Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: “Hitohy ny asako”


“18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: ‘Hitohy ny asako,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5.” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
olona maro miasa eny an-tsaha

Fotoam-pijinjana any Frantsa, nataon’i James Taylor Harwood

18–24 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

“Hitohy ny asako”

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5, dia mety hahazo bitsika ianao mikasika izay ilain’ireo mpianatra ampianarinao ho takarina. Ireo zavatra atao ao amin’ity rindran-damina ity dia mety hanome hevitra anao ihany koa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sarin’i Joseph Smith hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ampio ny ankizy hizara aminao ny zavatra fantatr’izy ireo momba ilay tantara asehon’izany. Ampio izy ireo hahatadidy ny tantaran’i Martin Harris nanary ireo pejy voalohandohany tamin’ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny “Chapitre 4: Martin Harris et les pages perdues,” Histoires des Doctrine et Alliances, 18–21; na ny Olomasina, 1:51–56).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7–10

Afaka misafidy ny tsara aho rehefa miezaka mitaona ahy hanao ny ratsy ny hafa.

Ampio ny ankizy hianatra izay zavatra nianaran’i Joseph Smith hoe: raha mitoky amin’ny Ray any An-danitra izy ireo dia “[h]iaraka amin[’izy ireo] Izy […]amin’ny fotoan-tsarotra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8).

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno jerena ny tantaran’i Martin Harris sy ireo takelaka voasoratanana very (jereo ny Histoires des Doctrine et Alliances, 18–21, na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Zarao amin’ireo ankizy ny karazana toe-javatra izay mety hahatonga azy ireo halaim-panahy hanao zavatra iray izay fantatr’izy ireo hoe ratsy. Ahoana no hahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika hisafidy ny marina? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8).

    Sary
    Martin Harris

    Martin Harris, nataon’i Lewis A. Ramsey

  • Vakio ireto teny ireto izay nalaina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8: “Ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao.” Asao ireo ankizy hitsangana sy haninjitra ny sandriny rehefa mamerina mamaky ilay andian-teny ianao. Zarao amin’izy ireo ny fomba sasany izay mety haninjiran’ny Tompo ny Sandriny hanampiana azy ireo rehefa miezaka mitaona azy ireo hanao ny ratsy ny hafa. Aoka izy ireo hifandimby haninjitra ny sandrin’izy ireo rehefa milaza fomba hafa haninjiran’ny Tompo ny Sandriny hanampiana antsika izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Ilain’ny Tompo aho hanao ny asany.

Ireo ankizy dia afaka “mirotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2) amin’ny fomba maro, ary afaka miomana dieny izao ho amin’ireo fahafahana manompo fanampiny amin’ny ho avy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1. Mitondrà sary izay maneho ilay asan’ Andriamanitra “mahatalanjona” amin’ny andro farany (toy ny sarina misiônera, sy tempoly ary Bokin’ny Môrmôna). Aoka ireo ankizy hifandimby hisafidy sary iray ary hiresaka momba izany. Zarao ny antony maha-mahatalanjona ny asan’Andriamanitra ho anao.

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra atao na hanao sary izay maneho ilay andian-teny hoe “hanompoanareo Azy amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakareo rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2). Mizarà ohatra ana olona fantatrao izay manompo an’Andriamanitra amin’izany fomba izany.

  • Miaraha mihira hira iray mahakasika ny asa fitoriana, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90). Ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’io hira io mikasika ny fomba ahafahantsika manampy an’Andriamanitra amin’ny asany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10

Nandray ny tenin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith isika.

Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona fa mampianatra ny tenin’Andriamanitra i Joseph Smith sy ireo mpaminany hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Afeno ao amin’ny toerana iray ao amin’ny efitrano fianarana ny sarin’i Joseph Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 87). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10, ary asao ireo ankizy hitady ilay sary mba hahitana hoe iza no resahina amin’ilay teny hoe “ianao.” Mijoroa ho vavolombelona fa nandray ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith isika.

