Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: “Mihainoa ianareo ry olon[a]”


“28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: -Mihainoa ianareo ry olon[a]-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

28 desambra–3 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

“Mihainoa ianareo ry olon[a]”

Ny dingana voalohany tokony ho raisinao rehefa miomana hampianatra dia ny mandalina ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1. Eo am-panaovanao izany dia mihainoa fitaomam-panahy mikasika ireo zavatra ilain’ny ankizy, ary tadiavo ireo fitsipika izay hanan-danja amin’izy ireo. Ireo zavatra tsapa ireo dia hanampy anao hamolavola asa atao tena ilaina mba hampianarana ireo fitsipika ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa boky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia asaivo zarain’ny ankizy izay fantatr’izy ireo momba io boky io. Iza no nanoratra azy? Inona no ao anatiny? Nahoana izy io no manan-danja? Raha mila fanampiana dia azonao jerena ny “Chapitre 23: Doctrine et Alliances” (Histoires des Doctrine et Alliances, 90–92). Zarao ny fitiavanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny fanirianao hianatra avy amin’izany mandritra ity taona ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4

Mampitandrina antsika amin’ny loza ara-panahy ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Nanambara ny Tompo fa ny feony dia “feo fampitandremana.” Ahoana no handrisihanao ny ankizy hihaino sy hankatò ireo fampitandremana omeny?

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hihazona famantarana fampitandremana, toy ny famantarana loza amin’ny fifamoivoizana, toetrandro ratsy, na poizina, dia miresadresaha momba ny hoe ahoana no hampitandreman’izy ireny antsika amin’ny loza. Na milazà tantara momba ny fotoana iray nankatoavanao fampitandremana iray. Ampitahao amin’ireo fampitandremana omen’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ireo fampitandremana ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa mampitandrina antsika Izy noho Izy tia antsika sy maniry ny hahavoaro antsika (jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity).

  • Vakio amin’ny ankizy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4: “Ary hiantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana.” Zarao ny zavatra iray nampianarin’ny mpaminany vao tsy ela ka afaka miaro antsika. Mampisehoa sary mifandraika amin’izany raha azo atao. Resadresaho ny fomba anarahanao ny torohevitry ny mpaminany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 29

Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Eo am-panombohanao sy ireo ankizy ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia ampio izy ireo hampiorina ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba ny antso masina nananan’i Joseph Smith.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana; jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 87). Asaivo mijoro eo akaikin’ilay sary ary hizara izay fantany momba an’i Joseph Smith ny ankizy.

  • Avelao ny ankizy hihazona ny sarin’ny Mpamonjy ary ny sarin’i Joseph Smith. Resaho amin’izy ireo ny zavatra nomen’ny Mpamonjy antsika tamin’ny alalan’i Joseph Smith, toy ireo didy (jereo ny andininy 17) sy ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny andininy 29). Teneno ny ankizy fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo dia hianatra momba ireo didy nomen’ny Tompo ho an’ny Fiangonana tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

  • Zarao ny zavatra tsapanao momba an’i Joseph Smith, dia mijoroa ho vavolombelona fa Andriamanitra dia “niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompo[ny] sy niteny taminy avy any an-danitra” (andininy 17).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38

Ny tenin’ny mpaminany dia tenin’ Andriamanitra.

Ireo ankizy ampianarinao dia mety efa nahare ny Filohan’ny Fiangonana niresaka, saingy mety tsy tonga saina izy ireo fa ny teniny dia avy amin’ Andriamanitra. Ampio izy ireo hianatra hamantatra ny tenin’ny mpaminany ho tenin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova kilalao tsotra amin’ny fanomezana toromarika ny ankizy iray ary ny fangatahana azy hamerina ireo toromarika amin’ny ankizy iray hafa. Ampio izy ireo hahita fa ny fanarahana ny toromarik’ilay ankizy dia mitovy amin’ny fanarahana ny toromarika avy aminao ary ny fanarahana ny mpaminany dia mitovy amin’ny fanarahana ny Tompo. Vakio amin’izy ireo ny andalana farany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”

  • Iaraho manao ny hira iray mikasika ireo mpaminany, toy ny andininy farany amin’ilay “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny hoe milaza ny tenin’ Andriamanitra ny mpaminany.

  • Mizarà sary, raki-peo, na horonan-tsary misy ny mpaminany velona. Mijoroa ho vavolombelona fa miteny amintsika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatsika ny mpaminany. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba ny mpaminany.

