Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26: “Nahita andrim-pahazavana aho”


“4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26: ‘Nahitako andrim-pahazavana aho,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
ilay Alakely masina

Alakely masina, nataon’i Greg K. Olsen

4–10 janoary

Joseph Smith—Tantara 1:1–26

“Nahitako andrim-pahazavana aho”

Rehefa mamaky ny soratra masina ianao dia eritrereto ireo ankizy ampianarinao. Ny Fanahy Masina dia afaka mitaona anao, amin’ny alalan’ireo bitsika izay voarainao, hamantatra izay tokony hifantohana ao an-dakilasy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manasà ankizy vitsivitsy hizara izay fantany momba an’i Joseph Smith sy ilay vavaka nataony tao amin’ilay Alakely masina (afaka manampy ny fanehoana sary maneho ny Fahitana Voalohany). Anontanio azy ireo ny fahatsapany rehefa mandre fa niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Raha mitsidika ny kilasintsika i Joseph Smith dia inona tao anatin’ilay zavatra niainany no hanontaniantsika azy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Joseph Smith—Tantara 1:3–20

Nomanina mba ho mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith.

Ny fianarana mikasika ny fahatanoran’i Joseph Smith dia afaka manampy ireo ankizy hampitovy ny tenany aminy ary hiomana hianatra avy amin’ireo zavatra niainany. Angamba afaka manampy azy ireo ianao hahita ny fomba nahafahan’ireo zavatra niainan’i Joseph fony izy zazalahy hanomana azy ho lasa mpaminanin’Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy iray mba hitazona ny sarin’i Joseph Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 87), mandritra izany ianao dia mizara zavatra momba an’i Joseph Smith hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:3–14 (jereo ihany koa ny “Chapitre 1: Joseph Smith et sa famille,” Histoire des Doctrine et Alliances, 6–8, na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Ampio izy ireo hampitaha ny momba ny fianakavian’i Joseph Smith sy ny fiainany amin’ny azy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa nofidian’Andriamanitra i Joseph Smith ary nomanina ho tonga mpaminany (jereo ny “Feo avy amin’ny famerenana amin’ny laoniny: Ny fianakavian’i Joseph Smith,” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Raha ilaina dia ampianaro an’ireo ankizy fa ny mpaminany dia olona iray izay mitondra ny tenin’ Andriamanitra.

  • Manasà zatovolahy iray ao amin’ny paroasy mba hitsidika ny kilasinao, mody atao hoe Joseph Smith. Manomàna fanontaniana vitsivitsy ho apetrak’ireo ankizy aminy, izay voavaly ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:3–20 (azonao zaraina mialoha amin’ilay zatovolahy ireo fanontaniana ireo). Avy eo dia asao ilay zatovolahy hamaky ny sasany amin’ireo tenin’i Joseph Smith mikasika ny Fahitana Voalohany (ohatra, Joseph Smith—Tantara 125).

Joseph Smith—Tantara 1:10–17

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Ny zavatra niainan’i Joseph Smith dia afaka mitaona ireo ankizy hivavaka amim-pinoana fa haheno azy ireo Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy ny amin’ireo fanontaniana izay nananan’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10). Inona no azontsika atao rehefa manana fanontaniana momba an’Andriamanitra isika? Mampisehoa Baiboly iray amin’ireo ankizy, ary hazavao fa rehefa namaky ny Baiboly i Joseph dia nianatra izy fa afaka “[m]angataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5; jereo ihany koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 89). Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mametraka fanontaniana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka.

  • Lazao ny fotoana iray naha-sahiran-tsaina anao ka nangatahanao fanampiana tamin’Andriamanitra ary nahazoanao valiny. Ampio ireo ankizy hieritreritra ireo fotoana izay naha-voavaly ny vavak’izy ireo Azonao atao koa ny mizara tantara iray ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana mikasika ny vavaka nataon’ankizy anankiray ka novaliana.

Joseph Smith—Tantara 1:17–19

Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith.

Afaka manampy ireo ankizy ianao hametraka ny fototra hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Fahitana Voalohany izay hitan’i Joseph Smith. Zarao amin’izy ireo ny fomba nahazoanao fijoroana vavolombelona momba io trangan-javatra manan-danja io.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sarin’ny Fahitana Voalohany ao amin’ny rindran-damina amin’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary zarao amin’ny fiteninao manokana izay zavatra nitranga rehefa nivavaka i Joseph Smith. Asao ireo ankizy hanao sary an’ilay tantara araka ny fijerin’izy ireo manokana.

  • Asao ireo ankizy handoko ilay pejy misy asa atao amin’ity herinandro ity ary hampiasa izany mba hitantarana ny Fahitana Voalohany (jereo ihany koa ny “Chapitre 2: La première vision de Joseph Smith,” Histoires des Doctrine et Alliances, 9–12, na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:17, ary hamafiso amin’ireo ankizy ireo teny izay nambaran’ny Ray any An-danitra tamin’i Joseph Smith.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Joseph Smith—Tantara 1:10–13

Afaka mamaly ireo fanontaniako Andriamanitra amin’ny alalan’ny soratra masina.