  • Mampisehoa Bokin’i Môrmôna sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana maromaro amin’ny ankizy. Hazavao fa nomen’Andriamanitra an’ireo boky soratra masina ireo isika tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Zarao ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina tianao indrindra ao amin’ireo boky ireo, ary lazao ny antony maha-feno fankasitrahana anao noho izy ireny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–10; 5:21–22

Izay hahafaly an’ Andriamanitra no tokony ho raharahiko kokoa noho izay hahafaly ny hafa.

Rehefa mianatra momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ireo takelaka very tamin’ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna ireo ankizy dia mety ho taomin’ny Fanahy hitoetra ho mahatoky rehefa maka fanahy azy ireo ny hafa tsy hankatò.

Asa atao azo tanterahina

  • Andro vitsivitsy mialoha dia asao ny iray amin’ireo ankizy hiomana hizara ny tantaran’i Joseph Smith sy i Martin Harris nanary ireo pejy voalohandohany tamin’ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Histoires des Doctrine et Alliances, 18–21; na ny Olomasina, 1:55–56). Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–8; 5:21–22, ary tadiavo ireo fitahiana izay azo rehefa mitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra isika.

  • Omeo fotoana ireo ankizy hieritreretana momba ny toe-javatra iray hoe misy namana iray miezaka mampanao zavatra rasy azy. Asao izy ireo hitady andian-tsoratra masina iray ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–8; 5:21–22 izay afaka manampy azy ireo mandritra ireo toe-javatra ireo. Ataovy lalao an-tsehatra ny ohatra vitsivity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Ilain’ny Tompo aho hanao ny asany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia afaka mitaona fanahy ireo ankizy ho isan’ilay “asa … mahatalanjona” izay an’Andriamanitra (andininy 1).

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Manompo an’Andriamanitra. Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 ary hanao ny lisitry ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny hevitry ny hoe manompo an’Andriamanitra. Asao izy ireo hanampy an’ilay lisitry ny zavatra nianaran’izy ireo ao amin’ilay hira hoe “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 85) na hira hafa mikasika ny fanompoana an’Andriamanitra.

  • Mitondrà fitaovam-piasana (na sarina fitaovam-piasana) izay fampiasa eny an-tsaha. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitaovana ireo antsika? Ampio ireo ankizy hitady zavatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 izay toy ny fitaovam-piasana hanaovana ny asan’Andriamanitra.

  • Manasà misiônera amin’ny fotoana feno na misiôneran’ny paroasy hizara zavatra avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 izay nanentana ny fanahin’izy ireo hanao ny asan’Andriamanitra. Inona no azontsika atao ho fanampiana amin’ny asan’Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–7, 11, 16, 23–24

Afaka ny ho vavolombelona aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Nampanantenaina i Martin Harris fa afaka ny ho iray amin’ireo vavolombelona nahita-maso an’ireo takela-bolamena izy raha toa ka mahatoky. Tsy hahita ilay takelaka tahaka an’i Martin isika saingy afaka mandray vavolombelona ara-panahy momba ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny Bokin’i Môrmôna sy hizara izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto ary ampio ireo ankizy hitady ny valiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–3, 7, 11: Inona no nirian’i Martin Harris ho fantatra? Iza no azon’i Joseph Smith nanehoana an’ireo takelaka? Nahoana ny fahitana ireo takelaka no tsy ampy handresy lahatra ny olona iray fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

  • Anontanio an’ireo ankizy ny atao hoe vavolombelona sy ny antony maha-zava-dehibe ny vavolombelona. Inona no nilain’i Martin Harris natao mba ho lasa vavolombelona manatri-maso an’ireo takela-bolamena? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:23–24). Inona no azontsika atao mba ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna na dia tsy nahita ireo takelaka aza isika? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:16; Môrônia 10:3–5).

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny mpianatra hanoratra ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy hizara izany amin’ny olona iray izay fantatr’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Amboary ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana. Ny fanamboarana madinika atao amin’ireo asa atao dia manome antoka fa afaka mianatra avy amin’izy ireny ny ankizy rehetra. Ohatra, raha toa ka mandroso hevitra ny asa atao iray hoe tokony hampiseho sary, dia azonao atao ny manao hira mba hampandraisana anjara koa ireo ankizy manana olana amin’ny fahitana.

Hamoaka printy