Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: “Hitohy ny asako”


“18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: -Hitohy ny asako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
olona miasa eny an-tsaha

Fotoam-piotazana any Frantsa, nataon’i James Taylor Harwood

18–24 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

“Hitohy ny asako”

Raiso an-tsoratra izay zavatra ianaranao sy tsapanao eo am-pandalinanao ny soratra masina. Izany dia hanampy anao hahatsiaro ireny fahatsapana ireny sy hizara izany amin’ny hafa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy mbola nahalalala ny zava-drehetra momba ilay “asa mahatalanjona” niantsoana azy mba ho hataony i Joseph Smith nandritra ireo taona vitsy voalohany naha-mpaminan’ny Tompo azy. Kanefa ny zavatra iray nampianarin’ireo zavatra niainany tany am-boalohany azy dia ny mba ho mendrika ny hanao ny asan’ Andriamanitra, ka tsy maintsy “tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1, 5) ny masony. Ohatra, raha toa nanome azy torohevitra izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ny tenany manokana ny Tompo dia nila nanaraka ny torohevitry ny Tompo izy. Eny na dia hoe nahazo “fanambarana maro … ary [hery] hanaovana asa mahatalanjona maro” aza izy, raha ny sitrapony no lasa nanan-danja kokoa teo imasony noho ny an’ Andriamanitra dia “tsy maintsy lavo” izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4). Saingy i Joseph dia nianatra zavatra hafa manan-danja torak’izany ihany momba ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra: “feno famindram-po Andriamanitra” ary raha mibebaka amin-kitsim-po i Joseph dia “antsoina indray” izy (andininy 10). Ny asan’ Andriamanitra raha teo dia asan’ny fanavotana. Ary izany asa izany dia “tsy azo sakanana” (andininy 1).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–15

Tokony hatoky an’ Andriamanitra aho toy izay hatahotra olombelona.

Tany am-piandohan’ny fanompoan’i Joseph Smith dia sarotra tadiavina ny namana tsara, indrindra ny namana toa an’i Martin Harris izay olona manan-kaja sy manan-katao, afaka hanome fanampiana manan-danja. Ary dia nanampy an-tsitrapo an’i Joseph i Martin na dia nahatonga azy hamery ny fanajan’ireo namany sy nitaky fahafoizana ara-bola taminy aza izany.

Koa mora takarina ny antony nanirian’ i Joseph hanatanteraka ny fangatahan’i Martin hitondra ny ampahany voalohany tamin’ny dikan-tenin’ny Bokin’ i Môrmôna mba haseho ny vadiny izay niahiahy tamin’ny fahamarinan’ny Bokin’ i Môrmôna. Nanohy nanontany ny Tompo ihany momba io fangatahana io i Joseph na dia efa norarany aza izany mandra-panaikin’ny Tompo nony farany rehefa nangataka fanintelony i Joseph. Loza anefa fa very tany amin’i Martin ireo takila sora-tanana ka nofaizin’ny Tompo mafy i Joseph sy i Martin (jereo ny Olomasina, 1:51–53).

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–15 ianao dia saintsaino hoe mety ohatra ny ahoana no ho fiantraikan’ny hevitry ny olona eo aminao. Azonao marihana ihany koa fa ankoatra ny fitenenana mafy an’i Joseph Smith dia nilaza teny feno famindram-po ny Tompo. Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nanitsian’ny Tompo sy nampaherezany an’i Joseph? Inona no torohevitra hitanao fa afaka hanampy anao rehefa alaim-panahy ianao hatahotra ny olon-kafa mihoatra an’ Andriamanitra?

Jereo ihany koa ny “The Contributions of Martin Harris,” Revelations in Context, 1–9, history.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Manasa ahy ny Tompo hanompo Azy amin’ny foko manontolo.

Ny fizarana 4 dia matetika no mihatra amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Na izany aza dia mahaliana ny manamarika fa io fanambarana io tany am-boalohany dia nomena an’i Joseph Smith Rainy izay tsy nantsoina hanompo ho amin’ny fotoana feno kanefa dia nanana “[faniriana] ny hanompo an’ Andriamanitra” (andininy 3).

