-dreniny. Indro no fanomezam-boninahitra nataon’i Joseph ho an’ireo ray aman-dreniny izay noraketiny tao amin’ny diariny: “Tsy misy voambolana na teny ampy hilazana ny fankasitrahana izay tokony omeko an’ Andriamanitra noho ny fanomezana ahy ray aman-dreny tsongoinolombolo toa azy ireo.”1

Ireto tati-teny manaraka avy amin’i Lucy Mack Smith reniny sy avy amin’i William Smith rahalahiny, ary avy amin’ny Mpaminany izy tenany mihitsy ireto dia manome antsika ampahana fahatakarana ny amin’ny hery mitaona nateraky ny fivavahana tao an-tokantranon’ny fianakaviana Smith.

Sary
ny fianakaviana Smith

Ny fianakavian’i Joseph Smith, nataon’i Dan Baxter

Lucy Mack Smith

Sary
Lucy Mack Smith

“[Tokotokony tamin’ny taona 1802] dia narary aho. … Hoy aho anakam-po hoe tsy vonona ny ho faty aho satria tsy fantatro akory ny lalan’i Kristy ary ho ahy dia toa misy hantsana maizina sy manirery manelanelana ahy sy i Kristy ka tsy sahiko akory ny hanandrana miampita. …

“Nibanjina ny Tompo aho ary niangavy sy nitalaho tamin’ny Tompo hoe avelao aho mbola ho velona mba hahafahako manabe ireo zanako sy mampionona ny fon’ny vadiko. Ary dia tao anatin’izany no nandriako nandritra ny alina manontolo. … Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra aho [fa] raha avelany ho velona aho dia hanao izay tratry ny heriko aho hahitana ilay antokom-pivavahana izay ahafahako manompo azy araka ny tokony ho izy, na ao amin’ny Baiboly izany na aiza na aiza mety hahitana izany, eny na dia avy any an-danitra aza no hahazoana izany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana. Nony farany dia nisy feo niteny tamiko nanao hoe: -Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo. Aoka ny fonao hahery. Minoa an’ Andriamanitra ianao; minoa ahy ihany koa.- …

“Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nahazo hery tsy tapaka aho. Tsy niresaka betsaka firy momba ny fivavahana aho saingy nieritreritra tsy tapaka momba ny fivavahana kosa aho ary hoy aho hoe hilomay aho vantany vao afaka mitady olona mpivavaka be izay mahafantatra ny lalan’ Andriamanitra mba hanoro ahy ny amin’ireo zavatr’ Andriamanitra.”2

William Smith

Sary
William Smith

“Ny reniko, izay vehivavy mpivavaka be sy liana tamin’ny mahasoa ireo zanany mandritra ity fiainana an-tany ity sy ny fiainana aorian’izao fiainana izao, dia nampiasa izay mety fomba rehetra tratry ny fitiavan-dreny ananany mba hanampiana anay hilofo amin’ny fiasana ho an’ny fanavotana ny fanahinay, na (araka ny fomba filazana izany tamin’izany fotoana izany) hoe -lasa mpivavaka.- Namporisihana izahay hanatrika fivoriana ary saika ny fianakaviana iray manontolo no lasa liana tamin’ny fivavahana sy lasa mpikatsaka fahamarinana.”3

“Araka ny fahatsiarovako azy dia nanao vavaka ataon’ny mpianakavy lalandava izahay. Tsaroako tsara hoe nataon’ny raiko tao am-paosin’ny palitaony mandrakariva ny solomasony, … ka rehefa hitanay zanakalahiny izy mitsapatsapa ny solomasony dia fantatray fa fampahafantarana izany mba hiomana hivavaka ary raha tsy tsikaritray izany dia hoy ny reninay hoe: -William,- na izay mety ho tsy mandraharaha, -miomàna fa hivavaka.- Aorian’ny vavaka dia misy hira iray hirainay.”4

Sary
solomaso eo ambony soratra masina

Nampianarin’i Joseph rainy sy i Lucy Smith handalina soratra masina ny fianakavian’izy ireo.

Joseph Smith

Sary
Joseph Smith

“Lazaiko ankehitriny fa teo amin’ny fiainany sy araka ny fahalalako azy, [ny raiko] dia tsy mba nanao zavatra tamin-karatsian-toetra izay mety hoheverina ho tsy am-pitiavana. Tiako ny raiko. Ary ny fahatsiarovana azy sy ny fahatsiarovana ireo asa mendri-piderana nataony dia nisy fiantraikana mahery vaika tamin’ny saiko, ary maro tamin’ireo teny feno hatsaram-panahiny sy ny tenin-dray nataony tamiko no voasoratra eo amin’ny vato fisaky ny foko. Masina tamiko ireo fahatsiarovana izay lalaiko momba ny tantaram-piainany ary tao an-tsaiko sy niraikitra tao tamin’ny alalan’ny fandinihako manokana hatramin’ny nahaterahako. … Isan’ny olona mendrika sy tsara indrindra raha samy vehivavy ihany koa ny reniko.”5

Sary
ny Fahitana voalohany

Ny Fahitana voalohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, nataon’i Michael Bedard

Hamoaka printy