Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65: “Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka”


“11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65: ‘Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia

Niantso ahy tamin’ny anarako Izy, nataon’i Michael Malm

11–17 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65

“Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka”

Atombohy ny fanomananao amin’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekampihavana 2 sy ny Joseph Smith—Tantara 1:27–65. Ireo hevitra enti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hampianatra ireo fahamarinana ao amin’ireo andalana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao atao ny manomboka ny kilasy amin’ny fangatahana ireo ankizy hizara ny zavatra fantany mikasika ny nisehoan’i Môrônia tamin’i Joseph Smith.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Joseph Smith—Tantara 1:27–54

Niantso an’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra hanampy Azy hanao ny asany.

Afaka mihalalina ny fitiavan’ireo ankizy ny Mpaminany Joseph Smith eo am-pianaran’izy ireo mikasika ilay asa izay nasain’Andriamanitra ho ataony.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,lah. 91). Asaivo marihan’ireo ankizy izay zavatra tsikaritr’izy ireo ao amin’ilay sary. Fintino ny tantaran’ny fisehoan’i Môrônia tamin’i Joseph. Raha ilaina dia jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:27–54 sy ny “Chapitre 3: L’ange Moroni et les plaques d’or” (Histoires des Doctrine et Alliances, 13–17). Asao ireo ankizy haka ny toeran’i Joseph Smith amin’ny dingana sasany eo amin’ilay tantara ka hamoritra ny tanany toy ireny hoe mivavaka ireny, ho mody hoe mananika ny Havoanan’i Komôrà, sy ny sisa.

  • Vakio mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:33 ary asaivo mitsangana ireo ankizy rehefa maheno ireo teny hoe “manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra.” Inona no tian’Andriamanitra hataon’i Joseph? Inona no asain’Andriamanitra hataontsika? Asaivo manao sary ny zavatra tian’Andriamanitra hataon’izy ireo ireo ankizy, toy ny hoe mivavaka, manompo, na mamaky soratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Nomen’i Elia fahefana i Joseph Smith hamehy fianakaviana mba hitambatra.

Ny fianarana mikasika ny herin’ny famehezana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia afaka manampy ireo ankizy hankafy ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ireo ankizy hanonona ilay anarana hoe “Elia” indroa na in-telo. Asaivo henoin’izy ireo io anarana io eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1. Hazavao fa ireo teny ireo dia tenin’i Môrônia tamin’i Joseph Smith ary mampianatra fa i Elia dia ho avy hamerina amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana. Taty aoriana dia niseho tamin’i Joseph Smith tokoa i Elia tao amin’ny Tempolin’ny Kirtland ary nanome azy ny fahefana hamehezana ny fianakaviana.

  • Asaivo milaza zavatra tian’izy ireo momba ny fianakaviany ireo ankizy. Mampisehoa sarina fianakaviana eo akaikina tempoly, raha azo atao dia ny fianakavianao (na jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 120). Mijoroa ho vavolombelona fa tian’ny Ray any An-danitra ireo fianakaviana hiaraka mandrakizay, ary izany no antony iray nanomezany tempoly antsika.

  • Iaraho manao ny hira “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98). Inona no ambaran’io hira io fa azontsika atao mba hiarahantsika mandrakizay amin’ny fianakaviantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Afaka mitondra fifaliana ho ahy ny fianarana momba ireo razambeko.

Na ny zaza madinika aza dia afaka mientanentana sy mahatsapa fifaliana momba ny tantaram-pianakaviana.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ray aman-drenin’ny ankizy iray ho tonga ao amin’ny kilasy ary hizara tantara iray momba ny razambe iray (ary hampiseho sary raha misy). Miresaha momba ny hafaliana tsapanao rehefa mianatra momba ny tantaram-pianakavianao.

  • Omeo fo vita amin’ ny taratasy ny ankizy tsirairay. Ampio izy ireo hanoratra ny anarany sy ny hoe “mampanantena aho fa hahatsiaro ireo razambeko” eo amin’izany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2, ary hazavao fa i Elia dia tonga hampitodika ny fontsika amin’ireo razambentsika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Joseph Smith—Tantara 1:28–29

Afaka mivavaka aho mba ho voavela heloka.