Fomba iray hamakiana ity fizarana ity ny maka sary an-tsaina hoe filazalazana momba ny andraikitra miandry amin’ny asa iray ho an’ny olona iray izay te hanao ny asan’ny Tompo izy io. Inona no fepetra takina? Nahoana no ilaina ireo fahaiza-manao na toetoetra ireo? Mety ho azonao atao ihany koa ny misafidy ombam-bavaka ny iray aomin’ireo zavatra izay azonao hatsaraina mba “[hahalany anao] ho amin’ny asa” (andininy 5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

Afaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako manokana momba ny Bokin’i Môrmôna aho.

Sary
Martin Harris

Martin Harris, nataon’i Lewis A. Ramsey

Raha nantsoina ianao mba hijoro ho vavolombelona manoloana ny fitsarana ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’ i Môrmôna dia inona no ho porofo homenao? Nieritreritra fanontaniana nitovitovy tamin’izany ihany koa i Martin Harris rehefa nitory tany amin’ny fitsarana i Lucy vadiny fa namitaka ny olona i Joseph Smith raha nilaza ho nandika ireo takela-bolamena (jereo ny Olomasina, 1:56–58). Noho izany dia nangataka porofo misimisy kokoa ny amin’ny maha-tena misy ireo takela-bolamena tany amin’i Joseph i Martin. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 5 dia fanambarana nomena ho valin’ny fangatahan’i Martin.

Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5 momba ireto manaraka ireto:

  • Inona no tsapan’ny Tompo momba ireo izay tsy te hino ireo fahamarinana ara-panahy raha tsy misy porofo (jereo ny andininy 5–8; jereo ihany koa ny Jaona 20:24–29).

  • Ny anjara andraikitr’ireo vavolombelona ao amin’ny asan’ny Tompo (jereo ny andininy 11–15; jereo ihany koa ny 2 Korintiana 13:1).

  • Ahoana no hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’ i Môrmôna ho an’ny tenanao (jereo ny andininy 16; jereo ihany koa ny Môrônia 10:3–5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–10

Amin’ny alalan’i Joseph Smith no handraisan’ity taranaka ity ny tenin’ Andriamanitra.

Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–10 anao momba ny andraikitra lehibe sahanin’i Joseph Smith amin’ny fotoampitantanana misy antsika sy eo amin’ny fiainanao? Saintsaino ny fomba nandraisanao ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Hevero ny hirakitra ao amin’ny diary na ny hizara amin’ny olona iray ny fankasitrahana anananao ho an’ireo fahamarinana izay naverina tamin’ny laoniny na nohazavaina tamin’ny alalany.

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 3:6–24.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–4.Angataho ny olona iray amin’ny fianakaviana handeha eo amin’ny tsipika “miolikolika” ary avy eo eo amin’ny tsipika “mahitsy”. Inona no dikan’izany hoe “mahitsy ny lalan[n’ Andriamanitra” ho an’ny fianakavianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7–10.Rehefa misy olona manery antsika tsy hankatò an’ Andriamanitra dia inona ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo izay afaka hanampy antsika hijanona no mahatoky? Azon’ny fianakavianao atao ny milalao an-tsehatra ny toe-javatra iray izay ahitana olona iray mijanona ho mahatoky na dia eo aza ny fanerena tsy hankatò an’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4Rehefa mifanakalo hevitra ny amin’ny dikan’ny izany hoe miasa ao amin’ny sahan’ny Tompo izany ny fianakavianao dia azon’izy ireo atao ny asa eny an-tanimboly (na mody manao izany). Inona avy ireo fitaovana ilaina rehefa mamboly? Inona no zavatra lazain’ Andriamanitra ao amin’ny fizarana 4 izay azo heverina ho toy ny fitaovana ilaina hanaovana ny asany? Azon’ny fianakavianao atao ny miresaka ny antony maha-manan-danja ny tsirairay avy amin’ireo fitaovana ireo amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:7.Inona no sasany amin’ireo karazana fahamarinana izay inoantsika kanefa tsy hitantsika maso? Inona no havalinao ny namana iray izay mila porofo fa hoe marina ny Bokin’ i Môrmôna?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ho mpanompo mazoto aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 85.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Manaova tsianjery andinin-tsoratra masina. “Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izany, izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana, sy afaka manome fitaomana ara-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina” (Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6).

Sary
i Joseph Smith miaraka amin’ireo ray aman-dreniny

Ny vesatra lehibe naterak’ireo takila 116, nataon’i Kwani Povi Winder

Hamoaka printy