Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

ankizy ao am-pianarana

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ianao dia hahita ity lamina ahitana dingana anankitelo manaraka ity izay miverimberina ao amin’ny rindran-damina tsirairay: asao mba hizara, ampianaro ny fotopampianarana, ary amporisiho ny fianarana any an-tokantrano. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, rehefa iny mampianatra iny ianao, dia mety hifanindry na hitranga tsy manaraka ny filaharany ireo singa ao amin’io lamina io. Ohatra, andeha raisina toy ny hoe fahafahana mampianatra ny fotopampianarana ny fizarana zavatra, ary ny fampianarana ny fotopampianarana dia tokony ahitana fanasana mba hizara hevitra. Toy izany ihany, ny famporisihana hianatra any an-tokantrano dia afaka mitranga mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra. Avelao hitranga ho azy ny fanamboarana atao ao amin’ity lamina ity, araka ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao.

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ao anatin’ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny ankizy mba hizara ny fihetseham-pony, ny heviny, ny zavatra niainany, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ireo fitsipika ampianarinao. Ny fanehoan-kevitr’izy ireo dia mety ahitana ireo zavatra niainan’izy ireo nandritra ny fandalinana tany an-trano. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery izay nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa ary manontany ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ilay fotopampianarana hampianarinao ny ankizy. Diniho ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, fanontaniana, ary ireo loharano hafa azonao zaraina mba hanampiana ny ankizy hianatra sy hanao asa araka ireo fitsipiky ny filazantsara. Mitadiava fomba miavaka mba hanampiana azy ireo hientanentana mikasika ny zavatra ianaran’izy ireo.

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Satria ny tokantrano no toerana manan-danja indrindra ho an’ny fianarana ny filazantsara dia anisan’ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra ny Kilonga anao ny mamporisika ny fianarana ao an-tokantrano. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianarany tao an-dakilasy? Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ireo ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo mba hanohy hianatra avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana any an-tokantrano?