Teny novakiany tao amin’ny Baiboly no nitaona ny fanahin’i Joseph Smith, ary izany ho nitondra tamin’ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana ny Fiangonan’i Kristy ho amin’ny laoniny. Ampio ireo ankizy hahita ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny soratra masina manampy azy ireo hahita ny valin’ireo fanontaniana ara-panahy ananan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa boky samihafa amin’ireo ankizy (toy ny encyclopédie na boky fanoroana fandrahoana sakafo) ary ampio izy ireo hieritreritra ireo fanontaniana izay mety ho voavaly ao amin’ireo boky ireo. Avy eo dia anehoy boky soratra masina izy ireo. Inona no fanontaniana mety ho voavaly ao amin’ireo boky ireo? Azonao atao ny manome ohatra amin’ny fanontaniana iray izay voavaly ao amin’ny soratra masina. Iaraho mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:10–11 mba hahitana izay fanontaniana nananan’i Joseph Smith sy ireo valiny izay hitany tao amin’ny soratra masina.

  • Ampio ireo ankizy hahita ireo teny ao amin’ny andininy 12 izay mamariparitra ny fiantraikan’ny famakiana ny Jakoba 1:5 teo amin’i Joseph Smith. Mizarà traikera iray nanananao momba ny soratra masina, ohatra hoe tamin’ny nahitanao valiny tamin’ny fanontaniana iray nanananao rehefa namaky ny soratra masina. Miaraha mihira ny “Mandalina, misaintsaina ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).

Joseph Smith—Tantara 1:10–19

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Nahafantatra an’i Joseph Smith Andriamanitra, ka nony nivavaka i Joseph dia ren’Andriamanitra izy. Na dia mety tsy mitovy amin’ny an’i Joseph aza ny traikefan’ireo ankizy ampianarinao, dia azonao ampiana izy ireo hahatsapa fa fantatr’Andriamanitra izy ireo ary reny rehefa mivavaka izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà ray aman-dreny iray hijoro ao ivelan’ny efitrano fianarana ary hamaly ireo fanontaniana avy amin’ireo ankizy amin’ny fampiasana fomba toy ny fandefasana sms, miantso amin’ny telefaonina, na hafatra amin’ny messenger. Inona avy ireo fomba hifandraisan’Andriamanitra amintsika? (jereo ny “Fanambarana,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Araka izay voalaza ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19, ahoana no fomba namalian’ny Ray any An-danitra ny vavak’i Joseph Smith? Ahoana no fomba namaliany ireo vavaka nataontsika?

  • Iaraho mihira ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 12–13).

    Sary
    zatovovavy iray mivavaka

    Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra.

Joseph Smith—Tantara 1:14–19, 25

Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Ny ankizy tsirairay izay ampianarinao dia mila manana fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona na hanatanjaka izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hamerenana handinika ny tantaran’ny Fahitana Voalohany dia soraty amin’ny taratasy tsirairay ny famintinana ny andininy tsirairay amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:14–19. Ataovy anaty baoritra iray ireo taratasy ireo ary asao ireo ankizy hisafidy tsirairay amin’izany ary hametraka izany eny amin’ny solaitrabe araka ny filaharany.

  • Asao ireo ankizy hanakimpy ny masony ary haka sary an-tsaina hoe manao ahoana izany hoe mitovy amin’i Joseph izany, eo am-pamakianao ny ampahany voafantina sasany ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:14–17. Angataho izy ireo hizara ny ao an-tsainy sy ny fahatsapany mikasika ny zavatra niainan’i Joseph.

  • Alefaso ilay horonan-tsary hoe “Ask of God: Joseph Smith’s First Vision” (ChurchofJesusChrist.org), ary angataho ireo ankizy hizara zavatra iray izay nianaran’izy ireo mikasika ny fahitan’i Joseph an’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

  • Iaraho mamaky ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:25. Angataho ireo ankizy hitady teny na andian-teny izay maneho ny finoan’i Joseph Smith. Ahoana no ahafahantsika mijanona ho mahatoky amin’Andriamanitra sy amin’ny fijoroana vavolombelona ananantsika rehefa misy olona hafa tsy mitovy hevitra amintsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’olona hafa ny tantaran’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, raha azo atao dia amin’olona hafa izay tsy mbola naheno izany tany aloha. Azon’izy ireo ampiasaina ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity hanampiana azy ireo hitantara ilay tantara.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Mba hampahatsiahivana ireo ankizy haneho fanajana dia azonao atao ny mihira feonkira anankiray, na mampiasà famantarana amin’ny tanana izay ho fantatr’ireo ankizy.

Hamoaka printy