Ireo ankizy ampianarinao indraindray dia mety hahatsiaro tena ho “meloka … noho ny fahaleme[ny] sy ny tsy fahatanteraha[ny]” (Joseph Smith—Tantara 1:29) tahaka an’i Joseph Smith. Ampio izy ireo hianatra fa afaka mitodika amin’ny Ray any An-danitra izy ireo hahazoana famelan-keloka.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Joseph Smith—Tantara 1:29. Ahoana no fahatsapan’i Joseph Smith momba ireo hadisoany? Nataony inona izy ireo? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph ka afaka manampy antsika rehefa manao hadisoana isika? Anontanio ny ankizy ny zavatra tsapany noho ny fahafantarany fa nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith na dia tsy tanteraka aza.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mihevitra momba ny “toera[ntsika] eo anoloan[’Andriamanitra]”? (Joseph Smith—Tantara 1:29). Lazao amin’ny ankizy hoe inona no ataonao amin’izany hoe manontany tena momba ny hoe aiza no toeranao eo anatrehan’Andriamanitra izany.

Joseph Smith—Tantara 1:30–54

Nantsoin’Andriamanitra i Joseph Smith hanao asa manan-danja.

Ny fandalinana ny hafatr’i Môrônia ho an’i Joseph Smith dia afaka manampy ireo ankizy hanamafy ny fijoroana vavolombelona ananan’izy ireo momba ny antso masina nananan’i Joseph.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hilalao an-tsehatra na hanao sary ireo zava-nitranga tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:30–54, toy ny hoe i Môrônia niseho tamin’i Joseph (andininy 30–47), i Joseph niresaka tamin’ny rainy (andininy 48–50), ary i Joseph nahita an’ireo takelaka (andininy 51–54). Inona no zavatra ianarantsika amin’io tantara momba ny asa nampanaovina an’i Joseph io?

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Joseph Smith—Tantara 1:33–35, ary asaivo henoin’izy ireo izay tian’i Môrônia ho fantatr’i Joseph mikasika ny asa nampanaovina an’i Joseph. Ahoana no fomba nitahiana antsika noho i Joseph Smith nanatanteraka ny asany ho mpandika ny Bokin’i Môrmôna? Asao ny ankizy hamaky tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Tian’ny Ray any An-danitra ireo fianakaviana ho voafehy any amin’ny tempoly.

Nolazain’i Môrônia tamin’i Joseph Smith fa ho avy i Elia “[hanambara] … ny Fisoronana” (andininy 1). Milaza ny hery famehezan’ny fisoronana izay mamela ny fianakaviana ho iray mandrakizay ary mamela antsika handray ôrdônansy any amin’ny tempoly ho an’ireo razambetsika izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo vakian’ireo ankizy ilay faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1. Asaivo tadiavin’izy ireo hoe iza no ho irahin’ny Tompo amin’ny andro farany ary hoe inona no ho ambaran’io olona io. Asehoy ny sarin’i Elia tao amin’ny tempolin’i Kirtland (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 95), ary miresaha momba ny fomba nahatanteraka an’io faminaniana io 13 taona taorian’ny nisehoan’i Môrônia (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–15).

  • Hazavao fa i Elia dia namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana izay ahafahan’ireo fianakaviana ho fehezina miaraka mandrakizay. Manehoa zavatra sasantsasany izay afaka manampy ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe mamehy zavatra, toy ny boatin-tsakafo am-bifotsy, na harona plastika fitahirizan-javatra misy hidiny. Ahoana no ahafahan’ireo zavatra ireo manampy antsika hahatakatra ny dikan’izany hoe fehezina izany ho an’ny fianakaviana iray?

  • Manehoa sarina tempoly, ary ampio ireo ankizy hanonona ny sasany amin’ireo zavatra ataontsika any amin’ny tempoly. Hazavao fa ny batisa ho an’ny maty sy ny fanambadiana mandrakizay ary ny famehezana fianakaviana any amin’ny tempoly dia azo tanterahana daholo noho ireo fanalahidin’ny fisoronana izay naverin’i Elia tamin’ny laoniny.

  • Manasà zatovovavy na zatovolahy iray ao amin’ny paroasy hizara zavatra iray niainany izay nahitany ny anaran’ny razambe anankiray ary nanaovana batisa azy ho an’io razambe io tany amin’ny tempoly.

    Sary
    Tempolin’i Palmyra New York

    Fehezina any amin’ny tempoly ireo fianakaviana amin’ny alalan’ilay fahefana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Elia.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ireo ankizy hangataka amin’ireo ray aman-dreniny hitantara tantara iray momba ny iray amin’ireo razambeny na hanampy azy ireo hahandro laoka iray tian’ny razambe anankiray indrindra ary hiara-hihinana izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andininy iray na amina andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana na hanangan-tanana rehefa maheno izany teny na andian-teny izany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Hamoaka printy