    Sary
    fivoriana amin’ny fihaonambe maneran-tany

    Mampianatra antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatsika ny mpaminany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–17, 29–30

Mahafantatra ireo olana hahazo antsika ny Tompo, noho izany dia namerina ny filazantsara tamin’ny laoniny Izy tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

Afaka manampy ny ankizy hiomana amin’ireo olana ho avy ianao amin’ny fampianarana azy ireo ny fomba hitondran’ny Famerenana amin’ny laoniny fiarovana ara-panahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ny sasany amin’ireo olana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Avereno jerena miaraka amin’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–16, dia ampio izy ireo hamantatra ireo olana sasany izay nataon’ny Tompo faminaniana fa hitranga. Ampio izy ireo hahita ao amin’ny andininy 17 sy 29–30 ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana antsika hiatrika ireo olana amin’ny vanin’andro iainantsika.

  • Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy hoe miomana hanao dia izy ireo. Inona avy no hoentin’izy ireo ao anaty valizy? Hanampy azy ireo amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa hisy orana mandritra ilay dia na ho vaky ny kodiaran’ilay fiara hitondra azy ireo? Iaraho mamaky ny andininy 17, dia ifanakalozy hevitra ny zavatra fantatry ny Tompo fa hitranga amintsika ary ny fomba niomanany ho amin’izany. (Raha ilaina dia hazavao fa ny “antambo” dia midika hoe loza na zavatra mahatsiravina.) Ahoana no fomba ahafahan’ireo didin’ Andriamanitra manampy antsika amin’ny fiatrehana ireo olana misy amin’izao vanin’androntsika izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “fiangonan[’ny Tompo] marina sy velona.”

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka ireo fitahiana lehiben’ny hoe mpikambana ao amin’ny “ilay hany fiangonana marina sy velona”?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hitanisa zavatra velona vitsivitsy ary zavatra tsy velona vitsivitsy (raha azo atao dia mitondrà sary na ohatra). Inona no maha-samy hafa ny zavatra iray velona sy ny zavatra iray tsy velona? Iaraho mamaky ny andininy 30. Midika inona ny hoe “marina” ny Fiangonana? hoe “velona”ny Fiangonana?

  • Mampisehoa sary iray, toy ny hoe sarin’ny Mpamonjy, dia asaivo soritsoritin’ny ankizy ilay izy, ka novonoinao ny jiro rehetra ao amin’ny efitrano. Ampiasao ity asa atao ity mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa ho an’olona maro dia ao anaty “haizina” sy “haizimpito” ny Fiangonana marina an’ny Mpamonjy. Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hianatra momba ny Fiangonana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38

Maharitra mandrakizay ny tenin’ny Tompo.

Afaka manampy ny ankizy hampiorina ny finoany an’i Jesoa Kristy ianao amin’ny fampianarana azy ireo fa ny teniny dia azo antoka ary azo ianteherana.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hampitaha zavatra izay tsy maharitra, tahaka ny balaonina na bohabohan’orampanala, amina zavatra izay toa maharitra, toy ny tendrombohitra na ny masoandro. Asaivo tadiavin’izy ireo ao amin’ny andininy 37–38 ny zavatra iray izay nolazain’ny Tompo fa maharitra mandrakizay. Nahoana no fitahiana ny mahafantatra fa ny tenin’ Andriamanitra dia “tsy ho levona”?

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa tafiditra ao amin’ny hoe “feon’ny mpanompoko” ny feon’ireo apôstôlintsika sy mpaminanintsika. Ampio ny ankizy hahita “faminaniana sy fampanantenana” ao amin’ny lahateny farany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nataon’ny mpanompon’ny Tompo anankiray. Mijoroa ho vavolombelona fa ireo teny ireo dia tena avy amin’ny Tompo ary “ho tanteraka avokoa.”

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ataovy famerenana miaraka amin’ny ankizy ny zavatra nianaran’izy ireo androany, dia asao izy ireo handray zavatra iray izay tsapany fa tokony ho fantatry ny olona tsirairay ny momba azy. Amporisiho izy ireo hizara izany amina namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianatra amin’ny fomba maro ny ankizy. “Tsy mitovy daholo ny ankizy rehetra ary mivoatra haingana dia haingana ny ankizy tsirairay. Tena hahomby ny ezaka ataonao eo amin’ny fampianarana ny ankizy rehefa mampiasa fomba fampianarana isan-karazany ianao” tafiditra ao anatin’izany ny tantara, zavatra jeren’ny maso, ary ny hira (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy