Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana


“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
ankizy mihira

Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana

Ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny ankizy rehetra, tafiditra amin’izany ireo manana fahasembanana. Ny ankizy tsirairay ao amin’ny Kilonga dia tokony horaisina tsara, hotiavina, hokolokoloina, ary hatao izay hahatamana azy. Ao amin’izany tontolo izany dia ho mora kokoa ho an’ny ankizy rehetra ny mahatakatra ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy sy ny mamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hitondra ny zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana.

  • Fantaro ireo zavatra manokana ilain’ilay zaza. Ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia ny miresaka amin’ny ray aman-dreny na mpitaiza ilay zaza. Fantaro ny fomba tsara indrindra hianaran’ilay zaza ary ireo paikady mahomby indrindra. Azonao atao ihany koa nymifampidinika amin’ny mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga hafa izay manana traikefa sy hevitra ho zaraina.

  • Manorena tontolo mahafinaritra izay hahatsapan’ny ankizy tsirairay avy fiarovana sy fitiavana. Ianaro ny anaran’ny ankizy rehetra ao amin’ny kilasinao, ary ampio izy ireo mba ho tamàna ary hahatsapa fitiavana. Ny ankizy manana fahasembanana dia voakiana matetika, koa mitadiava fotoana handokafana azy ireo noho ny fitondran-tena tsara asehony. Ampio ny ankizy hafa ho be fitiavana sy mahay mandray tsara.

  • Manaova fanamboarana mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Azo asiana fanovana kely ny asa atao mba hakàna antoka fa ireo ankizy rehetra dia afaka mianatra, tafiditra amin’izany ireo izay manana fahasembanana ara-batana na fahasahiranana amin’ny fianarana. Ohatra, raha toa mandroso hevitra ny asa atao iray ny tokony hampisehoana sary, dia azonao atao ny manao hira mifandraika amin’ilay izy mba handraisan’ny ankizy manana fahasahiranana amin’ny fahitana anjara.

  • Manorena fombafomba sy rafitra tsy miovaova ao an-dakilasy. Fomba iray hanaovana izany ny manamboatra petadrindrina iray ahitana ny fandaharam-potoan’ny kilasy izay mandrafitra ny ho fandehan’ny fotoana. Ny fandaharam-potoanao dia mety ahitana vavaka, fotoana hampianarana, ary fotoan’ny asa atao. Izany dia mety hampihena ireo fahatsapana fisalasalana izay mety hampitombo ny tebiteby ao amin’ny ankizy sasany.

  • Mampiasà fitaovana misarika ny maso. Ireo ankizy manana olana amin’ny fianarana na olana amin’ny resaka fitondran-tena dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fitaovana misarika ny maso, toy ny sary maneho fitondran-tena mendrika tahaka ny fananganana tanana mialoha ny famaliana fanontaniana.

  • Mahatakatra ny antony hitrangan’ireo fitondran-tena manahirana. Ianaro ny momba ireo fahasembanana na toe-javatra izay mety hiantraika amin’ny fanaovan’ilay zaza fitondran-tena tsy mendrika. Tena ifantohy tsara ny zava-mitranga rehefa miseho ireo olana amin’ny resaka fitondran-tena ireo. Diniho ombam-bavaka ny tokony hanovana ny toe-javatra mba hanohanana ilay zaza amin’ny fomba tsara indrindra.

  • Ampio ny ankizy tsirairay hitombo sy hivoatra. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ireo saina sy fanahy rehetra nalefan’ Andriamanitra tety amin’izao tontolo izao dia heverina fa afaka hivoatra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 210). Aza eritreretina ho tsy afaka mianatra sy mandray anjara ny ankizy iray manana fahasembanana. Angataho ny Tompo mba hanampy anao hahafantatra ny fomba hanampiana ireo ankizy hahatratra ny fahafahana ara-panahy ananany.

Hamoaka printy